1 Nisy haiky avy ho an'gne lehilahin'i Efraima; namakivaky an'i Zafona indreo sady nizaka tamin'i Jefta hoe: "Nahoa enao gne nandeha hiady ame vahoakan'gne Amona ary tsy mangaiky anay hiaraky aminao? Hodoroanay enao sy gne tragnonao." 2 Hoy i Jefta tamindreo hoe: "Iaho sy gne vahoakako da nana fifamalia zakabe tamin'gne vahoakan'i Amona.Tamin'gne nangaiky anao iaho, da tsy namonjy anahy teo amindreo enao. 3 Refa hitako fa tsy namonjy anahy enao, da napetrako tame tanjako agnaby gne fiaignako ary namakivaky gne vahoakan'i Amona iaho, ka nomen'i Yaveh anahy gne fandrese. Nahoa enao avy gne hiady aminaha ankehitriny? 4 Nampivorin'i Jefta niaraky gne lehilahy agnaby tao Gileada ka niady tamin'i Efraima izy. Nanafiky an'gne lehilahin'i Efraima gne lehilahin'i Gileada satria hoy indreo hoe: "Enareo Gileadita da mpilefa agny Efraima—ao Efraima sy Manase." 5 Nosamborin'gne Gileadita gne fitàn'i Jordana mandeha agny Efraima. Raha misy amin'gne sisa velo mijaka hoe:"Avelay iaho hitsaky gne renirano," da hizaka andreo lehilahin'i Gileada hoe: Efraimita moa enao?" raha mizaka izy hoe: "Aeky" 6 da hizaka aminazy indreo hoe: "Tognony hoe: Shiboleta," ary raha mizaka izy hoe: "Siboleta" (satria tsy nahay nanogno gne zaka mazava izy), da hosamborin'gne Gileada izy ary hovonoy eo ame fitsakian'ny Jordana. Roy arivo sy efatra alina gne Efraimita novony tamin'izany fotoa izany. 7 Niasa akô gne mpitsara nagnera an'i Israely tagnatiny gne enina taona i Jefta. Avy eo da maty i Jefta gne Gileadita ary nalevy tao ame raiky amin'gne tanàn'gne Gileada. 8 Tafarany, da i Ibzana avy ao Betlehema gne niasa ho mpitsara an'i Israely. 9 Nana zanaky lahy telo-polo izy. Nahafoy zanaky viavy telo-polo hakary izy, ary ninday gne zanaky viavy telo-polo an'gne lehilahy hafa avy agny ivelany ho an'gne zanany lahy izy. Nitsara an'i Israely tagnatiny gne fito taona izy. 10 Maty Ibzana ary nalevy tao Betlehema. 11 Tafarany da i Elona gne Zebolonita gne niasa akô gne mpitsara an'Israely . Nitsara an'Israely tagnatiny gne folo tao izy. 12 Maty i Elona gne Zebolonita ary nalevy tao Aialona tagny ame tanin'i Zebolona. 13 Nagnaraky anazy, da i Abdona zanaky lahin' i Elela Piratonita gne niasa akô gne mpitsara an'Israely. 14 Nana zanakalahy efapolo izy ary zafikely lahy telopolo. Nipitiky ampondra fitopolo indreo. Ary nitsara an'Israely tagnatiny gne valo tao izy. 15 Maty i Abdona zanaky lahin'i Elela izay Piratonita ary nalevy tao Piratona tagny ame tanin'i Efraima tagny havoan'gne firenen'gne Amalekita.