1 Nagnano izay ratsy teo imason'i Yaveh indraiky gne vahoakan'i Israely, ka natolotriny teo an-tagnan'gne Filistina tagnatiny gne efapolo tao indreo. 2 Nisy lehilahy raiky avy agny Zora, avy ame fianakavian'gne Danita, Manoa gne agnarany.Tsy afaky nanagnanaky gne vadiny ka da tsy niteraky izy. 3 Nibôky tamin-draviavy gne anjelin'i Yaveh ka nagnano taminazy hoe: "Izao izy androany, tsy afaky nanagnanaky enao, ary tsy niteraky, nefa hanagnanaky enao ary hiteraky zazalahy. 4 Ary mitandrema mba tsy hisotro divay na zava-pisotro mahery, ary aza mihina raha maloto. 5 Da hanagnanaky enao ary hiteraky zazalahy. Tsy hisy hety ampiasay ame lohany, satria Nazirita ho an'Andriamanitra avy an-kibo gne zaza, ary izy gne hanomboky hagnafaky gne Israely eo an-tagnan'gne Filistina.'' 6 Ary avy raviavy ka nijaka tame vadiny hoe: "Nisy lehilahin'Andriamanitra avy taminaha, ary akô gne anjelin'Andriamanitra gne fagnitea anazy, tena mampitahotry. Tsy nagnontany anazy izay niaviany iaho, ary tsy niroho taminaha gne agnarany izy. 7 Da hoy izy taminaha hoe: "Izao, hanagnanaky ary hiteraky zazalahy enao. Koa noho izany da ka misotro divay na zava-pisotro mahery, ary ka mihina sakafo izay ambaran'gne lalàna fa maloto, satria gne zaza da ho Nazarita ho an'Andriamanitra manomboka ame fotoa maha ao atroky anazy ka hatramin'gne andro hahafatesany.'' 8 Da nivavaky tamin'i Yaveh i Manoa ka nagnano hoe: "Tompo o, mba apetrahy gne lehilahin'Andriamanitra nirahinao hipody aminay indraiky mba hampianarany anay izay tokony ataonay ame zaza izay ho teraky tsy ho ela." 9 Namaly gne vavak'i Manoa i Yaveh, ka avy tamin-draviavy indraiky gne anjelin'Andriamanitra raha nidoboky tagny an-tonda izy. Nefa tsy niaraky taminazy i Manoa vadiny. 10 Koa nigodogodoky mafy raviavy ary nizaka gne vadiny hoe: "Niboaky taminaha igny lehilahy_igny avy taminahy indraiky andro iny!" 11 Da nitsanga i Manoa ka nagnaraky am-badiny. Refa avy teo amin'gne lehilahy izy, da hoy izy hoe: "Enao ve gne lehilahy niresaky tame vadiko?" Da hoy ralehilahy hoe: "Iaho izy." 12 Ka da hoy i Manoa hoe: "Androany ho tò gne zakanao. Ino gne ho fitsipiky ho an'gne zaza, ary ino no ho asany?" 13 Hoy gne anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: "Tsy maintsy hagnano am-pitandrema gne raha agnaby izay nozakaiko taminazy izy. 14 Tsy afaky mihina ndre ino ndre ino izay avy ame voaloboka izy, ary ka omė misotro divay na zava-pisotro mahery; ka ome mihina sakafo izay ambaran'gne lalàna fa maloto izy. Tokony hankato gne raha agnaby nandidiako anazy ho anìniny izy." 15 Hoy i Manoa tamin'gne anjelin'i Yaveh hoe: "Mba mijanona kelikely rô, mba hagnome fotoa anay hikarakara zanak'osy ho anao.'' 16 Hoy gne anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: "Ndre da hijano aza iaho, da tsy hihina gne sakafonao akory. Fa raha manomagny fagnatitry doroa enao, da atolory ho an'i Yaveh izany.'' (Tsy lalan'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy.) 17 Da hoy i Manoa tamin'gne anjelin'i Yaveh hoe: "Ia gne agnaranao, mba hahafahanay magnome voninahitry anao refa tanteraky gne zakanao?'' 18 Da hoy gne anjelin'i Yaveh taminazy hoe: "Nahoa gne magnontany gne agnarako enao? Mahafaly izany!" 19 Ary nalain'i Manoa niaraky tame fagnatitry hohany gne zanak'osy ka natolotriny teo ambony vatolampy ho an'i Yaveh ireo. Nagnano raha-mahagaga izy raha igny nagnety igny i Manoa sy gne vadiny. 20 Refa niakatry avy teo ame alitara niakatry an-dagnitry gne lela afo, da niakatry tao agnatin'gne lela afon'gne alitara gne anjelin'i Yaveh. Nahita izany i Manoa sy gne vadiny ary nampandongaliky gne tarehindreo tame tagny. 21 Tsy niseho tamin'i Manoa sy gne vadiny intsony gne anjelin'i Yaveh. Ary fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy. 22 Hoy i Manoa tame vadiny hoe: "Ho faty tokoa isika, satria niseho tamintsika Andriamanitra!" 23 Nefa hoy gne vadiny taminazy hoe: "Raha te hamono antsika Andriamanitra, da tsy nandray gne fagnatitry doroa sy gne fagnatitry hohany nomentsika azy Izy. Tsy tokony nampiseho antsika regny raha agnaby iregny Izy, na namela antsika handre raha akô izany amin'izao fotoa izao." 24 Taty afara da niteraky zazalahy raviavy, ary naniny hoe Samsona gne agnarany. Nihalehibe gne zaza ary nitahy azy i Yaveh. 25 Nanomboky nagnetsiky anazy tagny Mahana-dana gne Fagnahin'Andriamanitra, teo agnelanelan'i Zora sy Estaola.