Toko Faha 14

1 Nidigny tagny Timna i Samsona, ary nahita viavy raiky tagny izy, olo raiky amin'gne zanaky vavin'gne Filistina. 2 Refa nipody izy, da nijaka tame aba sy endreniny hoe: "Nahita viavy raiky tao Timna iaho, raiky amin'ireo zanakay vavin'ireo Filistina. Ary alay mba ho vadiko izy." 3 Hoy gne ray sy reniny taminazy hoe: "Moa ve tsy misy viavy amin'gne zanaky viavin'gne havanao, na amin'gne vahoakanao agnaby? Haka vady avy amin'gne Filistina tsy mifora enao?'' Hoy i Samsona tame rainy hoe: "Alay ho anahy izy, fa refa nagnety anazy iaho, da mahafinaritry anahy izy." 4 Fa gne ray sy reniny da tsy nahalala fa avy amin'i Yaveh izany raha izany, satria nagniry gne hananga ady amin'gne Filistina Izy (satria tamin'izany fotoa izany da gne Filistiana gne nanjaka tao Israely). 5 Ary nidigny tagny Timna niaraky tame ray sy reniny i Samsona, ary nandeha ame tanim-boalobok'i Timna indreo. Ary, nisy liona tanora raiky nagnato ary nierogny taminazy. 6 Avy tampoky taminazy gne Fanahin'i Yaveh, ary da nosamahiny mora akô gne manasamaky zanak'osy gne liona, ary tsy nisy ndre ino ndre ino tegny an-tagnany. Nefa tsy nojakainy tame rainy na gne reniny izay nanìny. 7 Nandeha izy ary niresaky tamin'gne vehivavy, ary refa nagnety anazy izy, da nahafinaritry an'i Samsona izy. 8 Andro vitsivitsy taty afara refa nipody hangala vady azy izy, da nivily lala izy mba hagnety gne fatin'gne liona. Ary, nisy andian-tantely sy tantely teo ame sisa tavela tame vatan'gne liona. 9 Nalagnony tegny an-tagnany gne tantely da nandeha izy, sady nandeha izy gne nihina. Refa avy tagny ame rainy sy gne reniny izy, da nanomeny atsasany indreo, ary nihina. Nefa tsy nojakainy andreo fa nalainy tegny ame sisa tavela tame vatan'gne liona gne tantely. 10 Nidigny tagny amin'izay nisy an'gne viavy gne rain'i Samsona, ary nagnano fanasa tagny i Samsona, satria izany gne fomban'gne tovolahy. 11 Raha vao hitan'gne havan'gne viavy izy, da nindesandreo telopolo tamin'gne namany mba hiaraky aminazy. 12 Hoy i Samsona tamindreo hoe: ''Avelay iaho androany hizaka ankamantatra aminareo. Raha misy raiky aminareo mahita izany ary mizaka aminaha gne valiny agnatiny gne fito andro fanasa, da homeko rongony fotsy madiniky telopolo sy akanjo fisolo telopolo. 13 Fa raha tsy mahalaza aminaha gne valiny enareo, da homenareo rongony fotsy madiniky sy akanjo fisoloa telopolo isa iaho." Hoy indreo taminazy hoe: "Zakay anay gne ankamantatrao, mba hahafahanay mandre izany." 14 Hoy izy tamindreo hoe: "Avy ao ame mpihina gne misy raha fihina; avy ao ame matanjaky gne misy raha malefaky." Saingy tsy nahita gne valiny tao anatin'gne telo andro gne vahiny nasainy. 15 Tame andro fahefatry da hoy indreo tame vadin'i Samsona hoe: "Fitaho gne vadinao mba hizaka aminay gne valin'gne ankamantatry, raha tsy izany da horoanay enao sy gne tranon'gne rainao. Nasainareo taty mba ho ampahantray me iahay?'' 16 Nanomboky nitomagny teo agnatrehany gne vadin'i Samsona; hoy izy hoe: "Halanao iaho! tsy tia anahy enao! Nagnano ankamantatry tame sasany tamin'gne vahoakako enao, fa tsy nagnambara taminahy gne valiny." Hoy Samsona taminazy hoe: "Iteo iaho, raha tsy nizaka tame raiko na gne reniko iaho, da tokony hizaka aminao ve?" 17 Nitomagny agnatiny gne fito andro naharetan'gne fanasa izy. Tame andro fahafito da nozakainy taminazy gne valiny satria nandetry mafy anazy izy. Da nozakainy tame havan'gne vahoakany gne valiny. 18 Nialohan'gne niletehan'gne masoandro tame andro fahafito da gne lehilahy teo an-tanà taminazy hoe: "Ino gne mamy mihoatry gne tantely? Ino gne matanjaky mihoatry gne liona?" Hoy i Samsona tamindreo hoe: "Raha tsy niray tsikombakomba tame vadiko enareo, da tsy nahita gne valin'gne ankamantatriko." 19 Ary avy tampoky tamin-kery tao amin'i Samsona gne Fanahin'i Yaveh. Nidigny tao Askelona i Samsona ary namono telopolo tame lehilahindreo. Nalainy gne raha nobaboindreo, ary nomeny gne izay nagnazava gne ankamantatry gne akanjondreo. Tamim-pahavignira mafy, da niakatry tagny ame tranon'gne rainy izy. 20 Natolotry gne namany akaiky azy indrindra gne vadin'i Samsona.