1 Andro maromaro taty afara, tagnatiny gne fotoam-pilàm-bary, da nangala zanak'osy i Samsona ary nandeha namangy gne vadiny. Hoy izy tame tegnany hoe: "Handeha ho agny ame efitragnom-badiko iaho." Nefa tsy nomenao anazy niditry gne rainy. 2 Hoy gne rainy hoe: "Tena nihevitry iaho fa nalaigny anazy enao, ka nomeko gne namanao izy. Tsara noho izy gne zandriny viavy, sa tsy izany? Alay ho solony izy." 3 Namaly andreo i Samsona hoe: "Amin'izany fotoa izany da tsy hanan-tsigny eo imason'gne Filistina iaho raha magnano izay mampalahelo andreo." 4 Da nandeha i Samsona ka nisambotry amboahaolo telonjato ary namehy anazy tsiroiroy, isan-drambony. Avy eo da nangala fagnilo izy ka namehy ireo teo afovoan'gne rambo roy. 5 Refa nandrehitry gne fagnilo izy, da napetrakiny gne amboahaolo handeha egny ame vary mitsirin'gne Filistina, da samy nodoroandreo gne vary nilagno sy gne vary nitsiry tegny an-tanimboly, niaraky tamin'gne tanim-boaloboka sy gne tanin'Oliva. 6 Nagnontany gne Filistina hoe: "Ia gne nagnano izao?" Nozakainy tamidreo hoe: "Samsona, gne vinanto lahin'gne Timnita, gne nagnano izao satria nangala gne vadin'i Samsona gne Timinita ary nagnome anazy ho an'gny namany." Da nandeha gne Filistina ary nandoro anazy sy gne rainy. 7 Ary Samsona nagnano tamindreo hoe: "Raha izany gne aninareo, da hamaly faty anareo iaho, ary refa vita izany, vao hijano iaho." 8 Ary notapatapahiny tame famonoa zakabe, gne valahany sy tsobendreo. Ary nidigny izy ka nipetraky tao agnaty lava-bato tao ame hantsan'i Etama. 9 Ary niakatry gne Filistina ka niomagny ho ame ady tagny Joda ary nananga gne tafiky indreo tagny Lehy. 10 Gne lehilahin'i Joda nijaka hoe: "Nahoa enareo gne niakatry hanafiky anay?" Hoy indreo hoe: "Manafiky ahay mba hahafahanay misambotry an'i Samsona, ary hagnano aminazy tahaka izay nataony taminay." 11 Ary nisy olon'i Joda telo arivo nidina tao ame lava-baton'gne hantsan'i Etama, ary nizaka tamin'i Samsona indreo hoe: "Moa ve enao tsy mahalala fa gne Filistina gne mpanapaky eo amintsika? Ino izao nanìnao taminay izao?" Namaly andreo i Samsona hoe: "Ze nanìndreo taminaha, da akô izany evao koa gne nanìko tamindreo." 12 Hoy indreo tamin'i Samsona: "Nidigny izahay mba hamehy anao sy hanolotry anao eo am-pelatagnan'gne Filistina. Ary Samsona niroho tamindreo hoe: "Mianiana amiko fa tsy enareo gne hamono anahy." 13 Hoy izy ireo taminy hoe: "Aeky, hamehy anao ame tady fotsiny iahay ary hanolotry anao eo amindreo. Mampanantena izahay fa tsy hamono anao." Da namehy anazy tame tady roy vaovao indreo ary nitondra anazy niakatry avy tao ame vato. 14 Refa avy tagny Lehy izy, da nihorakoraka gne Filistina raha vao nifanendriky taminazy. Avy taminazy tamin-kery gne Fagnahin'i Yaveh, tady teo ame sandriny da avy akô gne lamba rongony may, ka nilatsaky avy tegny ame tagnany. 15 Nahita valanoranon'ampondra vaovao i Samsona, ka nangala izany ary namono arivo lahy tamin'izany. 16 Ary Samsona nizaka hoe: "Tame valanoranon'ampondra gne namoniako arivo lahy, isan'antontany avy.'' 17 Refa tapitry gne tenin'i Samsona, da natoragny gne valanorano, ary nangiahany hoe Ramata Lehy gne toerana. 18 Nangetaheta mafy i Samsona ka nangaiky an'i Yaveh ary nizaka hoe: "Nagnome an'ity fandrese zakabe ity tame mpanomponao Enao. Kanefa androany kosa moa ve ho fatin'gne hetaheta iaho ka ho lavo eo an-tanan'gne izay tsy voafora?" 19 Nagnasaraky gne toerana foa izay tagny Lehy ka nisy rano niboaky. Refa nisotro izy, da nipody gne heriny ary velombelo indraiky izy. Koa nangiany hoe En-Hakore gne toerana, ary izany da agny Lehy mandrak'androany. 20 Nitsara an'Israely tagnatiny gne roapolo tao i Samsona tame andron'gne Filistina.