1 Nandeha tagny Gaza i Samsona ary nahita mpivaro-tegna tagny, ka niara-nandry taminazy izy. 2 Da nizaka gne Gazita hoe: "Tonga teto i Samsona." Nodidinin'gne Gazita gne toerana, nandigny anazy teo ame vavahadin'gne tanà tagnatiny gne aligny indreo. Nitagna gne fahanginagny tagnatiny gne aligny. Nizaka indreo hoe: "Avelay iahay handigny mandra-pahazavan'gne andro, ary avy eo apetrahy iahay hamono anazy." 3 Nijano teo am-pandria i Samsona mandram-pisasaky gne alingny. Tame sasak'aly da nifoha izy ary nobatainy gne vavahady sy gne tolàny roy. Nambotany niala tame tany gne hidiny sy gne rehetra napetrany teo ame sorokiny izany, ary nindesiny niakatry tagny an-tampon'gne havoa ireo, teo anoloan'i Hebrona. 4 Tafaran'izay, da nitia viavy iray izay nipetraky tagny an-dohasahan'i Soreka i Samsona, Delila gne agnarany. Avy teo aminazy gne mpanapak'gne Filistina, ary niroho taminazy hoe: "Fitaho Samsona mba hahita izay misy gne tanjakiny zakabe, sy gne fomba handresenay anazy, mba hahafahanay mifehy anazy hangala baraky anazy. Ataovy izany, da omenay tsirairay avy 1.100 sekely volafotsy enao." 6 Ary hoy i Delila tamin'i Samsona hoe: "Miangavy rô, zakao anahy gne mahatonga anao tena matanjaky, ary akognaia gne hahafahan'gne olo mamehy anao, ka ho voafehy enao? 7 Hoy i Samsona taminazy: "Raha fihezindreo ame tady vaovao fito izay tsy mbola natapy iaho, da lasa malemy iaho ary ho akô gne lehilahy aby." 8 Ary ninday tady vaovao fito izay tsy mbola nitapy ho an'i Delila gne mpanapak'gne Filistina, ary nofiheziny tamin'io Samsona. 9 Ary nana lehilahy mifiny mangy, izay niandry tao ame efitragnony agnatiny izy. Hoy izy taminazy hoe: "Eo aminao gne Filistina, ry Samsona!" Nefa notapahiny akô gne tadi-kofehy mikasiky afo ireo tady. Ka tsy fantatry izay tsiambaratelon'gne tanjakiny. 10 Ary hoy Delila tamin'i Samsona hoe: "Izao gne fomba namitahanao anahy sy nizakanao vandy aminaha. Miangavy rô, zakay anahy hoe akognaia gne hahafahana mandresy anao." 11 Hoy izy taminazy hoe: "Raha fatorandreo ame tady vaovao izay mbola tsy nampiasay ho ame asa iaho, da halemy iaho ary ho akô gne lehilahy aby." 12 Da nangala tady vaovao i Delila ary namehy anazy tamin'gne, sady nizaka taminazy hoe: "Eo aminao gne Filistina, ry Samsona!" Gne lehilahy niandry da tao agn'efitragnony agnatiny. Nefa notapahin'i Samsona akô gne potike taretry gne tady teo ame sandriny . 13 Hoy i Delila tamin'i Samsona hoe: "Hatramin'izao enao da mbola namitaka anahy ary nizaka vandy taminaha. Zakay anahy hoe akognaia gne mety handrese anao." Fa hoy i Samsona taminazy hoe: "Raha zairinao ao amin'ny lamba eo ame fanjaira gne vognan'gne voloko miisa fito, ary avy eo da fantsio eo ame fanjairana izany, da ho akô gne lehilahy agnaby iaho." 14 Raha natory izy, da nozairin'i Delila tame fanjaira gne foto-bolo fito tame volony ary namantsiky izany teo ame fanjaira izy, da hoy izy taminazy: "Eo aminao gne Filistina, ry Samsona!" Nifoha tame torimasony izy ary nambotany teo ame fanjaira gne lamba sy gne tsatoky. 15 Hoy izy taminazy hoe: "Akognaia gne hahafahanao miroho hoe: 'Tiako enao,' raha tsy hizara gne tsiambaratelonao amiko enao? Namitaky anahy intelo enao ary tsy nizaka taminaha gne nazahoanao izao tanjaky zakabe izao." 16 Isan'andro da nandetry anazy mafy tamin'gne rohony raviavy, ary nandetry anazy mafy gne mba hagniriany ho faty. 17 Da nozakain'i Samsona taminazy gne raha agnaby ary hoy izy taminazy hoe: "Mbola tsy notapahy tame hety mihintsy gne volon-dohako, satria iaho da Nazirita ho an'Andriamanitra latagny an-kibon-dreniko. Koa raha harata gne lohako, da hiala aminaha gne heriko, ary halemy iaho ka ho akô lehilahy hafa aby." 18 Refa hitan'i Delila fa nizaka gne marina momba gne raha agnaby taminazy izy, da nandefa sy nangaiky gne mpanapak'gne Filistina izy, nagnano hoe: "Miakara indraiky, fa efa nozakainy taminaha gne raha agnaby." Da nandeha aminazy gne mpanapak'gne Filistina, ninday gne volafotsy tegny an-tagnandreo. 19 Nanìny azotory teo ame tsobeny izy. Nangiany lehilahy raiky mba hagnaratry gne vogny fito teo ame lohany izy, ary nanomboky nandresy anazy izy, satria niala taminazy gne heriny. 20 Ary hoy izy hoe: "Eo aminao gne Filistina, ry Samsona!" Nifoha taminazy torimasony izy ary niroho hoe: "Hivoaky akô gne fotoa hafa iaho ary hagnetsiky malalaky gne tegnako." Nefa tsy lalany fa efa niala taminazy i Yaveh. 21 Nisambotry anazy gne Filistina ary nagnafôky gne masony. Ninday anazy nidigny tagny Gaza indreo ary namehy anazy tame rojo varahy. Namaringary gne fikosoam-bary tagny am-pigadra izy. 22 Fa nipody nitsiry indraiky gne volo teo ame lohany tafaran'gne nagnarata izany. 23 Niara-nivory gne mpanapak'gne Filistina mba hanolotry soro zakabe ho an'i Dagòna andriamanitrindreo, ary hifaly. Hoy indreo hoe: "Nandresy an'i Samsona fahavalontsika gne andriamanitritsika ary nametraky anazy teo ampelan-tagnantsika izy." 24 Refa nahita anazy gne vahoaky, da nidera gne andriamanitrindreo, satria hoy indreo hoe: "Efa nandresy gne fahavalontsika gne andriamanitritsika ary nagnome anazy ho antsika—gne mpandrava gne tanànantsika, izay namono gne maro tamintsika." 25 Refa nankalaza indreo, da hoy indreo hoe: "Angeho i Samsona, mba hampihomehy antsika." Nangaiky an'i Samsona hivoaky tranomaizina indreo da nampihome andreo. Nanìndreo nitsanga teo agnelagnelan'gne andry izy. 26 Hoy i Samsona tamin'gne marao izay nitantagny gne tagnany hoe: "Avelao iaho mba hikasika gne andry izay manohana gne tragno zakabe, mba hahafahako mitambesatry amin'ireo. 27 Ary feno lelahy sy viavy gne tragno. Tao aby gne mpanapak'gne Filistina agnaby. Teo ame telo arivo teo ho eo gne lehilahy sy vehivavy teo an-tafon-trano, izay nagnety an'i Samsona nampiala voly andreo. 28 Nangaiky an'i Yaveh Samsona, ary nagnano hoe: "Tompo Yaveh, tsarovy iaho! Miangavy rô hatanjaho iaho amin'ity indraiky mitoraky ity evao, ry Andriamanitra, mba hahafahako mamaly indraiky mandeha gne Filistina gne ame nangalany gne masoko roy" 29 Notazomin'i Samsona gne anakandry roy teo afovoany izay nanohana gne fototry zakabe, ary niankina teo amin'ireo izy, gne anakandry raiky tame tagnany havana, ary gne raiky tame tagnany havia. 30 Hoy i Samsona hoe: "Avelay iaho ho faty miaraky amin'gne Filistina!" Namoaky gne heriny izy ka nianjera teo ame mpanapaky sy teo amin'gne olo agnaby izay tao agnatin'izany gne fagnorena zakabe. Ka gne maty izay novonoiny tamin'izy maty da mihoatry noho ireo izay novoniny tagnatiny gne fiaignany. 31 Ary nidigny gne rahalahiny sy gne ankohonan-drainy agnaby. Nangala anazy indreo, ninday anazy nipody ary nandevy anazy teo agnelagnelan'i Zora sy Estaola tagny ame toeram-pandevegna an'i Manoa, rainy. Nitsara an'i Israely tagnatiny gne roapolo taona i Samsona.