1 Nisy lelahy raiky tagny ame tany havoan'i Efraima, ary Mika gne agnarany. 2 Hoy izy tame reniny: ''Ny sekely volafotsy 1.100 izay nalay taminao, mahakasiky gne ozona noresahinao, izay reko__ka ity! Mana volafotsy iaho aty aminaha. Iaho gne nangalatry izany.'' Da hoy gne reniny: ''Ho tahian'i Yaveh anie enao, ry zanako!'' 3 Napodiny tagny ame reniny gne sekely volafotsy 1.100 ary hoy gne reniny taminazy: ''Hatokako ho an'i Yaveh ity volafotsy ity, fa hagnamboatry sarin-draha voasokitry sy sarin-draha an'idina gne zanako lahy. Ka ankehitriny, da averiko aminao ity.'' 4 Refa naveriny tame reniny gne vola, da nangala sekely volafotsy roanjato gne reniny ary nomeny gne mpanefy vy izay nagnano ireo ho sarin-draha voasokitry sy an'idina izany, ary napetraky tao an-tranon'i Mika ireo. 5 Ilay lehilahy hoe Mika da nana tranon-tsampy ary nagnamboatry efoda sy tokantranon'gne andriamanitra izy, ary nagnakarama raiky tamin'gne zanany lahy izy mba ho lasa mpisorony. 6 Ary tamin'ireo andro ireo da tsy nisy mpanjaka tagny Israely, ary nagnano izay marina teo imasony gne olo agnaby. 7 Ary nisy zatovo lahin'i Betlehema raiky tagny Joda, avy ame fianakavian'i Joda, izay Levita. Nijano tagny izy mba hagnano gne adidiny. 8 Niala tao Betlehema tao Joda ralehilahy mba handeha ary hitady toera hidoboha. Refa nandeha izy, da avy tagny an-dragnon'i Mika tagny ame tany havoan'i Efraima. 9 Da hoy Mika taminazy: ''Avy aia gne fiavianao?'' Ary hoy ralehilahy taminazy: ''Levita an'i Betlehema tao Joda iaho, ary nandea iaho mba hitady toera izay mety hodiaako.'' 10 Da hoy i Mika taminazy: ''Mijanona eto aminaha, ary aoka enao ho ray sy ho mpisorona ho anahy. Homeko sekely volafotsy folo isan-tao, siky fitafy, ary gne haninao enao.'' Koa da niditry tao an-dragnony gne Levita. 11 Da nahafaly an'gne Levita gne hidoboky miaraky amin-dralehilahy, ary ho an'i Mika da lasa akô gne raiky amin'gne zanany lahy gne tovolahy. 12 Natokan'i Mika ho an'gne adidy masy gne Levita, ary lasa mpisorony gne tovolahy, ary tao an-dragnon'i Mika. 13 Ary hoy i Mika: ''Fantako androany fa hagnano soa ho ahy i Yaveh, satria lasa mpisoroko ity Levita ity.''