Toko Faha 18

1 Tamin'izany andro izany da mbola tsy nisy mpanjaka tao Israely. Nitady faritry hidoboha gne fokon'gne taranak'i Dana, satria tamin'izany andro izany da tsy nahazo lova tamin'gne fokon'Israely mihitsy indreo. 2 Nagniraky lehilahy dimy tamin'gne olo maro be tao ame fokondreo gne vahoakan'i Dana, lelahy izay mpiady efa za-draharaha avy amin'i Zora sy Estaola, mba handeha hijodijody an-tongotry ame tany, ary hagnety izany. Hoy indreo tamindreo hoe: "Mandehana ka iteo gne tany." Avy tagny ame tany havoan'i Efraima indreo, tagny ame tranon'i Mika, ka nijano tao indreo gne aligny. 3 Refa nagnakeky gne tranon'i Mika indreo, da nahafantatry ngne firesak'ilay zatovo Levita. Koa da nijano indreo ary nagnontany anazy hoe: "Ia gne ninday anao taty? Ino gne anìnao aty amin'ity toera ity? Nagnino etoa enao?" 4 Hoy izy tamindreo hoe: "Izao gne nanìn'i Mika tamiko: Nokaramainy ho lasa mpisorony iaho." 5 Hoy indreo taminazy hoe: "Mba agnontanio moa gne hevitr'Andriamanitra, mba hahalalanay raha hanjary gne dia izay hombanay." 6 Hoy gne mpisorona tamindreo hoe: "Mandehana am-piadagna. Hitariky anareo ame lala tokony handehananareo i Yaveh.'' 7 Ary lasa gne lehilahy dimy ka avy tao Laisy, ary nahita indreo fa niagny am-piadagna gne vahoaky, akô gne fomba niaignan'gne Sidoniana, tsy voakoronta sy voaaro. Tsy nisy nagnandevo na nampijaly andreo tame fomba agnaby tao amin'gne tany. Nipetraky lavitry an'gne Sidoniana indreo ary tsy nana fifandraisa tamin'ia na ia. 8 Nipody tagny ame fokony any Zora sy Estaola indreo. Da nagnontany andreo gne havany hoe: "Ino gne tatitrareo?'' 9 Hoy indreo hoe: "Avia! Andao hanafika andreo! Efa hitanay gne tany ary tena tsara izany. Tsy hagnano na ino na ino ve enareo? Aza mitarendre hanafiky sy hangala gne tany. 10 Refa mandeha enareo, da ho avy agny ame vahoaka izay mihevitry fa tsy manana ahiahy indreo, ary malaky gne tany! Nomen'Andriamanitry anareo izany—da toera raiky izay tsy ahita tsy fahampia ao amin'gne tany." 11 Nisy eninjato lahy avy ame fokon'i Dana, mitàzo fitaovam-piadia, nivoaky avy tagny Zora sy Estaola. 12 Niakatry indreo ary nitoby tao Kiriata-jearima, ao Joda. Izany gne antony hiantsoan'gne olo io toera io hoe Mahane-dana mandrak'androany; ao andrefan'i Kiriata-jearima izany. 13 Niala tao nandeha ame tany havoan'i Efraima indreo ary avy tao ame tragnon'i Mika. 14 Da hoy gne lehilahy dimy izay nandeha mba hijodijody tagny ame firenen'i Laisy tamin'gne havany hoe: "Lalanareo ve fa ato amin'itoa tragno itoa da misy efoda, terafima, sarin-drava voasokitry, ary sarin-draha an'idina? Koa manapaha hevitry androany gne amin'izay ho ataonareo." 15 Koa nivily tao indreo ary avy tagny ame tragnon'gne marao Levita, tao an-dragnon'i Mika, ary nagnotsafy azy indreo. 16 Ary ireo Danita eninjato, nana fitaovam-piadia, da nitsanga teo ame fidiran'gne vavahady. 17 Ireo lehilahy dimy izay nandeha hisafo gne tany da negnagny ary nangala gne sarin-draha voavany, gne efoda, gne terafima, ary gne sarin-draha an'idina, raha nijoro teo ame fidira eo ame vavahady niaraky tame lehilahy eninjato minday fitaovam-piadia gne mpisoro. 18 Refa nandeha ame tragnon'i Mika ireo ka nangala gne sary an'idina, efoda, gne andriamanitriny gne tokantrano, ary gne sarin-ndraha voasokitry, da hoy gne mpisoro tamindreo hoe: "Ino izao ataonareo izao?" 19 Hoy indreo taminazy hoe: "Misigna! Ataovy eo ame vavanao gne tananao ary andao hiaraky aminay, ary ho rainay sy mpisoronay enao. Tsara kokoa ho anao ve gne ho mpisorona ho an'gne tranon'gne lehilahy raiky, sa mpisorona ho an'gne foko raiky sy fianakaviam-be raiky ao Israely?" Faly gne fon'gne mpisorona. 20 Nalainy gne efoda, ireo terafima, sy gne sarin-draha voasokitry, ary lasa nagnaraky gne vahoaky izy. 21 Da nitodiky indreo ary lasa. Nanìndreo teo alohany gne zaza madiniky, mitovy am'izay koa gne biby fiompy sy gne fanagnandreo. 22 Refa lavitry tsara gne tragnon'i Mika indreo, da niara-nangiany gne lehilahy izay tao amin'gne tragno akaikin'gne tragnon'i Mika, ary tratry niaraky tamin'gne Danita indreo. 23 Nangaiky mafy gne Danita indreo, da nitodiky indreo ary nizaka tamin'i Mika hoe: "Nahoa enareo no niara-nangaiky?" 24 Hoy izy hoe: "Nangalarinareo gne andriamanitra izay namboariko, nalainareo gne mpisoroko, ary lasa enareo. Ino gne sisa tapetraky ho anahy? Akognaia gne hahafahanareo magnontany anahy hoe: 'Ino gne mahory anao?'" 25 Hoy gne vahoakan'i Dana taminazy hoe: "Tsy tokony hamela anay handre izay zakainao agnaby enao, raha tsy izany da hisy olo vignitry mafy hanafiky anao, ary ho vonoy enao sy gne fianakavianao." 26 Ary nanohy gne lalany gne vahoakan'i Dana. Refa hitan'i Mika fa matanjaky loatra ho anazy indreo, da nivily izy ary nipody tagny an-dragnony. 27 Nalain'gne vahoakan'i Dana izay nanìn'i Mika, akô izany gne mpisorony, ary avy tao Laisy indreo, tagny ame vahoaky izay tsy voaelingeligny sy tsy mana ahiahy ka namono andreo tame sabatry indreo ary nandoro gne tanà. 28 Tsy nisy ndre ia ndre ia nanavotry andreo satria lala lavitry an'i Sidona izany, ary tsy nana fifandraisa tamin'ia na ia indreo. Tagny ame lohasaha izay akaikin'gne Beti-rehoba izany. Nagnapody nananga gne tanà ireo Danita ka nidoboky tao. 29 Nomendreo gne agnara hoe Dana gne tanà, agnaran'i Dana razambendreo, gne raiky amin'gne zanaky lahin'Israely. Fa Laisy gne agnara nahazatry an'gne tanà. 30 Natokan'gne vahoakan'i Dana ho anandreo gne sarin-ndraha voasokitry. Jonatana zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy, izy sy gne zanany lahy da samy mpisoron'gne fokon'gne Danita nanomboky gne andro nahazaoa gne tany. 31 Ary da nanompo gne sarin-draha voasokitry izay namboarin'i Mika indreo tagnatiny gne fotoa naha-tao Silo gne tragnon'Andriamanitra.