Toko Faha 19

1 Tamin'izany andro izany, refa tsy nisy mpanjaka tao Israely, da nisy lehilahy raiky, Levita, nivahiny tagny ame faritry lavitra indrindra tame tany havoan'i Efraima. Nangala viavy ho anazy izy, vaditsindrano avy agny Betleheman'i Joda. 2 Nefa tsy tokam-po taminazy gne vaditsindranony; niala anazy raviavy ary nipody tagny an-dragnon-drainy tagny Betleheman'i Joda. Nijano tagny efa-bola izy. 3 Ary niarigny gne vadiny mba handresy lahatry anazy hody. Niaraky taminazy gne mpanompony, sy gne ampondra roy. Da nindesiny tagny an-dragnon-drainy izy. Refa nahita anazy gne rain'gne zazaviavy, da faly izy. Gne rafozan-dahiny, 4 gne rain'gne zazaviavy, da nandresy lahatry anazy mba hijano telo andro. Nisakafo sy nisotro indreo, ary nandany gne aligny tao. 5 Nifoha aloha indreo tame andro faha efatry, ary nioma gne handeha izy, kanefa gne rain'gne zazaviavy nizaka tame vinanto lahiny hoe: "Tohagno ame mofo aloha gne tegnanao, da mahazo mandeha enareo avy eo." 6 Da nidoboky izy roy ka niara-nihina sy nisotro. Ary hoy gne rain'gne zazaviavy hoe: "Mba maneke handany gne aligny ary mifalia." 7 Refa nifoha mba handeha gne Levita, da nanery anazy hijano gne rain'gne zatovovavy, nagnova gne drafiny izy noho izany ary nandry tao indraiky. 8 Tame andro fahadimy da nifoha aloha mba hanainga izy, fa gne rain'gne zazaviavy nizaka taminazy hoe: "Tohano aloha gne tegnanao, ary mandignasa mandra-pihilan'gne andro." Ary da nisakafo izy roy. 9 Refa niarigny mba hanainga gne Levita sy gne vadintsindranony ary gne mpanompony, da nizaka taminazy gne rafozan-dahiny, gne rain'gne zazaviavy hoe: "Efa mandroso miha hariva gne andro. Mijanòna rô androany hariva, ary mifalia. Afaky mifoha aloha enareo omara ary mandeha mody." 10 Fa gne Levita tsy vonogny gne handry. Niarigny izy ary nandeha. Niroso nandeha agny Jebosa izy (Jerosalema izany). Nana ampondra nisy lasely roy izy—ary niaraky taminazy gne vadintsindranony. 11 Refa narikitry an'i Jebosa indreo, da efa nadiva hifaragny gne andro, ary gne mpanompo nizaka tame tompony hoe: "Andao, andeha isika hivily ao an-tanànan'gne Jebosita ary hatory ao amin'izany." 12 Hoy gne tompony taminazy hoe: "Tsy hivily ame tanàn'gne vahiny izay tsy akôtin'gne vahoakan'i Israely isika. Handroso ho agny Gibea isika." 13 Gne Levita nizaka tamin'gne tovolahiny hoe: "Aska, handeha isika ho agny ame raiky amin'gne toera hafa, ary handany gne aligny agny Gibea na Rama." 14 Da nandroso indreo, ary nilentiky gne masoandro raha nagnakeky an'i Gibea indreo, ao ame faritanin'i Benjamina. 15 Nivily tao indreo ary natory tao Gibea. Nandeha indreo ary nidoboky teo an-kianjan'gne tanà, fa tsy nisy olo ndre raiky nampiantragno andreo gne aligny. 16 Fa avy eo da nisy lehilahy antitry raiky nody avy niasa tagny an-tonda igny hariva igny. Avy agny ame tany havoan'i Efraima izy, ary nivahiny tao Gibea. Nefa gne olo nipetraky teo amin'gne toera da Benjamita. 17 Namoha gne masony izy ary nahita gne mpandeha avy lavitry teo an-kianjan'gne tanà. Hoy igny lahy antitry igny hoe: "Hegnaia enareo? Ary avy taia gne fiavianareo?" 18 Ilay Levita nijaka taminazy hoe: "An-dala avy agny Betleheman'i Joda ho agny ame faritry lavitry ame tany havoan'i Efraima, izay niaviako iahay. Nandeha tagny Betleheman'i Joda iaho, ary handeha ho agny an-dragnon'i Yaveh, nefa tsy hisy olo hampiantragno anahy. 19 Mana sasangitry sy hany ho an'gne ampondranay iahay, ary misy mofo sy divay ho anahy sy ho an'gne mpanompo viavinao aty, ary ho an'gne tovolahinao miaraky amin'gne mpanomponao.Tsy misy zava-mahory anay.'' 20 Da niarahaba andreo igny lahy antitry igny hoe: "Ho aminareo gne fiadagna! Iaho gne hiantoky gne tognotognonao agnaby. Fa aza mandry eto an-kianja fotsiny." 21 Ka da nentin'gne lehilahy tagny an-dragnony gne Levita ary nomeny sakafo gne ampondrany. Nanasa gne tongony indreo ary nihina sy nisotro. 22 Raha mbola nampifaly gne fony indreo, da nisy lehilahy maromaro tao an-tanà, lehilahy tsy mendriky, nagnodidy gne tragno, namango gne varangara. Nizaka tamin'gne lahy antitry, gne tompon-tragno indreo, nagnano hoe: "Avoahy gne lehilahy izay tonga ao an-dragnonao, fa hiara-mandry aminazy izahay." 23 Nijotso gne lehilahy, tompon-tragno, ary nizaka tamindreo hoe: "Aeky, ry rahalahiko, ka magnano izao zava-dratsy izao tompoko! Satria vahiny ato an-dragnoko io lehilahy io, ka aza magnano izao zava-pady izao! 24 Ka, ato gne zanako viavy virijiny sy gne vaditsindranony. Mamèla anahy hitondra andreo hijotso izao. Haolano sy amboary amindreo izay tianareo atao aminazy. Fa ka magnano zava-pady akô izany amin'io lehilahy io!" 25 Kanefa tsy niteno anazy ireo lehilahy, ka da nosamborin'ilay lehilahy gne vaditsindranony ary najotsony teo amindreo izy. Nisambotry anazy indreo, nagnolaky anazy, ary nagnararaotry anazy tagnatiny gne aligny, ary navelandreo handeha izy raha nangiran-dratsy. 26 Refa nangiran-dratsy da avy raviavy ary nidaboky teo am-barangaran'gne tranon'gne lehilahy izay nisy gne tompony izy, ary da nitsilagny teo izy mandra-pahazavan'gne andro. 27 Nifoha gne tompony refa mandray ary namoha gne varangaran'gne tragno ka nijotso hanohy gne lalany. Nahita gne vadin-tsindranony niampatry teo am-barangara izy, ary gne tagnany teo an-tokonam-barangara. 28 Da hoy ilay Levita taminazy hoe: "Mifohaza, asaka isika handeha." Nefa tsy nisy namaly. Nasampiny teo ame ampondra izy, ary niainga hody agny aminazy ilay lehilahy. 29 Refa avy tagny an-dragnony ilay Levita, da nangala antsy izy, ary nalainy gne vaditsindranony, ary notetehiny, isam-pamavanin-taolana, ho roy amby folo tetiky, ary nampitondra izany nagnera gne Israely agnaby. 30 Izay nahita agnaby izany da nizaka hoe: "Raha mbola tsy nisy nagnano na nahita hatramin'gne andro niakaran'Israely avy agny ame tany Egypta mandrak'androany izao. Diniho izany! Toroy hevitry izahay! Zakay anay izay tokony hanÿ!"