Toko Faha 20

1 Ary nivoaky toy gne olo ray gne olon'Israely, avy agny Dana ka hatragny Beri-sheba, anisan'izany evao koa gne tanin'i Gileada, ary niara-nivory teo agnatrehan'i Yaveh tagny Mizpa indreo. 2 Gne lehiben'i vahoaky agnaby, gne fokon'Israely agnaby, nandray gne toerandreo tao ame fiangonan'gne vahoakan'Andriamanitra—lehilahy 400.000 mandeha tongotry, izay vonona hiady ame sabatry. 3 Ary ren'gne olon'i Benjamina fa niakatra tagny Mizpa gne vahoakan'Israely. Gne olon'Israely nizaka hoe: "Lazao anay hoe ahoana no nahatonga izao zava-dratsy izao." 4 Ilay Levita, vadin-draviavy raiky izay novonoina, namaly hoe: "Nandeha tagny Gibea agny ame faritry izay an'i Benjamina iaho, iaho sy gne vaditsindranoko, mba handany gne aligny. 5 Tagnatiny gne aligny, da nanafiky anahy gne mpitarik'i Gibea, nagnodidy ilay tragno ary nisinisiniky gne hamono anahy. Nosamboriny sy naolakindreo gne vaditsindranoko, ka maty izy. 6 Nalaiko gne vaditsindranoko ary notapatapahiko gne vatany, ary nalefako tagny ame faritry gne lovan'Israely tsiraidraiky ireo, satria namboatry faharatsia sy fanafintohigna akô izany tagny Israely indreo. 7 Androany, enareo Israelita agnaby, omeo gne hevitrareo ary magnambara hevitra etoana.'' 8 Niara-nitsanga akô gne olo raiky gne vahoaka agnaby, ary hoy indreo hoe: "Tsy hisy aminay handeha ame lainy, ary tsy hisy aminay hiverina ao an-dragnony! 9 Fa androany kosa da izao no tsy maintsy ataontsika an'i Gibea: hanafiky anandreo araky gne hitarihan'gne filokana antsika isika . 10 Hangala lehilahy folo ame zato magnera gne fokon'Israely agnaby isika, sy zato ame arivo, ary arivo ame ray alina, mba haka vatsy ho an'ireo olo ireo, ka refa avy agny Gibea agny Benjamina indreo, da hosaziana ame ratsy izay nanìndreo tagny Israely." 11 Noho izany da vory hanohitry gne tanà, akô gne olo raiky, gne miaramilan'Israely agnaby. 12 Nandefa lehilahy tagny ame fokon'i Benjamina gne fokon'Israely, nilaza hoe: "Ino izao ratsy nataonareo teo aminareo izao? 13 Noho izany, omeo anay ireo lehilahy ratsy fagnahy agny Gibea ireo, mba hahafahanay mamono ho faty andreo, ary mba hangalanay tanteraky izany ratsy izany amin'i Israely." Fa i Benjamina da tsy te-handre gne zakan'ireo rahalahiny, ireo olon'Israely. 14 Ary niara-nivoaky gne tanà gne olon'i Benjamina mba hivonona hiady ame olon'Israely. 15 Ary niara-nindesy avy tao ame tanàndreo gne olon'Israely mba hiady ame miaramila enina arivo sy roy aly izay efa voaofana hiady ame sabatry. Ankoatr'izay, da nisy lehilahy fitonjato voafidy avy amin'gne mponin'i Gibea. 16 Teo amin'gne miaramila agnaby da nisy lehilahy fito arivo voafidy izay kavia. Gne tsiraidraiky tamindreo da mahavita mitoraky singam-bolo ame vaton'gne pilotry ka tsy mivena. 17 Gne vahoakan'Israely, raha tsy isay gne avy amin'i Benjamina, da miisa 400.000 olona, izay voaomana hiady ame sabatry. Izy agnaby io da lehilahy mpiady. 18 Nitsanga gne olon'Israely, nandeha tagny Betela, ary nangataky torohevitry tamin'Andriamanitry; Nagnontany indreo hoe: "Ia gne hanafiky voalohany an'gne olon'i Benjamina ho anay?" ary Yaveh nilaza hoe: "Joda gne hanafiky voalohany." 19 Nifoha mandray gne olon'Israely ary namindra gne tobiny akaikin'i Gibea. 20 Niakatry hiady amin'i Benjamina gne olon'Israely. Nametraky gne toera ame ady tany Gibea indreo. 21 Nivoaky avy agny Gibea gne olon'i Benjamina, ary namono lehilahin'gne tafik'Israely roy arivo sy roy aly tam'izany andro izany. 22 Fa nampahery tegna gne olon'Israely ary namorogny filahara teo amin'gne toera izay nilaharandreo tame andro voalohany indreo. 23 Ary niakatry gne olon'Israely ka nitomany teo agnoloan'i Yaveh mandra-pahariva gne andro indreo, ary nitady lala tamin'i Yaveh indreo. Hoy izy ireo hoe: "Moa ve tokony handeha hiady amin'gne rahalahinay izahay, gne olon'i Benjamina?" Ary Yaveh nizaka hoe: "Tafiho indreo!" 24 Ka nandeha nanohitry ireo miaramilan'i Benjamina ireo olon'Israely gne andro faharoy. 25 Tame andro faharoy, da nivoaky nanohitry andreo tagny Gibea i Benjamina ary namono lehilahy valo arivo sy ray aly avy tame olon'Israely. Izy agnaby da lehilahy voaoma hiady ame sabatra. 26 Da nandeha niakatry ho agny Betela agnaby ireo miaramilan'Israely sy gne vahoaka agnaby ka nitomagny, ary nidoboky teo agnoloan'i Yaveh tany izy ireo ary nifady hany mandra-pahariva tamin'izany andro izany ary nanolotry fagnatitry dorana sy fagnati-pihavana teo agnatrehan'i Yaveh. 27 Nagnontany an'i Yaveh ireo olon'Israely—satria tagny gne fiaran'gne faneken'Andriamanitra tamin'izany andro izany, 28 ary nanompo teo agnatrehan'gne fiara i Fineasy zanak'i Eliazara zanaka lahin'iArona tamin'izany andro izany—"Tokony hivoaka hiady ame olon'i Benjamina, rahalahinay, indray mandeha koa ve izahay sa hijanona?" Hoy Yaveh hoe: "Tafiho, satria hanampy anareo handresy andreo Aho rahampitso." 29 Koa da nametraky olo tagny ame toera mifiny nagnodidy an'i Gibea i Israely. 30 Niady tamin'ireo olon'i Benjamina ireo olon'Israely tame andro fahatelo, ary nametraky gne filaharan'ady nanohitry an'i Gibea indreo araky izay efa nanìny teo aloha. 31 Nandeha ka niady tamin'ireo vahoaky gne olon'i Benjamina, ary voaroaky niala gne tanà indreo. Nanomboky namono gne sasany tamin'gne vahoaka indreo. Teo ame olon'Israely telopolo teo no maty tany an-tsaha sy tegny an-dala. Gne raiky tamin'ireo lala da niakatry nandeha agny Betela, ary gne raiky hafa da nandeha agny Gibea. 32 Da hoy gne olon'i Benjamina hoe: "Resy indreo ary nilefa lavitry antsika, akô gne tame voalohany evao." Saingy hoy gne miaramilan'Israely hoe: "Aska isika higodogodoky hipody ka handroaky andreo hiala ame tanà ho egny an-dalana." 33 Da nitsanga avy teo ame toitrindreo gne olon'Israely agnaby ary nagnano filaharan'ady tagny Bala-tamara. Da nihazakazaky nivoaky avy tao ame fitoerany gne miaramilan'Israely izay nifiny tao ame toera fifinia tao Mare-gibea. 34 Da nisy lehilahy voafantigny ray alina avy agny Israely nivoaky hanohitra an'i Gibea, ary namaivay gne ady, fa tsy nahalala ireo Benjamita fa nananontanona andreo gne loza. 35 Nandresy an'i Benjamina teo agnoloan'Israely i Yaveh. Tamin'izany andro izany, da nahafaty olon'i Benjamina 25.100 gne miaramilan'Israely. Gne maty da gne izay efa vaomagny hiady ame sabatra. 36 Ary hitan'ireo miaramilan'i Benjamina fa resy indreo. Nagnome lala an'i Benjamina gne olon'Israely, satria nahatoky gne olo izay napetrakindreo tagny ame fitoera nifiny tany ivelan'i Gibea indreo. 37 Da nitsanga gne lehilahy nifiny ka nirifatry tagny Gibea nalaky, ary tame sabatrindreo gne namonoany gne olo agnaby izay nonina tao an-tanà. 38 Gne famantara nifagnaraha teo amin'gne miaramialan'Israely sy gne lehilahy nifiny mangingy da hisy rahon-tsetroka zakabe hiakatry avy ao an-tanà. 39 Refa lasa gne famantarana da nilavo lefo tame ady gne miramilan'Israely. Ary nanomboky nanafiky i Benjamina ka nahafaty olon'Israely magnodidy gne telopolo, ary hoy indreo hoe: "Azo antoka fa resy eo agnatrehantsika indreo, akô gne tame ady voalohany." 40 Refa nanomboky nisy andrin-drahona nivoaky avy tao ame tanà, da nitodiky gne Benjamita ka nahita setroky niakatry gne lagnitry avy eo ame tanà manontolo. 41 Da nivadiky tamindreo gne olon'Israely. Raiki-tahotry gne lehilahin'i Benjamina, fa hitandreo fa avy tamindreo gne loza. 42 Noho izany da nilefa an'gne olon'Israely indreo, nilefa tagny ame lala mandeha an'efitra. Nefa nahatratry andreo gne ady. Nivoaky gne tanà gne miaramilan'Israely ka nahafaty andreo tegny amin'izay nitsanganany. 43 Nihodidy an'gne Benjamita indreo, nagnano haza-lambo andreo ary nanosiosy andreo tagny Noaha, tagny ame lalan'gne ilany antsinanan'i Gibea. 44 Valo arivo sy ray aly gne olo maty avy tao ame fokon'i Benjamina, gne akamaroandreo da lehilahy niavaky tame ady. 45 Nihodigny indreo ary nandositry nizotry nandeha an'efitra tagny ame vatolampin'i Rimona. Nahafaty olona dimy arivo hafa tamindreo gne Israelita tegny an-dala. Nagnia andreo evao indreo, ary nagnaraky andreo akaiky tagny an-dala nandeha agny Gidoma, ary tagny gne namonoandreo olo roy arivo fagnampiny. 46 Dimy arivo sy roy aly gne miaramilan'i Benjamina rehetra lavo tamin'izany andro izany—da lehilahy izay voaomagny hiady ame sabatry; izy agnaby da niavaky tame ady. 47 Nefa lehilahy eninjato gne nihodigny ka nilefa tagny an'efitra, nandeha ame vatolampin'i Rimona. Nidoboky tagny ame vatolampin'i Rimona tagnatiny gne efa-bola indreo. 48 Nipody hanohitry gne olon'i Benjamina gne miaramilan'Israely ary nanafiky sy namono andreo—gne tanà agnaby, gne biby fiompy, ary gne agnaby izay hitandreo. Nodoroandreo evao koa gne tanà agnaby tegny ame lalandreo.