Toko Faha 21

1 Ary gne lehilahin'Israely nagnano fampagnantegna tao Mizpa hoe: "Tsy hisy amintsika hagnome gne zanany vavy hanambady Benjamita." 2 Da nandeha agny Betela gne vahoaky ka nidoboky tagny teo agnatrehan'Andriamanitry hatramin'gne hariva, ary nitomagny mafy tame feo abo indreo. 3 Hoy indreo nangaiky mafy: "Nahoa, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, gne da niboaky tame Israely izao, ka tsy ho eto aminay koa gne raiky amin'gne fokonay ankehitriny?" 4 Nifoha mandray gne vahoaky gne amarain'igny ka nananga alitara teo ary nanolotry fagnatitry doroa sy fagnati-pihavana. 5 Hoy gne vahoakan'Israely hoe: "Iza tamin'gne fokon'Israely gne tsy niakatry tao ame fiangona tagny amin'i Yaveh?" Satria nagnano fampagnantegna zakabe tokoa indreo mahakasiky gne olo izay tsy niakatry teo amin'i Yaveh tagny Mizpa. Hoy indreo hoe: "Tena hovonoy ho faty izy.'' 6 Nana fangoraham-po tamin'i Benjamina rahalahindreo gne vahoakan'Israely. Hoy indreo hoe: "Voafongotry tsy ho eo ame Israely gne foko raiky ankehitriny. 7 Iza gne hagnome vady gne sisa tavela, satria efa nagnano fampagnantegna tamin'i Yaveh isika fa tsy hamela andreo hanambady gne zanantsika viavy?" 8 Hoy indreo hoe: "Iza tamin'ireo fokon'i Israely gne tsy niakatry tagny amin'i Yaveh tagny Mizpa?" Fantatry fa tsy nisy olo avy tao ame fiangona gne avy tagny Jabesy Gileada. 9 Fa refa niainga tame fomba nirindra gne vahoaky, da tsy nisy avy teo gne mponin'i Jabesy Gileada. 10 Nagniraky roy arivo sy ray aly tamin'gne lehilahy be herim-po indrindra miaraky ame toromariky gne fiangona mba handeha agny Jabesy Gileada ka hanafika andreo, ary hamono andreo, eny fa ndre da gne zaza amam-biavy aza. 11 "Izao gne ataovy: tsy maintsy vonoinareo gne lehilahy agnaby sy gne viavy agnaby izay efa niara-nandry tame lehilahy." 12 Nahita tovovavy efajato izay mbola tsy niara-nandry tame lehilahy tamin'gne velo tao Jabesy Gileada gne lehilahy, ka nendesindreo tagny an-toby tagny Silo, tagny Kanàna indreo. 13 Nandefa hafatry tamin'gne vahoakan'i Benjamina izay tagny ame harambaton'i Rimona gne fiangona agnaby fa nanolotry fihavana ho anazy ireo indreo. 14 Nipody tam'izany andro izany gne Benjamita ary nome andreo gne viavin'i Jabesy Gileada, nefa tsy ampy ho anazy agnaby gne viavy. 15 Nanenina tamin'izay nitranga tamin'i Benjamina gne vahoaky, satria nozarazarain'i Yaveh gne fokon'Israely. 16 Da hoy gne mpitariky gne fiangona hoe: "Hanìntsika akognaia gne hagnomeza vady ho an'gne Benjamita izay sisa tavela, satria efa novonoina gne viavin'gne Benjamina?" 17 Hoy indreo hoe: "Tsy maintsy misy lova ho an'ireo sisa velon'i Benjamina, mba tsy hisy foko voaringana ame Israely. 18 Tsy afaky magnome vady avy amin'gne zanakay viavy ho andreo izahay, satria nagnano fampagnantegna gne vahoakan'Israely hoe: 'Voaozo izay magnome vady an'i Benjamina.'" 19 Da hoy indreo hoe: "Fantatrareo fa isan-tao da misy andro firavoravoa ho an'i Yaveh agny Silo (avaratr'i Betela, atsignanan'gne lala miakatry avy agny Betela mankany Sekema, ary atsimon'i Lebona)." 20 Nandidy gne lehilahin'gne Benjamina indreo, nagnano hoe: "Mandehana ka mifinia ary miandrasa ao ame tanim-boaloboky. 21 Miandrasa gne fotoa izay hivoahan'gne zazaviavy avy agny Silo handihy, da mivoaha malaky avy ao ame tanim-boaloboky ka misambora vady avy amin'gne zazavavy avy agny Silo gne tsirairay avy aminareo, avy eo da miveregna agny ame tanin'i Benjamina. 22 Rehefa tonga hanohitry antsika gne raindreo na gne anadahindreo, da hizaka isika hoe: 'Agnaboahy famindram-po izahay! Avelay indreo hijano satria tsy mba nahazo vady ho an'gne lehilahy tsirairay nandritry gne ady izahay. Tsy manan-tsiny enareo, satria tsy nomenareo andreo gne zanakareo vavy." 23 Nataon'gne vahoakan'i Benjamina izany. Nalaindreo tamin'gne zazaviavy izay nandihy gne isan'gne vady izay nilaindreo ka da nentindreo ho vadiny indreo. Lasa izy ireo ary nipody tagny ame toeran -dovandreo. Nahorindreo indraiky gne tanà sy nipetraky tao amin'izany. 24 Da nandao izany toera izany ka nandeha nody gne vahoakan'i Israely, samy agny ame foko sy gne fianakaviany avy, ary samy agny ame lovany avy. 25 Tsy nisy mpanjaka tao Israely tamin'izany andro izany. Samy nanao izay marina teo imasony gne olo agnaby.