Toko faha 5

1 Fotony nohamariny tamin'ny finoa tsika, laha vatany mana fiadana miaraky amin'Andiagnanahary amin'ny anaran'i Jesosy Kristy tompontika. 2 Baka amin'ny anarany avao koa ro hananantsika lala amin'ny finoha mandeha amin'ny fahasoava itsanganantsika io. 3 Tsy amin'izay avao fa tsika koa mifaly amin'ny fijaliantsika. Haintsika fa gny fahoria ro mampisy fahareta. 4 Gny fahoria miteraky fanaraha safa, ka gny fanarahan-tsafa miteraky fahatokia amin'ny manaraky. 5 Zay fahatokisa zay, tsy mba mandiso fanatena, gny fitiavan'Andriagnanahary fa nilitsy am-pontsika baka tamin'ny Fanahy Masy nameha antsika. 6 Laha vatany mbo nalemy tsika, maty tamin'ny fotoa naham-pety Azy ho an'ny raty fanahy Kristy. 7 Fa sarotry ho an'olo raiky gny ho maty ho an'olo marina. Fa mety hisy angamba olo raiky hasaky ho maty ho an'olo raiky soa. 8 Zagnahary nanoro gny fitiavany ho antsika, fotony mbo mpanota tsika, laha nimaty hoa antsika Kristy. 9 Lilatrin'izay aza, henaniky zao, laha nohamariny tamin'ny liony tsika, laha ho vonjea amin'izay amin'ny sihakin-jagnahary. 10 Fa laha mbo tsy nifankahazo tsika, nilongo amin-Jagnary tamin'ny fahafatesan'ny gnanakiny, laha mbo mihoatry gny zay, laha baka nilongo taminy tsika, laha ho avotry baka amin'ny ainy tsika. 11 Tsy ho zay avao koa, fa tsika koa mbo mifaly amin-Jagnahary ao baka amin'ny Tompontsika Jesosy Kristy nahazoantsika gny fihavana enaniky zao. 12 Baka amin'izay zany, manahaka gny niliran'ny fahota tamin'olo raiky tan-tany teto ro iliran'ny fahafatesa baka tamin'ny fahota. Gny fahafatesa bakeo nahazo olo iaby, fotony mpanota iaby gny olo. 13 Laha mbo tsy nisy gny lily, mbo tan-tany teo gny fahota, fa tsisy fahota isahy laha tsisy gny lily. 14 Nefa na zay aza, gny fahafatesa nanjaka nanomboky tamin'n i Adama hatramin'i Mosesy, na tamin-dreo zay tsy nanota mindry ny tsy fanarahan'i Adama, fagnambara gny ho avy. 15 Naha teo aza zay, gny fagnomeza tsy manahaka gny fahadisoa. Fa laha tamin'ny fadisoa gny olo raiky ro nahafaty gny maro, lilatry gny zay ro natao gny fahasoavan-Jagnahary sy fanomeza baka amin'ny Olo Raiky iny, Jesosy Kristy, nameha ho an'olo maro. 16 Fa gny fagnomeza, tsy mitovy gny vokatry baka amin'y raiky manota. Fa amin'ny ilan'ny raiky, avy gny fitsara ho fanasazia nataon'olo raiky. Amin'ilany raiky hafa koa, gny fagnomeza miafara amin'ny raha marina, niavy tafara gny fahadisoa maro. 17 Fa laha, tamin'ny fahadisoa gny raiky, ro nampisy mare gny fafatesa amin'ny raiky, ka mihoatry lavitrin'izay gny hanjaka gny reo mandramby gny fasoava bevata sy fagnomeza gny fahamarina baka amin'ny fiainan'ny raiky iny, i Jesosy Kristy zay. 18 Baka amin'izay zany, tokony tamin'ny lily gny fahasoava raiky ro niavian'olo ho amin'ny fagnameloa, amin'ny lily na gny fahamaria gny raiky koa ro hiavia gny fahamariha gny fiaina ho an'olo iaby. 19 Fa tokony baka amin'ny tsy fankasitraha gny olo raiky ro maha mpanota gny olo iaby, ka amin'ny lily gny fanarahan-tsafa gny raiky avao koa ro hiavia gny maro ho marina. 20 Laha niavy tao gny lily, mba habevata gny fahadisoa. Nefa, laha bevata gny fahota, lasa bevata koa gny fahasoava. 21 Nisy zay mba, ho nanahaka gny nisian'ny fahota tamin'ny fahafatesa, hisy manahaka gny izay koa gny fahasoava baka amin'ny fahamarina ho amin'ny fiaina mandrakizay baka amy Jesosy kristy Tompotsika.