Toko faha 4

1 Ino ro ho volagnintsika fa hitan'i Abrahama ,baban-tsika tagny aloha araky gny nofo? 2 Fa laha nohamariny gny tamy gny asany Abrahama,tsy nisy gny antony hirehareha i,kanefa tsy eo anilan-Dragnahary. 3 Fa ino ro nambara gny Soratry Masina ?"Abrahama nino sady nieritreritry gny fahamarinan-Dragnahary ." 4 Ho agny zay miasa,gny karamany tsy ho eritreretiny fahasoava,fa heveriny ho manahaky gny trosa. 5 Fa ho agn'izay tsy mana gnasa nefa mino an-Dragnahary dia mieritreritry gny finoany. 6 Davida nitsipirano hoan'olo tsy miasa izay eritreretin-Dzanahary ho marina. 7 Hoy i hoe:"Sambatry ireo olo zay voavela ny helokigny ,sy ireo zay voatakogny fahotany . 8 Sambatry reo zay tsy hieritreretany Tompo heloky." 9 Amin-dreo voatapaky avao va no hahazo gny tso-drano sa reo tsy voatapaky koa?Ka hoy tsika hoe :"Ny finoa dia nieritreretin'i Abrahama ho fahamarinana." 10 Ka manao akory gny nagnisan-dreo azy? Tamy Abrahama fa voatapaky sa tamy i mbo tsy voatapaky?Tsy tamin'i fa vita tapaky fa tamin'i mbo tsy vita tapaky. 11 Abrahama ro nandramby famatara gny joma(tapakanaky). Zay ro mariky sny finoa zay fa gnanany na mbo tsy vita tapaky i.Zay fahamantara zay ro manambara fa baban'ny mpino iaby i na koa reo zay tsy mbo voatapaky.Midika izay fa ny fahamarina dia anisan'ny hoan-dreo. 12 Nidika zay fa Abrahama nanjary baban'olo zay gnanara dia ny finoan'i Abrahana sy zay olo vita tapaky.Gny finoan'Abrahama babantsika tamy i mbo tsy voatapaky. 13 Fa ny fampagnatena tamy i Abrahama sy ireo taranakiny dia ny fandovana izao raha iaby zao dia azo avy amin'alalan'ny lily fa baka amin'ny fahamarinan'ny fignoa. 14 Fa raha reo zay magnary ny lily ro mpandova,tsy hisy ny finoa ,ary ho tsinotsino ny fampanantegna. 15 Satria ny didy manday agny amy gny siaky,any amy gny tany tsy misy lily dia tsy misy koa gny fandikan-dala. 16 Miseho amin'ny finoa gny antony,mba hipetrahan'ny fampanantegna baka amin'ny fahasoava mba ho azo antoky amin'ny taranak'i Abrahama iaby tsy ho andreo za ambeny ny lily avao faho andreo zay mizara ny fianoan'i Abrahama avao koa,Babantsika iaby i, 17 araky ny voasoratry hoe:" Nataokok ho baban'ny firenena maro iha." Talohany Nazy natokisany Abrahama,ro gnanomeza fiaina nazy maty sy mikaiky nazy raha mbo tsy misy mba hisy. 18 Na teo aza reo raha-nitranga ambalikany dia natoky tanteraky an-Dranahary i Abdrahama amy ny ho avy.Ka lasa baban-ny firenena maro i,arak'izayfa voasafa hoe:" Hgnahaky an'izay ny tranakinao ." 19 Tsy nalemy tamy ny finoa i.Hain'i Abrahama fa ho afaky hana gnanaky koa i(satria fa tamin'ny zato tao teo i).Gnanenky koa i fa trokin'i Saraha fa tsy afaky hivesatry koa. 20 Nohon'ny fampananten-Dranahary ,dia tsy nisalasala tami'ny fignoany i bakeo nidera an-Dranahary. 21 Resy lahatry tanteraky i fa zay nampanantenan-Dranahary ro afaky tanterahiny iaby. 22 Lafa zay dia nisany ho azy ny fahamarinana. 23 Ka tsy nosoraty ho tombotsoa raiky avao zay fa nisay ho azy. 24 Nosoraty ho antsika iaby zay ho andreo zay anisany zay.Tsika zay mino Azy nanandratsy an'i Jesosy Tompontsika tamy maty. 25 I raiky avao ro natoltry nohon'ny fahotantsika ary nantsanga mba hanamaria antsika.