1 Mangataky aminareo aho noho zay, ry rahalahy, noho gn'ny famindram-po Ndragnahary, mba hanolotry gny vatanareo ho soro velo, masina, eken'Ndragnahary. Zay ro fagnompoanareo araky gny tokony ho i. 2 Ka manahaky agn'izao tontolo zao, fa miovà amign'ny fagnamboara gny sainareo. Ataovo zao soa ho hainareo ze soa, azo ekea, ka gny sitrapo lafatry gny Zagnahary. 3 Ambarako, noho gny fahasoava nameany ahy, gny tsy tokony hananan'iaby ze aminareo eo heritreritry hanambony tegna mihoatry ze tokony ho heveriny. Fe koa,tokony hieritreritry am-pahendrea reo, tahaky gny nagnomazan-Ndragnahary fatram-pinoa gny tsirairaiky aby. 4 Mana ratsan-tagna maro amign'ny vatantsika tsika, nefa tsy mitovy iaby gn'asanireo rantsan-tagna reo. 5 Manahaky anizay, tsika ze maro be io de vata raiky avao amign'i Kristy, rantsa manoka amign'ny tsirairaiky. 6 Mana fanomezam-pahasoava samby hafa tsika araky gny fahasoava namea antsika. Laha faminania ro fagnomeza pahasoava raiky, aoka mba hatao arakign'ny habevata gny finoany. 7 Laha fanompoa ro fagnomezan-pahasoava raiky, aoka i hanompo. Laha nisy raiky nahazo fagnomezam-pahasoava hampianatry, aoka i hampianatry. 8 Laha fampahereza ro fagnomezan-pahasoava raiky, aoka i hampahery. Laha magnome ro fagnomezan-pahasoava gny raiky, aoka i hanao agn'izay am-pahalalam-tagna. Laha hitariky ro fagnomezam-pahasoava gny raiky, aoka i hamita agn'izay amin-pahendrea. Laha hampiseho fo mangoraky ro fagnomezan-pahasoava gny raiky, aoka zay mba ho vita am-piravoravoa. 9 Aoka gny fitiava tsy hisy fihatsaram-belatsy. Ankahalao gny raty; tagno mare gny soa. 10 Laha gny momba gny fitiavan'ny mpirahalahy, mifankatiava aminareo tsirairaiky aby. Laha momba gny fanomezam-boninahitry, mifagnajà. 11 Laha gny momba gny fikiriza, ka misalasala. Laha gny momba gny fagnahy, aoka hafana fo. Mikasiky gny Tompo, tompò i. 12 Mifalia amin-pahatokia ze agnananao momba gny ho avy. Mahareta amign'ireo fihasahiragnanao. Mivavaha avao. 13 Mifampizarà amign'izay ilà gny mpino. Milà fomba hampiantranoanao olo maro. 14 Misaora gnazy manenjiky anao reo, misaora fa ka magnozo. 15 Miaraha mifaly amign'izay mifaly; miaraha mitagny amign'izay mitagny. 16 Mitovia fisaigna amign'ny tsirairaiky. Ka misay am fomba mirehareha, fa ekeo reo olo ambany. Ka mihevitry gnainao ho hendry. 17 Ka mamaly raty gny raty. Manaova raha soa maro an masogn'olo iaby. 18 Laha mety, araky gn'izay azonao atao, mihavagna amign'olo iaby. 19 Ka mamaly raty gnainareo, ry malala, omeo lala gny siakin-Ndragnahary. Fa voasoratry hoe: "Gnahy gny vali-faty; zaho ro hamaly; hoy gny Tompo". 20 Fa laha mosary gny fahavalonao, ameo hany i. Laha mangetaheta i, ameo rano hosotroiny. Fa laha manao an zay anao, de hanango vain-motro amign'ny lohany". 21 Ka magneky ho resy gny raty, fa reseo amign'ny soa gny raty.