1 Ry rahalahy, gny irigny igny foko sy gny angatahiko amin'Andrianagnahary ho andreo, gny famonjea andreo. 2 Fa mitsanga ho vavolombelo reo zaho fa mafana fo ho an'Andrianagnahary nareo, lafa tsy araky gny fahalala. 3 Fa tsy mahay gny faha marin'Andrianagnahary reo, ary nila hametraky gny fahamariandreo manokany. Tsy manaiky gny fahamarinan'Andrianagnahary reo. 4 Fa Kristy ro nimboahagny lily ho fahamaria ho any zay olo mino. 5 Fa mosesy manoratry momba gny fahamaria zay avy aminy gny lily hoe: "Gny olo zay manao gny fahamaria gny lily hiaigna amin'zay fahamaria zay." 6 Fa gny fahamaria ze baka amin'ny finoa ro mivola hoe: "Ka mivola an'ny toy am-po hoe: 'Ia ro hiakatsy agny an-dagnitsy?'(zay mampiakatry an'i Kristy); 7 ka aza mivola hoe: 'Ia ro hijoro agny amigny laly?'" (zay mampiakatry an'i Kristy amigny fahafatesa.) 8 Fa ino moa gny nambaran'zay? "Eo agnilanao gny safa, ao ambavanao ary ao amponao." Zay ry safany finoa, zay nivolagninay. 9 Fa amigny vavanao ro anekenao an'i Jesosy ho Tompo, ary mino amigny fonao fa nitsotakan'Andrianagnahary tamigny fahafatesa I ka ho vonje iha. 10 Fa amigny fo ro inoa gny olo gny fahamaria, amigny vava ro anekea gny famonjea. 11 Fa hoy gny Soratry Masy hoe: "Tsy ho megnatry zay gnolo iaby mino azy." 12 Fa tsy misy fahasamiafagna eo amin'i Jiosy sy Grika. Fa tompo raiky avao ro tompogny olo iaby, ary harem-pahasoava ho an'zay iaby nikaiky azy I. 13 Fa zay iaby nikeha gny agnara gny tompo ro vonjea. 14 Ahoa ary ro ahafahandreo nikaiky azy zay tsy ninoany? Ahoa ro ahafahanao mino azy zay tsy renareo? Ahoa ro ahafanareo mijanjy lafa tsy misy hagnambara? 15 Ka ahoa ro ahafahanareo magnambara, lafa tsy misy naniraky? Araky gny voasoratry hoe: "Nao lahy gny hasoa gny tombokindreo magnambara reo raha soa gny filazantsara." 16 Kanefa tsy izy iaby ro nijanjy gny filazantsara. Fa hoy Isaia hoe: "Tompo, ia ro nino gny hafatrinay?" 17 Baka amin' izay finoa baka amigny fijajigna, ary gny fijanjigny baka amigny safa i Kristy. 18 Fa hoy zaho hoe: "Kainao va tsy nisy mandre reo?" Eny, vatany marina. "Gny feonareo fa niboaky maneran-tany,sady zay volandreo hatragny amigny faran'zao tontolo zao." 19 Akoatry zay, hoy zaho hoe: "Kainao va tsy nahay gny Israely?" Tamigny voalohany Mosesy nivola hoe: "Ho ataoko saropiaro amigny zay tsy firenea akory nareo.Amigny firenea zay tsy misy fahalala, ho ataoko avy amigny fahasiakinareo." 20 Ary io amigny vata sahy tokoa Isaia lafa nivola I hoe: "Jerinareo tsy nialy ahy zaho. Niseho taminareo tsy nagnontany ahy zao." 21 Fa hoy I tamin'i Israely hoe: "Tontolo gny andro nandatrahako gny vatako tamign'olo tsy mankato sy mahery loha.