Toko faha 9

1 Mivola gny marigna amin'i Kristy zaho. Tsy mavandy aho, gny eritreritriko ro vavolombelo miaraky amiko amy gny fanahy Masina, 2 amiko misy alahelo bevata sy fahoria tsy mitsahatsy am-poko ato. 3 Niafaky nagniry aho fe zaho naiko ro voahozo ka hiataky amign'i Kristy noho gny aminireo rahalahiko, reo gnazy firazagna raiky amiko, araky gny nofo. 4 Isiraelita reo. Magna gny fanangana, gny voninahitsy, fankatoava, gny fanomeza lily, gny fidera an-Ndragnahary sy fampanantena. 5 Gnazy reo ro gnazy raza nahavy an'i Kristy ho avy nofo, i ro Zagnahary agnambon'iaby. Amena. 6 Tsy foa gnazy nampanantenan-Ndragnahary. Tsy ze baka Isiraely ro tena i. 7 Na hoe taranakin'i Abrahama iaby reo, ro tena anakiny. Fa "Amignalalan'i Isaka ro hikeo gny taranakinao" 8 Zany hoe, gny gnanakin'ny nofo, tsy gnanakin-Ndragnahary. Fa gnazy gnanakin'ny fampanantena ro rambesy ho taranaky. 9 Manahaky an'izao gny tegnin'ny fampanantena : "Ho avy aho amign'izay fotoa zay ka homea anaky lahy kahia hoe Saraha. 10 Tsy zay avao, fa eo koa Rebeka hana gnanaky amign'ny lelahy raiky kahia, Isaka Babantsika. 11 Mbo tsy teraky aby zaza reo sady mbo tsy nanao raha soa na raty, mba ho tanteraky gny tanjon-Ndjagnahary araky gny fisafidiagna, tsy noho asa reo, fa noho i mikaiky. 12 Nivolagniny tamin-drampela hoe: "Gny zokiny de hanompo gny zandriny". 13 Tahaky gny voasoratry hoe: "Jakoba tiako, fa Esaka halako". 14 Ino zany gny raha ho volagnintsika? Misy tsy fahamarigna va miaraky amin-Ndragnahary? 15 Tsy hisy mihintsy zay. Ka hoy I tamign'i Mosesy hoe: "Hamindra fo amign'izay tiako hamindrako fo aho, hangoraky gnazy tiako hangorahy". 16 Noho zay, tsy noho zay mikasa anizao, noho i mihazakazaky, fa noho Zagnahary, mampiseho gny famindram-po. 17 Fa gny soratry Masina nagnambara tamign'ny Faraho hoe: "Nohogn'antony zay ro nagnandratako anao, mba hagnatoroako aminao gny heriko, sady mba haganambara gny agnarako eran-tany". 18 Noho zay, Zagnahary namindra fo amign'izay tiany, ze tiany ro hamafisigny fo. 19 Bakeo hivola amiko nareo hoe: "Nagnino ro mbo mahita tsigny avao I?" Fa ia ro mahatohitry gny sitrapony? 20 Mifagnohitry amign'izay, ralehilahy, fa ia moa anao ro mamaly magnohitsy an'i Zagnahary? Sa gnazy fa novolavolay hagnambara anign'ny mpamolavola, zany hoe: "Nagnino ro nataonao manahaky anizao aho?" 21 Moa gny mpagnefy valagny tsy mana zo amign'ny tanim-potaky ka gny vonga raiky avao ro hamboara fitoera amign'andro voatoka, sy fitoera raiky hafa amign'andavanandro? 22 Manao akory laha Zagnahary, te hampiseho gny siakiny sy hampahafantatry gny fahefany, niaritry tamin-pahareta gny fitoeragn'ny fahatezera nomagny ho amign'izay fahasimba? 23 Nanao akory laha nataony ze mba hampahafantarany gny haregn'ny voninahiny eo amign'ireo fitoeragn'ny famindram-po, ze fa nomagny mialoha ho amy voninahitry? 24 Manao akory laha nataony ho antsika koa zay, gnazy kehiny avao koa, tsy amign'ny samby Jiosy reo avao, fa amign'ny Jentilisa reo koa? 25 Araky gny nivolagniny tamign'i Hosea hoe: "Hokahiako hoe oloko ze tsy oloko ary ho malalany le tsy malala. 26 Bakeo amin-dreo ze nagnambara hoe: tsy oloko nareo, agny ro hikahia an dreo hoe: "Gnanakin-Ndzagnahary velo" 27 Isaia nikaiky mafy gny Israely hoe: "laha manahaky gny fasiky an-driaky eny gny isaky gnanak'Israely, laha ho voavonjy iaby ze sisa tavela, 28 fa gny Tompo hinday gny teniny an-tany eto, maro sady tsy ho ela". 29 Araky gny nivolagn'Isaia mialoha hoe: "laha gny Tompo tompon'ny maro ro tsy mamela taranaky ho antsika, hanahaky an'i Sodoma tsika, sady hitovy amign'i Gomora". 30 Ka ino gny raha hovolagnintsika? Reo jentilisa, tsy nila gny fahamarigna, ro nahazo gny fahamarigna, fahamarigna baka amign'ny finoa. 31 Fa Israely, nila gny lalagny'ny fahamarigna, tsy niavy tamign'izay. 32 Nagnino moa? Satria reo tsy nila an'izay tamign'ny finoa, fa tamign'asa. Tafintoha tamign'ny vatogn'ny fanafintohina reo, 33 araky gny fa voasoratry hoe: "Henteo, ao Ziona ro ametrahako gny vaton'ny fanafintohina sy vatolampign'ny fandikan-dalana. Ze mino anizay ro tsy ho menatry".