Toko faha 32

1 Ka reo havorohotan'i Robena voho Gada la nana biby fihary lako.Lafa hitan-drozy gny tanin'i Jazera voho Gileada,la toera mahafinaritsy ho gnan'ireo biby fihary tany igny. 2 La niavy nivola tamin'i Mosesy,tamin'i Eleazara mpisoro,voho tamin'ireo mpitariky gny fivondrogna gny havorohotan'i Gada voho Robena.Hoy rozy hoe:" 3 Intoy gny lisitsy gny toera ze fa niandidianay: Atarota,Dibona,Jazera,Nimra,Hesbona,Elale,Sebama,Nebo,voho Beona. 4 Reo iaby gny tany ze nitafin'i Yaveh teo angnatrehan'ny fivondrognan'Israely,la toera soa ho gnan'ireo biby fihary.Rahay mpanomponao,la mana biby fihary lako ." 5 Hoy rozy hoe:" Laha mahita sitraky agnatrehanao rahay,la aoky mba hamea gnanay,mapnomponao,mba ho fanagnanay toy tany toy.Ka atao mita gnan'i Jordana rahay." 6 Namaly gnan-dreo havorohotan'i Gada voho Robena i Mosesy hoe:" Tokony nandeha mba hialy va gny rahalahinareo laha nareo koa ro mifitaky eto? 7 Nagnino ro kivianareo tsy handeha agny amin'ny tany ze namean'i Yaveh gnan-drozy gny fon'ny vahoakin'Israely? Reo razambenareo la nagnano raha manahaky gnan'injay avao koa lafa nalefako bakagny Kadesi-barnea mba hisafo gny tany rozy. 9 Niakatsy tagny amin'ny vavasahan'i Eskola rozy.Nahita gny tany rozy ka bakeo nagnakivy gny fokon'ireo vahoakin'Israely mba hadagnan-drozy tsy hilitsy amin'ny tany ze namean'i Yaveh gnan-drozy. 10 Nirehitsy gny fhelokin'i Yaveh tamin'io androio.Nivoady Ie ka nanao hoe; 11 Azo antoky fa tsy hisy amin'reo olo ze niakatsy baka Egypta agny,mamototsy amin'ny roapolo miakatsy,hahita gny tany ze nifantakotamin'i Abrahama,tamin'i Isaka,voho tamin'i Jakoba,fotony tsy nagnaraky Gnahy vatany rozy,afa tsy 12 Kaleba anakilahin'i Jefone Kenizita, voho Josoa anakilahin'i Nona.Kaleba voho Josoa avao ro vatany nagnaraky Gnahy vatany. 13 Ka nirehitsy tamin'Israely gny helok'i Yaveh.Nataony nikariokarioky nagnodidy gny atny liomonto tagnatin'ny efapolo tao ka zisiky naha-ritsy gny havorohotany iaby ze nanao raty tagnatrehan'i Yaveh rozy. 14 Ingo,niakatsy tamin'ny toeran'ny razambenareo nareo,manahaky gn'olo mpanota lako,mba hagnampy gny firehetan'ny fihelofan'i Yaveh amin'Israely . 15 Laha mania amin'ny fagnaraha Gnahy nareo,la hagnenga gnan'Israely an-diomonto agny ndraiky Ie ka handrava gny vahoakiny iaby nareo. 16 Ka namonjy tagnilan'i Mosesy teo rozy ka nivola hoe:" Engaho rahay nagnory vala ho gnan'ny reo biby fiharinay voho tana ho gnan'ny hasaveregnanay eto. 17 Ndra zay aza la vonona voho hitam-pialia mba handeha hisondry amin'ny tafik'Israely zisiky hametrahanany an-drozy amin'ny toeran-drozy.Fa reo hasaveregnanay koa la hifitaky agny amiy reo tana voaaro mare noho reo vahoaky hafa ze mbo mifitaky amy toy tany toy. 18 Tsy himpoly agny amin'ny tany fifitaranay rahay zisiky hahazoan'ny vohoakin'israely kiaraikiraiky gny lovany iaby. 19 Tsy handova gny tany misondry ami-drozy agny ampitan'i Jordana rahay,fotony gny lovanay la amin'ny ilany antignana." 20 Ka namaly gnan-drozy i Mosesy hoe:" Laha manao ze raha volagninareo nareo,laha manoma gny vatanareo handeha agnatrehan'i Yaveh mba hialy nareo, 21 ka gny kiraikiraiky amin'ireo joharinareo mitam-pialia la tsy maintsy mita gnan'i Jordana agnatrehan'i Yaveh,zisiky handroahany reo fahavalony tsy ho eo agnatrehany 22 ka gny tany la ho resy ao agntrehany. Lafa afaky zay la mimpoly nareo.Ho tsy manan-keloky agnatrehan'i Yaveh voho agnatrehan'israely nareo.Toy tany toy la ho fanagnareo agnatrehan'i Yaveh. 23 Fa laha tsy manao gnan'izay nareo,ingo,hanota amin'i Yaveh nareo.Haizo soa fa hahita gnanareo gny hadisoanareo. 24 Magnonera tna ho gnan'ireo havorohotanareo voho vala ho gnan'ireo aondrinareo;bakeo la atavo ze raha nivolagninareo." 25 Nivola tamin'i mosesy reo havorohotan'i Gada voho Robena ka nivola hoe:" Hanao magnaraky ze nandidinao gny mpanomponao,ry tomponay. 26 Reo anaky malinikinay,reo valinay,reo aondry amy gnaosinay,voho gny biby fiharinay ibay la hifitaky amy reo tanan'i Gileada. 27 Ndra zay aza,rahay mpanomponao,la hita agnatrehani Yaveh mba hialy,gny johary iaby ze mitam-pialia ho amin'ny gn'aly,magnaraky ze nivinolanao,ry tomponay." 28 Koa nagnome torolala mikasiky gnan-drozy tamin'i eleazara mpisoro,tamin'i Josoa anakilahin'i Nona,voho tamin'ireo mpitariky reo fokon'ny razambe tao amin'reo fokon'ny gn'olon'Israely i Mosesy. 29 Hoy i mosesy tamin-drozy hoe:'Laha miampita gnan'i Jordana misondry aminareo reo havorohotan'i Gada voho Robena,gny johary iaby ze mitam-pialia mba hialy agnatrehan'i Yaveh,ka laha resy eo agnatrehanareo gny tany,la hameanareo gnan-drozy ho fanagna gny tanin'i Gileada. 30 Fa laha tsy mita agnaminareo mitam-pialia rozy,la agny amin'ny tanan'i Kanana rozy ro hahazo gny fanana-drozy agnaminareo. 31 Ka namaly reo havorohotan'i Gada voho Robena hoe:" Magnaraky ze nivolagnin'i yaveh taminay,mpanomponao,la zao ro hataonay. 32 Hiampita mitam-pialia agnatrehan'i Yaveh agny amin'ny tanin'i Kanan rahay,fa gny lova anjaranay la hinjano agnaminay amy toy am-pitan'i Jordana toy." 33 Ka namean'i Mosesy gnan'ireo havorohotan'i Gada voho Robena,voho gnambakimiran'ny fokon'i Manase anakilahin'i Josef gny fanjakan'i Sihona,mpanjakan'ireo Amorita,voho Oga,mpanjakan'i Basana. Nameany an-drozy gny tany,ka nizarany tamin-drozy gny tanany ze hisondry amin'ireo faritaniny,la reo tanann'ny tany magnodidy reo. 34 Reo havorohotan'i Gada la nimpoly nagnory gnan'i Dibona,Atarota,Aroera, 35 Atrotra-Sofana,Jazera,Jogbeha, 36 Beti-nimra,voho Beti-harana mba ho tana voaaro mare miaraky amin'ireo vala ho gnan'ny aondry. 37 Reo havorohotan'i Robena la nimpoly nagnory gnan'i Hesbona,Elale,Kiriataima, 38 Nebo,Bala-meona,Sibma niova gn'agnaran'ireo tafara tato.Namean-drozyagnara hafa reo tana ze nampolin-drozy naory. 39 Reo havorohotan'i Makira anakilahin'i Manase la nagnany Gileada ka nagnafaky zay tamy reo Amorita ze tao amizay. 40 Bakeo la namean'i Mosesy gnan'i Makira anakilahin'i Manase i Gileada,ka agnory fitaky tamin'ny vahoakiny. 41 Nandeha i Jaira anakilahin'i Manase ka nandresy reo renivohitr'izay ka nikaiky gnazy hoe:Havota-jaira. 42 Nandeha i Noba ka nandresy gnan'i Kinata voho reo anam-bohiny,ka nikaihiny hoe:Noba,magnaraky gn'agnarany avao zay.