1 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh ka hoy Ie hoe:" 2 Mamalia faty gnan'i Medianita reo nohony raha nantaondrozy gnan'Israelita reo.Lafa vita zay,la ho maty iha ka havory amin'ny gn'olonao." 3 Ka nivola tamin'ny vahoaky i Mosesy.Hoy ie hoe:"Atseho fialia amin'ny gn'aly gny sasany amin'ireo gn'olonareo mba handehanan-drozy hanohitsy reo Midiana voho hagnanteraky valifatin'i Yaveh amin'izay. 4 Gny foko iaby magnera gnan'Israely la tsy maintsy mandefa miaramila ho gnan'ny gn'aly." 5 Ka tamin'ireo olo agnarivon'Israely,la bakamin'ny foko iaby ho agny amin'ny gn'aly la agnarivony, roa avrivo sy ray aly gny fitraohany. 6 Bakeo la nelefan'i Mosesy agn'aly agny rozy,arivo raiky iasaky foko iaby,nisondry tamin'i Finehasa anakilahin'i Eleazara mpisoro,voho niaraky tamin'ny fanaky sasany bakamin'ny fitoera masy voho trompetra an-tagnany egny mba hitsofany azy ho fanaira. 7 Nialy tamin'ny Midiana rozy,magnaraky gny nandidian'i Yaveh gnan'i Mosesy. Nivonoany gny mpanjakn'i Midiana niaraky tamin'ny sisan'ny gny mati-drozy;Rekema,Zora,Hora.voho Reba, gny mpanjaka limin'i Midiana.Nivonoan-drozy tamin'ny meso avao koa Balama anakilahin'i Beora. 9 Nalan'ny gny tafik'Israely ho resy gny ampelan'ny Midianita,gn'anakin-drozy,voho gny biby fiharin-drozy iaby,gny aondry voho gny aosin-drozy. nalan-drozy ho babo iaby reo. 10 Noroan-drozy gny tanany iaby ze nifitaran-drozy voho gny tobiny iaby. 11 Nalan-drozy iaby reo babo voho gny gadra iaby,ndra olo ndra biby. 12 Nandesin-drozy tagny amin'i Mosesy,Eleazara mpisoro ,voho tagny amin'ny vahoakin'Isarely gadra reo,gny babo ,gny raha iaby niazon-drozy.Nandesin-rozy tagny amin'ny toby tagny amin'reo tagny maikin'i Moaba,amoron'i Jordana agnilan'i Jeriko . 13 Nandeha niboaky nanegnantegna gnan-drozy tabalikin'ny gny toby Mosesy.Eleazara mpisoro,voho reo mpitraiky gny hasaveregnam-be iaby. 14 Fa Mosesy la neloky tamin'ireo mpibaiko gny tafiky,gny mpifehy arivo voho gny kapitenin'ny gny zato,ze niavy baka agn'aly agny. 15 Hoy Mosesy tamin-drozy hoe:" Nenganareo ho velo va gny ampela iaby? 16 Ingo,nataon'ireo ampela reo nanota tamin'i Yaveh gny amin'i Peora tamin'ny alalan'i torohevitr'i Balama gn'olon'Israrely,lafa niparitaky tamin'ny fiangonan'i Yaveh gny areti-mandoza. 17 Henanizao moa,la vono gny aja johary maliniky iaby,voho vono gny koa gn'ampela ze niaraky nandry tamin'ny johary. 18 Fa andeso ho gnanareo gny somondrara iaby ze tsy nahasaky lahy. 19 Tsy maintsy mivory abalikin'ny tobin'Israely agnatin'ny fito andro nareo.Nareo iaby ze fa namono olo ndra nikasiky olo maty tsy maintsy magnadio gny vatanareo nareo amin'ny gn'andro fahatelo voho gn'andro fahafito nareo voho gny gadranareo. 20 Tsy maintsy magnadio gny salotsareo iaby voho gny raha iaby ze vita bakamin'ny holitsin'ny gny biby voho volon'aosy,voho gny raha iaby vita bakamin'ny hazo nareo." 21 Eleazara mpisoro la nivola tamin'ireo miaramila zenandeha tan-gn'aly agny hoe:" Toy ro lalagna voalily ze namean'i Yaveh gnan'i Mosesy: 22 Gny volamena,volafoty,saba,vy,vifoty,voho firaky, 23 voho gny raha iaby ze tsy daim-bolo,la tsy maintsy ataonareo agnaty afo,ka halio zay.Bakeo tsy maintsy liovinareo amin'ny gny rano fagnaliova reo rah reo.Ndra ino ndra ino raha tsy afaky ampandalovy bolo la tsy maintsy liovinareo amin'ny rano zay. 24 Amin'ny gn'andro faha fito la tsy maintsy sasanareo gny salotsareo, ka la halio nareo.Afaran'izay la ho avy amin'ny tobin'Israely nareo." 25 Bakeo Yaveh nivola tamin'i Mosesy ka nivola hoe:" 26 Isaho reo raha babo iaby ze niazo reo,ndra olo ndra biby.Iha,Eleazara mpisoro,voho reo mpitariky gny hasaveregnamben'ireo fokon'ny razambenao. 27 la tsy maintsy mizara babo reo hizara roe.Zarao amin'ireo miaramila ze nandeha agn'aly agny voho reo sisan'ny fianakaviambe iaby zay. 28 Bakeo mitakia haba bakamin'ireo miaramila ze nandeha aagn'aly agny mba homea Gnahy.Zay haba zay la tsy maintsy raiky isaky ny dimanjato,ndra olo ndra biby fihary,boriky,aondry,ndra aosy. 29 Alao gny antsasany amin'ny zay haba zay voho ameo gnan'i Eleazara mpisoro zay mba ho fagnatitsy hatolotsy ho Gnahy. 30 Voho gny bakamin'ny ambakimiran'Israely avao koa ,la tsy maintsy mangalaky raiky isaky gny dimampolo iga bakamin'ireo olo reo,biby fihary,aondry,voho aosy. Ameo gnan'ireo Levita ze mikarakara gny tabernakeliko reo." 31 Ka la nataon'i Mosesy voho Eleazara mpisoro zay magnaraky gny raha nandidian'i Yaveh. 32 Ka gny babo ze sisa tamin'ireo azon-dreo miaramila la aondry 675000. 33 aomby 72000, 34 boriky 61000, 35 voho sevaky 32000ze mbo tsy nahasaky lahy. 36 Gny ambakimirany ze nitanjahan'ny miaramila la miisaky 337000. 37 Gny anjaran'i Yaveh la aondry 675. 38 Reo aomby la 36000 ka 72 gny haban'i Yaveh. 39 39500 gny isaky gny boriky voho 61 ro anjaran'i Yaveh. 40 16000 reo olo ka 32 ro haban'i Yaveh. 41 Nalain'i Mosesy gny haba ze tokony ho fagnatitsy atolotsy ho gnan'i Yaveh. Nameany gnan'i Eleazara mpisoro zay,magnaraky gny nandidian'i Mosesy. 42 Laha gny ambakimiran'ny gn'olon'Isarely ze nalain'i Mosesy bakamin-dreo miaramila z nandeha tagny agn'aly tagny 43 la aondry 337500, 44 aomby 36000, 45 boriky 30500, 46 voho sevaky 16000 ro gnan'ny gnambakimiran'ny hasaveregnambe. 47 Bakamin'ny reo ambakimira ny gn'olon'Isarely, la nangalaky raiky iasaky gny dimampolo i Mosesy,ndra olo ndra biby. Nameany gnan'ireo Levita ze nikarakara avao gny tabernakelin'i Yaveh reo,magnaraka gn'ny nandidian'i Yaveh gnazy mba hataony. 48 Bakeo reo manam-pahefan'ny gny tafiky,reo mpifehy gny arivo voho reo kapitenin'ny gny zato,la niavy tamin'i Mosesy. 49 Hoy rozy tagnaminy hoe:" Nihisahin'ireo mpanomponao gny miaramila ze ambany fifehezanay,ka la tsy misy ndra raiky 50 Nandesinay gny fagnatitsin'i Yaveh,ze hitan'olo kiraikiraiky,fanaky volamena,fehi-tagna voho haba,peratsy,fanombohan-kase,kiviro,voho ravaky,mba hagnavota gnanay agnatrehan'i Yaveh." 51 Mosesy voho Eleazara la ndramby gny volamena voho reo fanaky asa-tagna iaby bakamin-drozy. 52 Reo volamena iaby tamin'ny fagnatitsy ze namean-drozy gnan'i Yaveh,reo fagnatitsy bakamin'ireo mpifehy gny arivo voho bakamin'ireo mpifehy gny zato la nilanja gny sekely 16750. 53 Gny miaramila kiraikiraiky la samby nangalky babo,olo kiraikiraky ho gnan'ny vatany. 54 Mosesy voho Eleazara mpisoro la nangalaky volamena bakamin-dreo mpifehy gny arivo voho reo kapiten'ny gny zato. Nandesin-drozy tan-tragno lay fihaogna tao zay ho fahatiarova gn'olon'israely ho gnan'i Yaveh.