1 Nivola tamin'reo mpitaky gny fokon'ny vahoakin'Israely i Mosesy.Hoy ie hoe:"Zao ro nandidian'i Yaveh. 2 Lafa misy mivoady amin'i Yaveh,na manao fifanta hamatotsy gny vatany amin'ny fampagnatena,la aoky ie tsy hivaliky amin'ny safany.Aoky ie hintanjaky gny fampagnatena hanao ze raha nivolagnin'ny vavany. Laha misy somondrara mifitaky an-tragnon'ny babany ao ka manao voady amin'i Yaveh ka mamatotsy gny vatany amin'ny fampagnantena, 4 laha mahaja gny voadiny gny babany ka mifanta amin'izay namatoran'ny gny vatany,voho laha tsy mivola ndra ino ndra ino ie mba hampivadiky gnazy,la hanan-kery avao gny voadiny.Gny fampagnatena iaby ze namatorany gny vatany la hanan-kery avao. 5 Fa laha mahanja mikasiky gny voadiny voho gny fampagnantenany gny babany,ka laha tsy mivola ndra ino ndra ino aminy,la gny voadiny iaby ze nataony tamin'ny vatany la hanan-kery avao. 6 Kanefa,laha mahare gny voadiny iaby ze nataony voho ze fampagnatena magnetsiketsiky nataony ze namatorany gny vatany gny babany,ka laha manapaky gnazy ie amin'ny gn'andro io avao,la tsy jinjano hanan-kery reo.Hagnenga gnazy Yaveh fotony nanapaky gnazy gny babany. 7 Laha manambaly johary raiky ie la mbo voafatotsin'ny gny voadiny,na manao fampagnatena masikasika ze hamatorany gny vatany,la hanan-kery avao gny ranereany. 8 Fa laha manaka gnazy amin'io andro aharezany mikasiky gnan'izay gny babany,la hagnafoany gny voady ze nataony ie,la gny safa masikasika nataon'ny gny tsihoviny ze namatorany gny vatany. Hanafaky gnazy Yaveh. 9 Fa gny amin'ny maty valy na gny ampela nisara-baly,ze raha namatorany gny vatany iaby la hanan-kery aminy avao. 10 Laha misy ampela nanao voady tan-trangnon'ny valiny tao na nanery gny vatany tamin'ny fifanta, 11 ka ninjan'ny valiny zay,fe tsy nivola ndra ino ndra ino agnaminy ie ka tsy nanohitsy gnazy,la aoky hipetraky gny voadiny iaby voho aoky hinjano hanan-kery gny fanerea nataony. 12 Fa laha fognan'ny valiny reo amin'io andro aharezany mikasiky gnazy io ze raha iaby naboakin'ny vavany mikasiky gny voady na fampagnatena la tsy hanan-kery.Fa nifoagnan'ny valiny zay.Hananfaky gnazy Yaveh. 13 Gny voady iaby ze nataon'ny gn'ampela raiky ka mamatotsy gnazy handiatsy gny vatany la mety hamafy na ho foagnan'ny valiny. 14 Fa laha tsy mivola ndra ino ndra ino agnaminy isa-maray ie,la magnamafy gny voady iaby ie ka mamatotsy gny fampagnantena ze nataony. Nihamafisiny reo fotony tsy nivola ndra ino ndra ino tagnaminy ie tamin'ny fotoa naharezany mikasiky gnan'izay. 15 Laha mila gny hahafoagny gny voadin'ny valiny fotoa elaela tafaran'ny naharezany mikasiky gnan'izay gny johary,la ie ro ho tompon'antoky amin'ny fahotany." 16 Reo ro lalagna nandidian'i Yaveh mba hambaran'i Mosesy lalagna ho gnan'izay amin'ny johary voho gny valiny voho amin'ny babany voho gnanakampelany lafa agnatin'ny hasomondrarany an-tragnon'ny babany ie.