1 Amin'ny vola fahafito,amin'ny gn'andro volohan'ny vola,la tsy maintsy hanao fivoria masy hankalaza gnan'i Yaveh nareo. Tsy hanao gn'asa mahazatsy gnanareo amin'ny andro zay.Ho andro fitsofa reo trompetra ho gnareo zay. 2 Tsy maintsy manolotsy fagnatitsy oroa hahavy hagnitsy soasoa hognan'i Yaveh nareo.Tsy maintsy manolotsy vatots'aomby raiky,aondry raiky,voho anak'aondry tao raiky fito,samby tsy misy handra nareo. 3 Tsy miantsy miaraky amin'ireo fagnatitsy hohany,koba soa lisa nasia soliky,telo ampahafolon'ny meza ho gnan'ny aomby lahiny,roe ampahafolony ho gnan'ny aondry lahiny, 4 voho ampahafolony hognan'ny anak'aondry kiraikiraiky amin'ireo anak'aondry fito nareo. 5 Tsy maintsy manolotsy aosy lahiny raiky ho fagnatitsy nohon ota ho fagnavota gnanareo nareo. 6 Atavo reto fagnatitsy reto amin'ny vola fahafito ho fagnampin'ny fagnatitsy iaby ze hataonareo isaky gny voaloham-bola;gny fagnatitsy oroa voatoka voho fagnatitsy hohany ro hiaraky aminjay. Reo la ho fagnampin'ny fagnatitsy oroa mahazatsy,gny fagnatitsy hohany mikasiky reo,voho gny fagnatitsy anidina zay.Lafa manao zay fagnatitsy zay,la hankato ze voadidy mba hahavy hagnitsy soasoa,fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh. 7 Amin'ny gn'andro fahafolon'ny gny vola fahafito la tsy maintsy hisy fivoria masy hankalaza gnan'i Yaveh. tsy maintsy hiamby gny vatanareo nareo ka tsy hiasa. 8 Tsy maintsy manolotsy fagnatitsy oroa mba hahavy hagnitsy soasoa ho gnan'i Yaveh nareo. Tsy maintsy manolotsy vantotr'aomby raiky,aondry raiky,voho anak'aondry lahiny fito tao raiky nareo.Aoky ho samby tsy misy handra reo. 9 Tsy maintsy hatolotrareo miaraky amin'ireo gny fagnatitsy hohany,koba soa lisa nasia soliky,telo ampafolon'ny gny meza ho gnan'ny aomby,roa ampahafolonny ho gnan'ny aondry lahiny, 10 voho ampahafolon'ny efaha ho gnan'ny kiraikiraiky amin'ireo anak'aondry fito. 11 Tsy maintsy manolotsy aosy lahiny raiky ho fagnatitsy nohon'ny fahota nareo.Ho fagnampin'ny fagnatitsy nohon'ny fahota ho fagnavota,gny fagnatitsy oroa mahazatsy,gny fagnatitsy hohany mikasiky reo,voho gny fagnatitsy inomy amizay. 12 Amin'ny gn'andro fahadimy amin'ny folon'ny vola fahafito la tsy maintsy hisy fivoria masy hankalaza gnan'i Yaveh.Tsy mahazo manao gn'asa mahazatsy gnanareo amizay andro zay,voho tsy maintsy mintadry gny fisinisinia ho Gnazy agnatin'ny fito andro. 13 Tsy maintsy manolotsy fagnatitsy oroa nareo,soro natao tamin'ny bolo hahavy hagnitsy soasoa ho gnan'i Yaveh. Tsy maintsy manolotsy vantots'aomby telo ambin'ny folo,aondry lahiny roe,voho anak'aondry lahiny tao raiky efetry ambin'ny folo.Aoky ho samby tsy misy handra reo. 14 Tsy maintsy atolotsareo miaraky amin'ireo gny fagnatitsy hohany,koba soa lisa nasia soliky,telo ampahafolon'ny gny meza ho gnan'ny aomby lahiny kiraikiraiky amin'ireo aomby telo ambin'ny folo,roe ampahafolony ho gnan'ny aondry lahiny kiraikiraiky amin'ireo aondry roe, 15 voho ampahafolony gny meza ho gnan'ny gny kiraikiraiky amin'ireo anak'aondry efatsy ambin'ny folo. 16 Tsy maintsy manolotsy aosy raiky ho fagnatitsy oroa nohon'ny gnota ho fagnampin'ny fagnatitsy oroa mahazatsy,gny fagnatitsy hohany mikasiky gnan'ireo,voho gny fagnatitsy hinomy amin'izay nareo. 17 Amin'ny gn'andro faharoeny gny fivoria,la tsy maintsy manolotsy vantots'aomby lahiny roa ambin'ny folo,aondry lahiny roe,voho anak'aondry lahiny efatsy ambin'ny folo tao raiky,samby tsy misy handra nareo. 18 Tsy maintsy hampiarahinareo amin'ireo gny fagnatitsy hohany,gny fagnatitsy hinomy ho gnan'ireo aomby lahiny,ho gnan'ireo aondry lahiny,voho ho gnan'ireo anak'aondry,magnanova fagnatitsy lako magnaraky ze voadidy. 19 Tsy maintsy manolotsy aosy lahiny raiky ho fagnatitsy nohon'ny gnota ho fagnampin'ny fagnatitsy oroa mahazatsy,gny fagnatitsy hohany mikasiky reo,voho fagnatitsy hinomy amin'izay nareo. 20 Amin'ny gn'andro fahatelon'ny fivoria,la tsy maintsy manolotsy aomby lahiny raiky ambin'ny folo,aondry roe,voho anak'aomby lahiny tao raiky efatsy ambin'ny folo,samby tsy misy handra nareo. 21 Tsy maintsy hampiarahinareo amin'ireo fagnatitsy hohany voho fagnatitsy hinomy ho gnan'ireo aomby lahiny,ho gnan'ireo aondry lahiny,voho ho gnan'ireo anak'aondry ,magnanova fagnatitsy lako magnaraky ze voalily. 22 Tsy maintsy manolotsy aosy lahiny raiky ho fagnatitsy nohon'ny gnota ho fagnampin'ny fagnatitsy oroa mahazatsy,gny fagnatitsy hohany mikasiky gnan'izay,voho reo fagnatitsy hinomy amin'izay nareo. 23 Amin'ny gn'andro fahaefatsy gny fivoria,la tsy maintsy hanolotsy aomby lahiny folo,aondry roe,voho anak'aondry lahiny tao raiky efatsy ambin'ny folo,samby tsy hisy handra nareo. 24 Tsy maintsy hampiarahinareo amin'ireo gny fagnatitsy hohany,gny fagnatitsy hinomy ho gnan'ireo aomby lahiny,ho gnan'ireo aondry lahiny,voho ho gnan'ireo anak'aondry,magnanova fagnatitsy lako magnaraky gny voalily. 25 Tsy maintsy msnolotsy aosy lahiny raiky ho fagnatitsy nohon'ny gnota ho fagnampin'ny fagnatitsy oroa mahazatsy,gny fagnatitsy hohany mikasiky gn'ireo,voho reo fagnatitsy aidiny nareo. 26 Amin'ny gn'andro fahadimin'ny gny fivoria,la tsy maintsy hanolotsy aomby lahiny sivy,aondry lahiny roe,voho anak'aondry lahiny tao raiky efatsy ambin'ny folo,samby tsy misy handra nareo. 27 Tsy maintsy hampiarahinareo amin'ireo gny fagnatitsy hohany,gny fagnatitsy hinomy ho gnan'ireo aomby lahiny,ho gnan'ireo aondry lahiny,voho ho gnan'ireo anak'aondry,magnanova fagnatitsy lako magnaraky gny ze voalily. 28 Tsy maintsy manolotsy aosy lahiny raiky ho fagnatitsy nohon'ny gn'ota ho fagnampin'ny fagnatitsy oroa mahazatsy,gny fagnatitsy hohany mikasiky reo ,voho reo fagnatisy hinomy amin'izay nareo. 29 Aminny gn'andro fahenin'ny gny fivoria,la tsy maintsy manolotsy aomby lahiny valo,aondry roe,voho anak'aondry lahiny tao raiky efatsy ambin'ny folo,samby tsy misy handra nareo. 30 Tsy maintsy hampiarahinareo amin'ireo gny fagnatitsy hohany,gny fagnatitsy hinomy ho gnan'ireo aomby lahiny,ho gnan'ireo aondry lahiny,voho ho gnan'ireo anak;aondry,magnanova fagnatitsy lako magnaraky gny voalily. 31 Tsy maintsy manolotsy aosy lahiny raiky ho fagnatitsy nohon'ny gn'ota ho fagnampin'ny fagnatitsy oroa mahazatsy,gny fagnatitsy hohany mikasiky reo,voho reo fagnatitsy hinomy amin'izay nareo 32 Amin'ny gn'andro fahafiton'ny gny fivoria,la tsy maintsy manolotsy aomby lahiny fito,aondry lahiny roe,voho anak'aondry tao raiky efatsy ambin'ny folo,samby tsy misy handra nareo. 33 Tsy maintsy hampiarahinareo amin'ireo gny fagnatitsy hohany,gny fagnatitsy hinomy ho gnan'ireo aomby lahiny,ho gnan'ireo aondry,voho ho gnan'ireo anak'aondry,magnanova fagnatitsy lako magnaraky gny voalily. 34 Tsy maintsy manolotsy aosy lahiny raiky ho fagnatitsy nohony gn'ota ho fagnampin'ny fagnatitsy oroa mahazatsy,gny fagnatitsy hohany mikasiky reo,voho gny fagnatitsy hinomy amin'izay nareo. 35 Amin'ny gn'andro fahavalo la tsy maintsy hanao fivoria magnetriketriky hafa nareo.Tsy mahao manao gn'asa mahazatsy nareo amin'izay andro zay. 36 Tsy maintsy manolotsy fagnatitsy oroa nareo,fagnatitsy natao tamin'ny bolo mba hahavy hagnitsy soasoa ho gnan'i Yaveh.Tsy maintsy manolotsy aomby raiky,aondry raiky,voho anak'aondry lahiny tao raiky fito,samby tsy misy handra nareo. 37 Tsy maintsy manolotsy reo fagnatitsy hohanin-drozy voho fagnatitsy hinomy ho gnan'ny aomby lahiny,ho gnan'ny aondry lahiny,voho ho gnan'ny anak'aondry,magnanova fagnatitsy lako magnaraky gny lily nareo. 38 Tsy maintsy manolotsy aosy lahiny raiky ho fagnatitsy nohon'ny gn'ota ho fagnampin'ny fagnatitsy hohany mikasiky gnan-drozy,voho reo fagnatitsy hinomy amin'izay nareo. 39 Reo ro tsy maintsy haterinareo ho gnan'i yaveh amin'ireo fisinisinia ze fa voafaritsy.Ho fagnampin'ireo voady voho fagnatitsy sitraponao zay.Tsy maintsy manolotsy zay ho fagnatitsy oroa,fagnatitsy hohany,fagnatitsy aidina,voho fagnati-pilongoa nareo" 40 Nivolagnin'i Mosesy tamin'ny vahoakin'Israely gny raha iaby ze nandidiani Yaveh gnazy hovolagniny.