1 Nivola tamin'i Mosesy i yaveh ka nanao hoe;" 2 Inao gny vahoakin'israely ka volagno rozy hoe:"Tsy maintsy manolotsy soro ho Gnahy iha amin'ny fotoa voatondro,la gny hany fagnatitry natao amin'ny bolo mba hagnome hagnitsy akasitrahako ho Gnahy. 3 Tsy maintsy volagninao avao koa rozy hoe:"Zao ro fagnatitsy natao tamin'ny bolo ze tsy maintsy atolotsao ho gnan'i Yaveh,anak'aondry lahiny tao raiky tsy misy handra,roe isa maray,ho fagnatitsy oroa mahazatsy. 4 Anak'aondry raiky ro tsy maintsy atolotsao amin'ny maray,voho gny raiky koa la tsy maintsy atolotsy amin'ny hariva. 5 Tsy maintsy manolotsy koba soa lisa ampahafolon'ny meza,nasia soloky voakopakopa raiky ampahahefatsy gny hina ho fagnatitsy hohany iha. 6 Zay ro fagnatitsy oroa mahazatsy ze nindidia tam-bohitsy Sinay mba hamokatsy hagnitsy soasoa,fagnatitsy raiky natao amin'ny bolo hognan'i Yaveh. 7 Gny fagnatitsy hinomy miaraky amin'izay la tsy maintsy raiky ampahaefatsy gny hina gny gnan'ny anakaondry raiky.Tsy maintsy ararakao amin'ny toera masy gny fagnatitsy hinomy raha finomy mahery ho gnan'i Yaveh. 8 Gny anan'aondry hafa la tsy maintsy hatolotrao miaraky amin'ny fagnatitsy hohany hafa amin'ny hariva manahaky gny nalotsy tamin'ny maray.Tsy maintsy manolotsy fagnatitsy hinomy miaraky amin'izay avao koa iha,fagnatitsy natao tamin'ny bolo,mba hamokatsy hagnitsy ankasitraha ho gnan'i Yaveh. 9 Amin'ny andro sabata la tsy maintsy monolotsy anaka'aondry lahiny roa iha,samby tao raiky tsy misy handra,voho koba soa lisa roe ampahafolon'ny meza ho fagnatitsy hohany,mifangaro menaky,voho fagnatitsy hinomy miaraky amin'izay. 10 Zay la ho gnan'ny fagnatitsy oroa isaky gny Sabata,ho fagnampin'ny fagnatitsy oroa mahazatsy voho gny fagnatitsy oroa miaraky amin'izay. 11 Isaky gny voloham-bola,la tsy maintsy manolotsy fagnatitsy oroa ho gnan'i Yaveh iha. 12 Tsy maintsy manolotsy vantots'aomby roe,aondry lahiny raiky,voho anak'aondry lahiny tao raiky tsy misy handra.Tsy maintsy manolotsy koba soa lisa telo ampahafolon'ny meza ho fagnatitsy hohany mifangaro soliky ho gnan'ny aondry lahiny raiky avao koa iha. 13 Tsy maintsy manolotsy koba soa lisa mifangaro soliky ampaholon'ny meza ho fagnatitsy hohany iasaky gny anak'aondry avao koa iha.Zay ro ho fagnatitsy oroa ,mba hagnome hagnatsy soasoa,fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh. 14 Tsy maintsy ambakimira gny mezan-divay ho gnan'ny aomby raiky gny fagnatitsy hinomin'ny gny vahoaky,ampahatelon'ny meza gny gnan'ny aondry lahiny raiky,voho raiky ampahetsy gny meza gny gnan'ny anak'aondry raiky.La zy ro fagnatitsy oroa isam-bola agnatin'ny volan'ny gny tao. 15 Aondry lahiny raiky ho fagnatitsy nohon'ny gn'ota ho gan'i Yaveh ro tsy maintsy atolotsy.Zay la ho fagnampin'ny fagnatitsy oroa mahazatsy voho gny fagnatitsy hinomy miaraky amin'izay. 16 Agnatin'ny vola volohany,amin'ny fahaefatsy ambin'ny folon'ny vola,ro ho avy gny pasikin'i Yaveh. 17 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'izay vola zay ro hagnanova gny fety.Agnatin'ny fito andro,tsy maintsy mofo tsy misy lalivay ro hohany. 18 Amin'ny andro volohany,la tsy maintsy hisy fivoria masy hagnomeza voninahitsy gnan'i Yaveh.Aoky tsy hanao gn'asa mahazatsy iha amin'izay andro zay. 19 Fa koa,tsy maintsy manolotsy fagnatitsy atao amin'ny bolo iha,la fagnatitsy oroa ho gnan'i Yaveh.Tsy maintsy manolotsy vantots'aomby roe,aondry raiky,voho anak'aondry tao raiky fito,tsy misy handra iha. 20 Miaraky amin'ny aondry,la tsy maintsy manolotsy fagnatitsy hohany koba soa lisa mifangaro soliky telo ampahafolon'ny efaha iha,voho miaraky amin'ny aondry lahiny,roe ampahafolony. 21 Isaky gny raiky amin'ireo anak'aondry fito,la tsy maintsy manolotra koba soa lisa ampahafolon'ny meza iha, 22 voho aosy lahy raiky ho fagnatitsy nohon'ny gn'ota mba hagnanova fagnavota ho gnan'ny vatanareo. 23 Tsy maintsy hatolotsao ho fagnampin'ny fagnatitsy oroa mahazatsy take isa maray reo. 24 Magnaraky gny voafaritsy eto,tsy maintsy atolotsao isa maray reo soro reo,agnatin'ny fito andron'ny pasiky,la gny fagnatitsy hohany natao tamin'ny bolo,hagnitsy ankasitraha ho gnan'i Yaveh.tsy maintsy atolotsy zay ho fagnampin'ny fagnatitsy oroa mahazatsy voho gny fagnatitsy hinomy miaraky amin'izay. 25 Amin'ny gn'andro fahafito la tsy maintsy miaraky amin'ny fivoria masy mba hagnome voninahitsy gnan'i Yaveh iha,ka aoky tsy hanao gny raharaha mahazatsy iha amin'izay andro zay. 26 Amin'ny gn'andron'ny voloham-bokatsy avao koa,lafa manatitsy fagnatitsy hohany vaovao ho gnan'i Yaveh amin'ny herignan'ny fisinisinia iha,la tsy maintsy miaraky amin'ny fivoria masy mba hagnome voninahitsy gnan'i Yaveh iha,voho tsy mahazo manao gn'asa mahazatsy iha amin'izay andro zay. 27 Tsy maintsy manolotsy fagnatitsy oroa mba hahazo hagnitsy soasoa ho gnan'i Yaveh iha.Tsy maintsy manolotsy vantots'aomby lahiny roe,aondry lahiny raiky,voho anak'aondry tao raiky fito iha. 28 Manolora avao koa fagnatitsy hohany miaraky amin'ireo;la koba soa lisa mifagnaro menaky telo ampahafolon'ny meza ho gnan'ny aomby lahiny voho roe ampahafolonny ho gnan'ny aondry lahiny raiky. 29 Manolora koba soa lisa mifagnaro menaky ho gnan'ny anak'aondry fito kiraikiraiky iaby, 30 voho aosy lahiny raiky mba hagnanova fagnavota ho gnan'ny vatanareo. 31 Lafa manolotsy reo biby tsy misy handra reo iha ,miaraky amin'reo fagnatitsy mahazatsy voho fagnatitsy oroa miaraky amin'izay."