1 La niavy tamin'i Mosesy gny anak'ampelan'i Zelofada anakilahin'i Hefera anakilahin'i Gileada anakilahin'i Makira anakilahin'i Manase,baka amin'ny havorohotam-ben'i Manase anakilahin'i Josefa.Ndreto iaby gny angnarany gnanak'ampelany :Mahala, Noa, Hogla,Milka,voho Tirza. 2 Nitsanga tagnatrehan'i Misesy, Eleazara mpisoro,gny mpitariky,voho tagnantrehan'ny fiaraha-mony iaby tamin'ny filira amin'ny tragno-lay fihaogna rozy.Hoy rozy; "Maty tagny an-diomonto agny gny babanay.Tsy agnisan'ny tsikombakomba raiky tamin'ny antokon'i Kora hanohitsy gnan'i Yaveh ie.Matin'ny fahotany avao ie,voho tsy nana anakilahy. 4 Nagnino gn'agnaran'ny babanay ro nala tamin'ny hasaveregnambeny fotony tsy nana anakilahy ie?Ameo tany amin'ny longon'ny babanay rahay." 5 La nandesin'i mosesy tagnatrehan'i yaveh gny raharahan-drozy. 6 Nivola tamin'i Mosesy Yaveh ka nanao hoe;" 7 To gny volan'ny gn'anakampelan'i Zelofada.Aoky hagnome tany gnandrozy vatany iha bakamin'ny lovan'ireo longon'ny babany,ka aoky ho azonao antoky fa ho lovan'ny baban-drozy la tafita amin-drozy toka. 8 Aoky hivola amin'ny vahoakin'israely iha ka volagno hoe;"laha misy olo maty ka tsy mana anakilahy,la aoky hafalonao amin'ny anakampelany gny lovany. 9 Laha tsy mana gnanakampela ie,la hamenao gny rahalahiny gny lovany. 10 Laha tsy mana rahalahy ie,la hamenao gny rahalahin'ny babany gny lovany. 11 Laha tsy mana rahalahy gny babany la hamenao gny longony marikitsy amin'ny hasaveregnambe gny lovany.ka hangalaky gnan'izay ho gnazy ie.Ho lalagna mahery vahatsy amin'ny gny lily ho gnan'ny vahoakin'i ysraely zay,magnaraky ze fa nandidian'i Yaveh gnahy." 12 Hoy yaveh tamin'i mosesy :"Miakara am-bohitsy abarima egny ka hnteo gny tany ze nameako gny vahoakin'ny israely. 13 Afaran'ny hahitanao azy,iha avao koa,la hala ho agny amin'ny razanao,manahaky gnan'i Arona rahalahinao. 14 Hiseho zay fotony nareo roe la nanohitsy gny liliko tagny an-diomonton'i Sinay.Agny,lafa misosa amin'ny lamilamy gny rano,amin'ny fihelofanao ro tsy nahavitanao nagnome voninahitsy gnahy ho mays tagnatrehan'ny fivondrogna iaby.'Reo ro ranon'i Meriban'i Kadesy agny amin'ny liomonton'i Sinay. 15 La nivola tamin'i Yaveh Mosesy ka nisafa hoe:" 16 Aoky Iha Yaveh,Andrianagnahary ny fagnahin'olombelo iaby,hanodro olo amin'ny fivondrogna, 17 olo ze hiboaky voho holitsy amin-drozy voho hitariky gnan-drozy voho handay gnandrozy mba tsy hanahaky gn'aondry tsy misy mpiaraky gny fivondrognanao.' 18 Yaveh nivola tamin'i Mosesy hoe:"Alao Josoa anak'i Nona,johary ze hifitaran'ny gny Fagnahiko,apetraho agnaminy gny tagnanao. 19 Apetraho agnatrehan'i Eleazara mpisoro voho agnatrehan'ny fivondrogna iaby ie,ka mibaikoa gnazy agnatrehan'ny fijerin-drozy mba hitarihany gnandrozy. 20 Aoky hametraky gny fahefanao sasany agnaminy,mba hankatovan'ny fiarahamonin'Israely iaby gnazy. 21 Handeha agnatrehan'i Eleazara mpisoro mba hila gny lahatro ho gnazy amin'ny liliny ro handehan'ny gn'olo miboaky voho militsy,la ie voho gny vahoakin'Israely iaby misondry agnaminy ,gny fivondrogna iaby.' 22 La nataon'i Mosesy ze nandidian'i Yaveh hataony.Nalany Josoa ka nampetrany agnatrehan'i Eleazara mpisoro voho gny firaha-moniny iaby ie. 23 Nametraky gny tagnany tagnaminy ie ka ndidy gnazy mba hitariky,magnaraky ze fa nandidian'i Yaveh hataony.