Toko faha 26

1 Voho tafaragn'areti-mandrava ze nosafagnin'i Yaveh tagnamign'i Mosesy voho Eleazara gnanak'i Arona mpisoro. Hoy ie hoe: 2 ''Isafo gny fivondronagn'ologn'Israely iaby, manomboky gny roampolo tao noho miakatsy, araky gny fokoany, reo iaby ze afaky handeha hialy ho gnan'Israely.'' 3 Sady Mosesy voho Eleazara mpisoro nivola tamin-drozy tao ami-gny tany litsakign'i Moaba teo amorogn'i Jordana tao Jeriko nanao hoe: 4 " Isafo gn'olo, monomboky gny roampolo tao noho miakatsy, manahaky gny nibekoagn'i Yaveh gnan'iMosesy voho gn'olon'Israely, ze niboaky baka Egypta. 5 Robena no taolagnolon'Israely. Baka agnamin'i Hanoka gnanaky gny fokoa-gny Hanokita baka agnamin'i Palo gny fokoa-gny Paloita. 6 Baka agnamin'i Hezrona gny fokoa-gny Herzonita. Baka agnamin'i Karmy gny fokoa-gny Karmita. 7 Reo gny tariham-pokoagn' i Rebonita, 43.730 johary. 8 Gnanak'i Palo i Eliaba. 9 Voho gnanak'i Eliaba la Nemoela voho Datana ary Abirama. Reo avao Datana voho Abirama ze nagnaraky an'i Kora lafa nagnohitsy an'i Mosesy voho Arona sady nitoko an'i Yaveh. 10 Nanokatsy gny tsihoviny gny tany sady nitely an-drozy niaraky tamin'i Kora lafa maty iaby gny mpagnaraky azy. Tamin'izay fotoa izay ,gny bolo nandrava johary 250,zay lasa famatara. 11 Kanefa tsy lany taminga gny taranak'i Kora . 12 Gny fokoany gny taranak'i Simeona la ndreto iaby :baka amin'i Nemoela, gny fokoany gny Nemolita, baka amin'i Jamina, gny fokoan'ny Jaminita,baka amin'i Jakina, gny fokoan'ny Jakinita, 13 baka amin'i zera ,gny fokoan'ny Zerita,baka amin'i Saoly,gny fokoan'ny Saolita. 14 Reo no fokoany gny taranak'i Simeonita, zay johary miisa 22.200 . 15 Gny fokoany gny taranak'i Gata la ndreto iaby : baka amin'i Zefona , gny fokoan'ny Zefonita, baka amin'i Hagy, gny fokoan'ny Hagita, baka amin'ni Sony, gny fokoan'ny Sonita, 16 baka amin'i Ozny, gny fokoan'ny Oznita, baka amin'i Era, gny fokoan'ny Erita , 17 baka amin'i Aroda, gny fokoan'ny Arodita, baka amin'i Arely, ngy fokoan'ny Arelita. 18 Reo no fokoany gny taranak'i Gada, zay johary miisa 40.500. 19 Era voho Onana no anak'i Joda, nefa maty tagny kanana reo johary reo. 20 Gny fokoany gny tarak'i Joda, hafa la ndreto iaby: baka amin'i Sela, gny fokoan'ny Selita, baka amin'i Fareza, gny fokoan'ny Farezita, baka amin'i Zera, gny fokoan'ny Zerita. 21 Gny taranak'i Fareza la reto iaby: baka amin'i Hezrona,gny fokoan'ny Hezronita, baka amin'i Hamola gny fokoan'ny Hamolita. 22 Reo no Fokoany gny taranak'i Joda,zay johary miisa 76.500. 23 Gny fokoany gny taranak'Isakara la indreto iaby : baka amin'i Tola, gny fokoan'ny Tolita, baka amin'i Pova, gny fokoan'ny Povita, 24 baka amin'i Jasoba, gny fokoan'ny Jabosita, baka amin'i Simrona, gny fokoan'ny Simronita . 25 Reo no fokoany gny taranak'Isakara,zay johary miisa 64.300. 26 Gny fokoany gny taranak'i Zebolona la indreto iaby: baka amin'i Sedera, gny fokoan'ny Sederita,baka amin'i Elona, gny fokoan'ny Elonita, baka amin'i Jahalela, gny fokoan'ny Jahalelita. 27 Reo no fokoan' ny Zebolonita, zay johary miisa 60.500. 28 Gny fokoany gny taranak'i Josefa la i Manase voho i Efraima. 29 Reo taranik'i Manase la ndreto iaby: baka amin'i Makira, gny fokoan'gny Makirita ( Makira ro baban'i Gileada),baka amin'iGileada, gny fokoan'ny Gileadita. 30 Gny taranak'i Gileada la ndreto iaby: baka amin'i Jezera, gny fokoan'ny Jezerita,baka amin'i Heleka, gny fokoan'i Helekita, 31 baka amin'i Asriela ,gny fokoan'ny Asrielita,baka amin'i Sekema, gny fokoan'ny Sekemita, 32 baka amin'ny Semida, gny fokoan'ny Sedemita, baka amin'i Hefera, gny fokoan'ny Heferita. 33 ak'i Hefera la tsy nana anaky johary, fa anaky ampela avao.Gny gny angarany gny anak'ampelany la Mahala voho Noa voho Hogla voho Milka voho Tirza. 34 Reo to fokoan'i Manase,zay johary miisa 52.700. 35 Gny fokoany gny taranak'i Efraima la ndreto iaby : baka amin'i Sotela,gny fokoan'ny Sotelita,baka amin'i Bekera, gny fokoan'ny Bekerita, baka amin'i Tohana,gny fokoan'ny Tohanita. 36 Gny taranak'i Sotela,la baka amin'i Erana,gny fokoan'ny Eranita. 37 Reo ro fokoany gny taranak'i Efraima,zay johary miisa 32.500.Reo ro fokoany gny taranak'i Josefa,isahy so Amin'gny taranany kiraikiraky. 38 Gny fokoany gny taranak'i Bejamina la ndreto iaby : baka amin' i Bela, gny fokoan'ny Belita, baka amin'i Asibela, gny fokoan' ny Asibelita, baka amin' i Ahirama, gny fokoan'ny Ahiramita, 39 baka amin'i Sefofoma, gny fokoan' my Sefofamita, baka amin'i Homafa, gny fokoan'ny Hofamita. 40 Gny anaky lahin'i Bela la i Arda voho Namana nahazahoa gny fokoan'ny Namanita . 41 Reo no fokon'ny taranak'i Benjamina. Miisa johary 45.600 Rozy. 42 Gny fokoan'ny taranak'i Dana la, bakamin'i Shamita . Reo no fokoan'ny taranak'i Dana. 43 Gny fokoan'ny Sohamita iaby la miisa johary 64.400. 44 Gny fokoan'ny taranak'i Asera la ndreto iaby : baka amin'i Jimna, gny fokoan'ny jimnita, baka amin' Jisvy, gny fokoan'i Jisvita, baka amin'i Bena , gny fokoan'ny Berita . 45 Gny taranak'i Bena la ndreto iaby: baka amin'i Hebera, gny fokoan'ny Heberita , bakamin'i Malkiela, gny fokoan'ny Malkiela, gny fokoan'ny ,Malkielita. 46 Gny agnaran'ny anak'ampelan'i Asera la Sera. 47 Reo no fokoan'ny taranak'i Asera , zay miisa johary 53.400 . 48 Gny fokoan'ny taranak'i Naftaly la ndreto iaby : bakamin'i Jaziela, gny fokoan'ny jazielita, baka amin'i Gony, gny fokoan'ny Gonita , 49 bakamin'i Jezera, gny fokoan'ny Jezerita, baka amin'i Selema , gny fokoan'ny Silemita . 50 Reo no fokoan'ny taranak'i Naftaly , zay miisa johary 45.400 . 51 Reo no isaky fenon'ny johary teo amin'ny olon'Israely la 601.730. 52 Yaveh nivola tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 53 " Gny tany la tsy maintsy zaray eo amin'ireo johary manahaky gny lova raiky araky gny isany iaby . 54 Gny amin'ny foko bevata la tsy maintsy ameanao lova maro, voho gny amin'ny foko kelikely la tsy maintsy ameanao lova kely . Gny amin'ny fianakavia iaby la tsy maintsy ameanao lova zay isan'ny johary voaiisaky . 55 Ndra zay aza , gny tany tsy maintsy sarahy amin'ny filoka kisendrasendra . Mandova gny tany rozy laha ho zara eo amin'ny fokoan'ny razambeny . 56 Gny lovany la tsy maintsy mizara eo amin'ny foko bevata voho kely, nozara amin-drozy tamin'ny filoka kisendrasendra ." 57 Gny fokoan'i Levita , isahy isam-pokoany la ndreto iaby : baka amin'i Gersona, gny fokoan'ny Gersonita, baka amin'i Kehata, gny fokoan'ny Kehatita , baka amin'i Mirary , gny fokoan'ny Merarita. 58 Gny fokoan'i Levy la dreto iaby: gny fokoan'ny Libnita, gny fokoan'ny Hebronita, gny fokoan' ny Hebronita, gny fokoan'ny Mahalita, gny fokoan'ny Mosita, gny fokoan'ny Koralta. Voho Kehata no razamben'i Amrama. 59 Gny agnaran'ny valin'i Amrama la i Jokebeda, taranak'i Levy zay nateraky gny Levita tagny Egypta. La niteraky reo anany tamin'i Amrama ie, la i Arona voho Mosesy noho Miriama anabiny . 60 Arona niteraky an'i Nadaba voho Abiho, Eleazara noho Itamara. 61 Maty i Nabada voho Abiho lafa nagnome bolo tsy azo eke teo anoloan'i Iaveh rozy . 62 Gny lahy zay nisahy teo amin-drozy la miisaky roaly sy telo arivo, la gny lahy iaby manomboky amin'ny aja vola raiky noho miakatsy .Fa tsy voaisaky teo amin'ny taranak'Israely fotony tsy misy lova namean-drozy teo amin'ny gnolon'Israely 63 Reo no raha zay voisak'i Mosesy voho Eleazara mpisoro. nagnisaky gn'olon'Israely tao amin'ny lemak'i Moaba teo antisin'ny Jordana tao Jeriko rozy. 64 Nefa tamin'izay la tsy nisy olo bakamin'izay vaoisak'i Mosesy voho Arona mpisoro nagnisakygny taranak'Israely tagny agn 'efits'i Sinay. 65 Fotony Yaveh fa nivola fa ho faty agny agn'efitsy tokoa reo olo iaby ireo. Tsy misy olo sisa tavela tamin-drozy, afa-tsy kaleba anak'i Jefona voho Josoa anak'i Nona.