1 Nipetraky tagny Sitima gny Israely, voho nanomboky nandrantoranto tagnaminireo sevaki-gny Moaba reo gny johary, 2 fa reo Moabita nagnambara gny olo hanao soro agnamigny Ndragnaharin-drozy. Ka la nihina voho nihohoky tamigny ndranagnaharin-drozy Moabita reo gnolo. 3 Nanovo gny lahara tami-gny fanompoa gnany Bala Peroa gny joharinin' Israely, ka nirehitsy tagnaminy gny helok'i Yaveh 4 Nisafa tam'i Mosesy Yaveh hoe: "Vono iaby gny mpitariky olo ka agnovo mihanto agnatrehako mba hanehoa an-drozy amin-gnandro, ka la hiala ami-gn'Israely gny firehitsy gny heloko." 5 Ka la hoy Mosesy tagnami-reo mpitariky gny Israely hoe: "Gny kiraidraiky agnaminareo la tsy maintsy hamono gn'olony ze nangamaro lahara tami-gny fanompoa gnan'i Bala Peroa." 6 Bakeo la nisiziky gny raiky tami-gnireo joharinign' Israely ka nanday ampela Medianita raiky tami-gny longony. Niantoro tamason'i Mosesy voho gny fivondrognani-gn'olon'Israely iaby reo, laha mbo nitagny teo ami-gny varavara tragno-lay fifakatrara-ndrozy. 7 Lafa jerin'i Finehasa gnanaky lahin'i Eleazara gnanaky lahin'i Arona mpisoro raha igny, la nitsanga bakeo ami-gny fivoria ie voho nandramby lefo tantagnany tegny. 8 La nagnaraky koa johary Israelita tangainy tragno-lay reo la nagnatsatoky lefo tami-gny vatan-drozy roa, na johary Israelita na ampela igny. Ka la nijano gny areti-mandrava zay nalefan-Dranagnahary tami-gn'olon'Israely. 9 Roaly sy efatsy arivo isa gny matin'areti-mandrava. 10 Nisafa tagnamin'i Mosesy i Yaveh ka la hoy Ie: 11 "I Finehasa gnanaky lahin'i Eleazara gnanaky lahin'i Arona mpisoro, fa nangalaky gny siakiko tamign'olon'Israely fotony voasinto tami-gny zotom-po tamin-drozy ie. Ka la tsy nitely gn'olon'Israely tami-gny fahasiahako Iaho. 12 Noho zany volagno hoe: 'Yaveh misafa hoe: "Ingo, magnome fangekeam-pilongoa gnan'i Finehasa Iaho. 13 Ho gnazy voho gn'avorohotany milimby gn'azy, ho fifanenkeam-pisoro tsy ho tampitsy igny fotony nana zotom-po ho gn'Ahy, Ndranagnaharigny ie. Fa nagnonotsy ho gnani-gn'olon'Israely ie.""' 14 Gn'agnarany Johary Israelita nivonono niaraky tami-gny sevaky Midianita la i Zimry gnanaky Salo, mpitariky gny longon-droaza tagnaminireo Simeonita. 15 Gn'anaran'ampela Midianita nivonono la i Kosby gn'anaky Zora, olombem-poko voho longo ta Midiana tagny. 16 Ka la nivola tam'i Mosesy i Yaveh voho nanao hoe: '' 17 Rambeso manahaky gny fahavalo gny Midianita ka ap mpisalory rozy, 18 fotony rozy nandramby anareo manahaky gny fahavalo tami-gny fitakin-drozy. Nitariky anareo tami-gny raty rozy gny mombagn'i Peora voho gny mombagn'i Kosby anabavin-drozy, gnanaky gny mpitariky baka Midiana, ze nivonono tamign'andro gnareti-mandrava tami-gny raharahan'i Peora.''