1 Lfa jerin'i Balama fa sitrak'i Yaveh gny hitahia gn'an'Israely,la tsy nandeha nanao sikily,manahaky gny tamin'gn'androny taloha ie. Fa nijery nagnagny amin'gny tany efitsy. 2 Nampagnenty gny masony ie ka nahajery fa nitoby isaky gny fokony aby gny Israely,sady la avy tao amin'gny fagnahin-Ndranagnahary. 3 Nanday zao faminania zao ie noho nanao hoee: " Fa hisafa i Balama gnanaky lahin'i Beora,johary zay bitira-maso. 4 Mivola voho mahaja gny safa Ndranagnahary ie. Mahita fahita bak'amin'gny Tsitoha ie,zay eo agnatrehany ro hiohofany amin'gny fijeriny mahita. 5 Enteo gny hasoan'gny lainao,Jakoba,gny toera ze ipetrahanao, Israely! 6 Manahaky gny lohasaha gny fielezan'reo,manahaky gny baibo egny an-tsisiny renirano,manahaky gny vaho zay nambolen'i Yaveh,manahaky gny sedera an-tsisin-drano. 7 Mikororoky bakao an-tsinin-drozy gny rano,sady reo voa nambole la soa tondraky. Gny mpanjakan-drozy la ho abo noho i Agaga,sady gny fanjan-drozy la hamea haja. 8 Ndranagnahary ro nanday gn'azy miboaky agny Egypta amin'gny hery manahaky gny aombidia. Hateliny reo firenena zay magnohitsy an-drozy. Hanorotoro gny taolan-drozy Ie. Hitifitsy an-drozy amin'gny kititsiny Ie. 9 Magnitsaky manahaky gny liona Ie,manahaky gny liona vavy. Ia ro ahasaky hitakosoky Azy? Ze mitahy gn'azy la voatahy;ze magnozo gn'azy la voaozo." 10 Nirehetsy tamin'i Balama gny helok'i Balaka sady namokona gny tagnany tamin'gny heloky ie. Hoy Balaka tamin'i Balama: " Mikaiky anao mba hagnozo gny fahavaloko aho,fa ingo,fa intelo nitahy gn'azy iha. 11 Ka engao zaho hinanizao ka molia. Nisafa gny hagnome valisoa bevata anao zaho,kanefa Yaveh fa nangalaky anao tamin'gny fahazahoa valisoa." 12 Hoy Balama namaly an'i Balaka hoee: " Nisafagniko tamin'reo mpnday hafatsy zay nalefa tatoy amiko fa: ' Ndra hagnome gny lapany atsiky volafoty noho volamena gn'ahy aza i Balaka,la tsy afaky hihoatsy gny safan'i Yaveh voho gny raha raty na soa,na gny raha teako hatao zaho zay safagnin'i Yaveh ahy avao ro azoko volagny'. Tsy nivolagniko tamin-drozy va zay? 14 Kaihinaniky zao, himpoly agny amin'gny oloko aho. Kanefa ka meatsiny zaho fa handrara anao zay hataon'reo olo reo amin'gny olonao amin'gny andro ho avy." 15 Nanomboky zao faminania zao i Balama. Hoy ie hoe: " Balama gnanak'i Beora ro mivola,johary zay mahihitsy. 16 Zao ro faminanian'olo zay nahaja safa bak'amin-Ndranagnahary,zay manam-pahaiza bak'amin'gny Agnabo mare,zay mana fijery bak'amin'gny Tsitoha,zay eo agnatrehany ro iohofany amin'gny hihitsy. 17 Mahajery Azy zaho,fa tsy eto Ie hinanizao. Mijery Azy zahjo,fa tsy agnilako eto Ie. hisy basia hiboaky bak'amin'i Jakoba,sady tehim-panjaka hionjo bak'amin'Israely. Hanorotoro gny mpitarik'i Moaba ie sady hamotiky gny taranak'i Seta iaby. 18 Sady la ho lasa fanagnan'i Israely i Edoma,sady Seira avao koa la ho lasa fanagnan-drozy,reo fahavalon'Israely,zay ho resen'i Israely amin-tanjaka. 19 Bak'amin'i Jakoba ro hiavian'gny mpanjaka zay hana gny fanampaha,sady hamotiky reo tavela tsy maty ao amin'gny tanan-drozy Ie." 20 La nijery an'i Amaleka iBalama sady nanomboky gny faminaniany. Hoy ie nhoe: " Ameleka la fa bevata mare teo amin'reo firenena taloha,kanefa la ho faharava no ho fiafarany." 21 Bakeo la nijery tagny amin'reo Kenita i Balama sady nanomboky gny faminania. Hoy ie hoe: " Gny toera zay ipetrahanareo la matanjaky ,noho gny akaninareo la ao amin'gny harambato. 22 Ndra zay aza la ho potiky i Kaina lafa manday anao ho resy i Asiria." 23 Sady nanomboky gny faminaniany farany i Balama. Hoy ie hoe: " Loza! Ia ro ho velo la hanao zany Ndranagnahary? 24 Hisy sambo ho avy bak'agny amin'gny sisin'i Kitima;hanafiky an'i Asyria voho handresy an'i Ebera rozy kanefa,la ho faharava avao koa ro hiafaran-drozy. 25 Bakeo la niakatsy i Balama ka lasa. Noly tagny an-tragnony ie,sady lasa avao koa i Balama.