1 Hoy Balama tamin'i Balaka: " Magnoregna alitara fito eto ho gnahy sady magnomana aombilahy fito aondry fito." 2 Ka la nanao ze nangatahin'i Balama i Balaka. La nagnome aomby voho aondry raiky teo amin'reo alitara iaby i Balaka voho Balama. 3 La hoy Balama tamin'i Balaka hoee: " Mitsangana mariniky gny fagnomeza horoa la handeha zaho. Mety avy hiresaky amiko vasa Yaveh. Ndra ino ndra ino asehony gnahy la ho safagniko aminao." Ka la nandeha amin'gny farany agnabo tsy nisy hazo ie. 4 Lafa teo amin'gny farany agnabo ie,la niresaky taminy Ndranagnahary,sady hoy Balama taminy: " Fa nagnory alitara fito zaho,sady fa nagnome aombilahy raiky voho aondry raiky bakeo amin'gny kiraikiraiky. 5 Nametraky hafatsy teo an-tsiovin'i Balama i Yaveh ka nisafa hoee: " Mimpodiana agny amin'i Balama ka mivolagna aminy. 6 Ka la nimpoly tagny amin'i Balaka i Balama,zay nitsanga teo mariniky gny fanomeza horoa,sady gny mpitariky an'i Moaba iaby la nisondry taminy. 7 La nanomboky nisafa gny faminaniany i Balaka ka nivola hoee: " Fa nanday gnahy bak'agny amin'Arama,mpanjakan'i Moaba bak'agny amin'gny tendrombohitsy antignana i Balaka. ' Avia,ozogno ho ahy Jakoba; Hoy ie. Avia ,mikaiha an'Israely'. 8 Amin'gny fomba manao akory gny hagnozognako reo ze mbo tsy nohozogni-Ndranagnahary? Amin'gny fomba manao akory ro hanoherako reo zay tsy nitoherin'i Yaveh? 9 Bakeo antapony gny vatolampy ro ijereko Azy; bakeo gny amin'gny agnabo no hijerevako Azy. Ingo,misy olo zay mipetraky raiky sady tsy mametsivetsy gny vatany ho firenena tsotra. 10 Ia ro afaky nagnisaky gny lembok'i Jakoba na magnisa ndra la gny ampahefats'Israely aza? Engao ho maty amin'gny fahafatesan'gny olo-to zaho, sady engao gny fahataperan'gn'aiko hanahaky azy!" 11 Hoy Balaka tamin'i Balama: " Ino gny raha nataonao tamiko? Nandesiko hagnozo gny fahavaloko iha, Nefa ingo ,nitarihinao rozy." 12 Namaly i Balama ka nivola hoee: "Tsy tokony hitandry gny hisafa zay apetrak'i Yaveh eo an-tsioviko avao va zaho? ". 13 Ka hoy Balaka taminy: "MBA misondrea amiko ho agny an-toeran-kafa zay ahafahanao mijery an-drozy. Ho jerinao gny mariniky mare amin'reo,fa tsy i iaby. Agny ro hagnozonanao an-drozy ho ahy. 14 Ka la nandesiny tamin'gny baibon'i Zopama i Balama,teo agnabon'gny Tendrombohits'i Pisga,sady nagnory alitara fito hafa ie. Nagnome aombilahy raiky voho aondry raiky teo amin'gny alitara kiraikiraiky ie. 15 Bakeo la Hoy i Balama tamin'i Balaka: " Mitsangana marinikin'gny fagnomeza horoa eto,laha mbo mihaona amin'i Yaveh agny agnabo agny zaho. 16 Ka la nihaino tamin'i Balama i Yaveh sady nametsaky hafatsy teo an-tsioviny. Hoy Ie hoee: " Mimpodiana agny amin'i Balama sady alefaso aminy gny hafatsiko. 17 Nimpody tagny amin'i Balama,sady,ingo,nitsanga teo mariniky gny fa nomeza horoany ie,sady nisondry tamin'reo mpitarik'i Moaba. La hoy Balaka taminy: " Ino ro safagnin'i Yaveh? " 18 Natomboky Balama gny faminaniany. Hoy ie hoee: " Mitsangana,Balama,sady mijanjigna. Mihainoa gnahy,iha gnanak'i Zipora. 19 Tsy olo Ndranagnahary,ka havandy,na olombelo,ka hoe hiova hevitsy. Fa nivola va Ie fa hanao raha ka tsy nitanterahiny zany? 20 Ingo,fa ninany aho mba hitahy. Fa nagnome`fitafia Ndranahary,sady tsy afaky mandika zany zaho. 21 Tsy nahajery aly sarotsy tao amin'i Jakoba na fahoria tao amin'Israely Ie. Miaro an-drozy Yaveh Ndranagnaharin-drozy,sady eo amin-drozy gny korakoraky ho gnan'gny mpanjakany. 22 Ndranagnahary ro nanday an-drozy bak'agny Egypta tamin'gny tanjaky manahaky gny aombidia. 23 Tsy misy aoly mahazo amin'i Jakoba,voho tsy misy zara-vinta haqgnisy raty an'Israely. Fa koa,engao ho safagny gny amin'i Jakoba voho Israely hoee: " Jereo zay natao Ndranagnahary!" 24 Ingo mitsanga manahaky gny liom-bavy gn'olo,manahaky gny fiboahan'gny liona ka mamango. Tsy miegny ie laha tsy baka mihina gny hazany sady mino gny lion'zay nivonoeny." 25 La hoy Balaka tamin'i Balama: " Ka magnozo an-drozy na mitahy an-drozy." 26 Ka namaly Balama ka nisafa tamin'i Balama hoee: " Tsy fa nivola taminao va zaho fa tsy maintsy mivola raha iaby nampivolagnin'i Yaveh ho volagniko?" Ka la namaly an'i Balama i Balaka hoee: " Avia,handesiko agny amin'gny toeran-kafa iha. Fa mety hampisinisiny Andranagnahary gny hazognanao an-drozy ho gn'ahy agny". 28 Ka nandesin'i Balaka tegny ambonin'gny Tendrombohitsy Peora,zay mahita gny tany efitsy i Balama. 29 Hoy Balama tamin'i Balaka: " Magnoregna alitara fito noho magnomana aombilahy fito voho aondry fito." 30 Ka la nanao zay nivolagnin'i Balama i Balaka;nagnomea aombilahy raiky voho aondry raiky teo amin'gny alitara kiraikiraiky ie.