Toko faha 22

1 Nandeha mandram-pivorian-drozy tao amin'reo sakan'i Moaba mariny an'i Jeriko,tegny ampitan'gny Reniranon'i Jordana mienga eo amin'gny tanan'gny olon'ny Israely. 2 Nahajery ze nataon'gny Israely tamin'reo iaby Amorita i Balaka gnanak'i Zipora. 3 Natahotsy mare gn'olon'Israely i Moaba fotony maro mare rozy,ka natahotsy tamin'gn'olon'Israely i Moaba. 4 Nivola tamin-dreo olo ben'gny Midiana gny mpanjakan'gny Moaba hoee: " Hihina gny iaby magnodidy antsika manahaky gn'aomby mihinam-bilo egny ambaibo reo maro reo." Sady i balaka gnanak'i Zipora ro mpanjakan'i Moaba tamin'zay." 5 Nandefa iraky ho agny amin'i Balama gnanak'i Beora,tao Petora zay marinikin'gny Reniranon'i Eofrata,tao amin'gny tanin'gny firenena voho gn'olony ie. Nikaiky azy ie ka nanao hoe: " Ingo misy firenena bak'agny Egypta avy eto. Mandrakotsy gny tany rozy sady eto mariniky ahy zao. 6 Ka miavia lehe hananik'zao ka hozogno ho ahy zany firene zany,fotony fatratsy mare amiko rozy. Vasa mba afaky hanafiky an-drozy voho handroaky an-drozy amin'gny tany aho Haiko fa ndra ia ndra ia la ho voatahy,sady ndra ia ndra ia hozoninao,la ho voaozo." 7 Ka lasa reo oloben'i Moaba voho reo oloben'i Midiana,nanday gny vidin'gny sikily. Avy teo amin'i Balama rozy ka mivola tamin'reo volan'i Balaka. 8 Hoy Balama tamin-drozy: " Mipetraha eto androany haly." La nipetraky tamin'i Balama io matognaly io reo mpitarik'i Moaba. 9 Avy tao amin'i Balama Ndranagnahary ka nanao hoee: " Iza reo johary avy eto aminareo reo?" 10 Namaly Andranahary i Balama hoe: "Balama gnanak'i Zipora,mpanjak'an'i Moaba,ro nagniraky an-drozy handeha aty amiko. Hoy ie: 11 " Ingo,gny olo zay avy bak'agny Egypta la mandrakoky gny velaran'gny taniko. Amin'zao miavia sady ozogno rozy ho gnahy.Vasa hahavita hialy amin-drozy voho handroak'an-drozy aho." 12 Namaly an'i Balama Ndranagnahary hoee: " Tsy handeha hisondry amin'reo johary reo iha. Tsy hagnozo gn'olon'Israely iha.,fotony fa voataky rozy." 13 Nitsanga i Balama hgny maray ka nivola tamin'reo mpitarik'i Balama hoee: " Mimpodiana agny amin'gny taninareo fotony tsy manaiky gny hagnenga gnahy hisondry aminareo Yaveh". 14 La lasa reo mpitarik'i Moaba ka nimpody tagny amin'i Balama. Hoy rozy: " Tsy nagnenky hisondry aminay i Balama." 15 Nagniraky mpitariky maro ze be voninahitsy mare noho la vondrona voalohany ndraiky i Balaka. 16 Avy tagny amin'i Balama rozy ka nanao taminy hoee: " Zao gny safagnin'i Balaka gnanak'i Zipora: ' Ao tsy hisy ndra ino ndra ino hanaka anao tsy hisondry aminay, 17 Fotony handoa soa lavitsy voho hagnome voninahitsy bevata ho anao zaho,ze raha volagninao ataoko iaby. Ka mba miavia lahy ka ozogno ho ahy zany olo zany 18 Namaly Balama ka nanao tamin'reo joharin'i Balaka hoee: " Ndra hagnome gnahy gny lapany atsiky volafoty noho volamena aza i Belaka,la tsy hihoatsy gny safan'i Yaveh, Ndranagnahariko,ka nandatsaky na nampitombo ze volagniny amiko zaho. 19 Ka amizao,mba mandignasa eto avao koa ze volagnin'i Yaveh amiko." 20 Avy tamin'i Balama matognaly Ndranagnahary ka nanao taminy hoee: " Fotony avy mba hikaiky anao reo johary reo,la mitsangana ka misondrea amin-drozy. Fe ze safagniko anao ho ataonao avao ro ataonao." 21 " Nifoha maray i Balama,nagnisy lasely gny borikiny,ka nandeha nisondry tamin'reo mpitarik'i Moaba. 22 Nefa nandeha ie, la nirehitsy gny siakin-dranagnahary. Nipetraky tan-dala teo manahaky gny mpifahavalo amin'i Balama, ze nitikitsy gny borikiny gny anjelin'i Yaveh. Nisondry taminy avao koa gny mpanompon'i Balama roe. 23 Nahajery gny anjelin'i Yaveh nitsanga tan-dala teo gny boriky voho nisy meso voatsoaky tegny antagnany. Nienga tamin'gny lala boriky ka nandeha agny ambaibo. Namango gny boriky mba hampody azy amin'gny lala i Balama. 24 La nitsanga teo amin'gny faritsy hifitsy tamin'gny lala agnelagnelan'gny tanim-boaloboky maro gny anjely,sady nisy lakoro teo andaniny sady lakoro hafa teo ankilany. 25 Nahajery gny anjelin'i Yaveh ndraiky gny boriky. Nikisy gny rindry ie ka nanery gny tombony i Balama tamin'zany. Vinangon'i Balama ndraiky ie. 26 Nisiziky avao gny anjelin'i Yaveh sady nitsanga teo amin'gny toera hifitsy hafa zay tsy misy lala handehanany andaniny voho ankilany. 27 Nahajery gny anjelin'i Yaveh gny boriky,ka niravoky tan-tany tao ambanin'i Balama. Nanjeky gny helokin'i Balama,ka vinangony tamin'gny tehy boriky igny . 28 La nanokatsy gny vavany boriky igny i Yaveh mba hivola ie. Hoy ie tamin'i Balama: " Nataoko ino iha ka nahavy anao hamango ahy intelo zay? 29 Namaly boriky igny i Balama hoee: " Fotony niadaladala tamiko iha. Tokony mba nisy meso teto antagnako. Fa laha nisy,la fa nimetiko iha hinanio." 30 Hoy boriky igny tamin'i Balama: " Tsy zaho va no boriky zay niondrananao tangnatiny gny fiainanao iaby traki-hinany? Fa nanam-pahazara nanao raha manahak'zao taminao va zaho taloha? Hoy i Balama hoee: " Oho". 31 La sinokatsy i Yaveh gny fijerin'i Balama,ka nahajery gny anjelin'i Yaveh nitsanga teo amin'gny lala sady misy meso voatsatoky tegny an-tagnany ie. Nagnondriky gny lohany ka nihohoky i Balama. 32 Zao gny ataon'i anjelin'i Yaveh tamy." Nagnino iha no namango intelo gny borikinao? Ingo ,avy manahaky gny mpifahavalo aminao zaho fotony raty gny nataonao teo agntrehako. 33 Nahajery ahy intelo zay gny boriky ka nienga ahy. Lha tsy nienga ie,lafa nivonoiko vatany iha fa zaho hamelo gn'azy." 34 Zao gnataon'i Balama tamin'gny anjelin'i Yaveh: " Zaho nagnota. Tsy haiko fa nitsanga teo agnatrehako an-dala iha. Ka amizao,laha tsy mampazoto anao zany,la himpoly aho." 35 Kanefa zao gnataon'gn'anjelin'i Yaveh tamin'i Balama: " Midira misondry amin'reo johary. Fa reo safa ze safagniko anao avao ro ho volagninao." La nisondry tamin'reo mpitarik'i Balaka i Balama. 36 Lafa jan'i Balama fa tamy i Balama,la niboaky hitsena gn'azy tao an-tanan'i Moaba tao Arnona ie,zay tao amin'gny faritany. 37 Zao gnataon'i Balama: " Tsy nagniraky johary mba hikaiky gn'anao va zaho? Nagnino iha tsy niavy tamiko teto? Tsy afaky magnome voninahitsy anao vazaho?" 38 La namaly an'i Balaka i Balama hoee: " Ingo,zaho fa avy eto aminao. Mana fahefa hivola raha va zaho hinan'zao? Reo safa zay napetrak'i Yaveh ao am-bavako avao ro azoko volagny." 39 Nisondry tamin'i Balaka i Balama,sady avy tao Kiriata hozota rozy. 40 La nanao soro aomby noho aondry i Balaka ka nagnome hena ho an'i Balama voho reo mpitariky ze nisondry aminy. 41 Gny maray,la nanday an'i Balama niakatsy tagny amin'gny toera agnabon'i Balaka. Gnilany amin'reo Israelita tao an-tobin-drozy avao ro jerin'i Balama bakegny.