Toko faha 21

1 Lafa jan'i Kananita mpanjakan'i Arada,zay nipetraky tao Negeva,fa nandeha tagny amin'gny lala magnagny Atarima gny Israely,la nialy tamin'Israely ie,sady nangalaky gny sasany tamin-drozy ho babo. 2 Nivoady tamin'i Yaveh gny Israely voho nanao hoee: " Laha ameanao fandresea amin'reo olo reo rahay,la ho potehinay tanteraky gny tanan-drozy." 3 Nijanjy gny feon'i Israely i Yaveh voho nagnomea an-drozy fandresea an'reo Kananita." Nipotehin-drozy tanteraky rozy voho gny tanany. Kinaiky hoe Horma zany toera zany. 4 Nienga bakao an-tendrombohitsy Hora nandalo gny lal magnagny amin'gny riaky Mena rozy mba handeha hagnodidy gny tanin'i Edoma. Niha-kivy gny olo tegny an-dala. 5 Nivola nagnohitsy an-Dranagnahary voho Mosesy gny olo hoe: " Nagnino rahay nandesinao niakatsy hiboaky an'i Egypta mba ho maty aty agn'efitsy? Tsy misy mofo,tsy misy rano,sady halanay ty hony fadiranova ty. 6 Bakeo Yaveh nandefa bibilava nisy poizy teo amin'gny olo. Nagnehitsy gnolo reo bibilava; maro gn'olo maty. 7 Namonjy an'i Mosesy gny olo voho nanao hoee: " Nagnota rahay fotony niresaky nagnohitsy anao voho Yaveh. Mangataha amin'i Yaveh mba hangalaky reo bibilava aminay. " Ka la nangataky ho an'gny olo i Mosesy. 8 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoee: " Manaova bibilava voho fehezo amin'gny hazo lava zany. Ze voahehitsy iaby la ho velo,laha mijery zany ie." 9 Ka nanao bibilava varahy mosesy voho namehy zany tamin'gny hazo lava. Laha magnehitsy olo gny bibilava,laha nijery lay bibilava varahy ie,la velo. 10 Bakeo nandeha gny olon'Israely sady nitoby tao Obota. 11 Nandeha bakao voho nitoby Leabarima tagny agn'efitsy ze nagnatriky an'i Moaba tandrify atignana rozy. 12 Nienga bakao rozy voho nitoby tagny amin'gny lohasahan-driaky Zareda. 13 Nienga tao rozy voho nitoky tagny an-dafin'gny reniranon'i Arona,zay agny agn'efitsy zay mihitatsy bakany amin'gny faritanin'reo Amorita. Gny reniranon'i Arnona ro fari-tanin'i Moaba,agnelagnelan'ny Moaba voho reo Amorita. 14 Zany ro antony hisafagna ao amin'gny horonan-taratasin'gny Adin'i Yaveh hoee: " Vaheba agny sofa,voho reo lohasahan-driakin'i Arnona, 15 gny antsan'reo lohasahan-driaky zay mitariky magnagny amin'gny tanan'i Ara sady mijotso magnagny amin'gny faritanin'i Moaba". 16 Nienga tao rozy voho nandeha agny Bera,zay misy fantsaka ze nivolagnan'i Yaveh tamin'i Mosesy hoee: " Ajario miaraky gny olo mba hagnomezako rano an-drozy." 17 Bakeo niantsa ty beko ty gny Israely: " Niboiboika fantsaka ataovo an-gnatsa zany. 18 Fantsaka zay nihalin'reo mpitaritsika,fantsaka zay nihalin'reo manam-kajan'gny olo tamin'gny tehim-panjaka voho tehin-drozy." Bakeo la nienga tao agn'efitsy rozy nandeha agny Matana. 19 Nienga tao Matana rozy voho nandeha Nahaliela,voho bakao Nahaliela nandeha Bamota nandeha amin'gny lohasahan-driakin'gny tany Moaba. Eo agnabon'gny tendrombohitsy Pisga ro hahita gny tany efitsy. 21 Bakeo Israely nandefa mpanday hafatsy tagny amin'i Sihona mpanjakan'i Amorita nanao hoee: 22 " Engao rahay hamakivaky eo amin'gny taninao. Tsy handeha agny amin'gny baibo iaby na gny tanim'boaloboky rahay. Tsy hino bakeo amin'gny fantsakanao rahay. Handeha eo amin'gny lalan'gny mpanjaka rahay mandra-piampitanay gny faritaninao." 23 Fa tsy nengan'i Sihona mpanjaka handalo gny fari-tanin-drozy gny Israely. Fa nagnajary gny tafiny i Sihona mpanjaka gnan'Israely tagny agn'efitsy. Avy tagny Jahaza ie,zay nialianay tamin'Israely. 24 Nanafiky gny tafik'i Sihona tamin'gny meso gn'Israely sady nangalaky gny tanin-drozy Arnona ka traky agny amin'gny renirano Jaboka,traky agny amin'gny tanin'gn'olon'i Amona. Sady matanjaky gny faritanin'gn'olon'i Amona. 25 Nangalaky tanan'gny Amorita iaby reo gny Israely sady nipetraky tao amin-drozy,agnisan'zay Hesboba voho gnana-bohiny iaby. 26 Hesbona no tanan'i Sihona mpanjakan'reo Amorita,zay nialy tamin'gny mpanjakan'i Moaba taloha. Nalan'i Sihona iaby gny taniny traky agny amin'gny fari-taniny ka traky agny amin'gny Reniranon'i Arnona. 27 Zay gnantony hivolagnan'reo zay misafa amin'gny ohabolana hoee: " Avia bakao Hesbona:Engao tanan'i Sihona io ho hatsanga ndraiky voho ho apetraky ndraiky. 28 Nisy bolo mahama bakao Hesbona,lelam-bolo bakao an-tanan'i Sihona zay nandrava an'i Aran'i Moaba,voho reo tompon'reo toera agnabon'i Arnona. 29 Loza ho anao,Moaba! Rava iha,ry olon'i Kemosy. Nataony ho mpandositsy reo gnanany lahy sady gadran'i Sihona mpanjakan'reo Amorita reo gnanany ampela. 30 Fa resinay Sihona. Hesbona la rava traky agny amin'gny lala iaby mandeha agny dibona. Resinay rozy tegny amin'gny lala iaby mandeha agny Nofa,zay mandalo an'i Medeba." 31 32 Bakeo Mosesy nandefa olo magnenty an'i Jazera. Nalan-drozy gny zana-bohiny voho niroahin-drozy ze Amerita tao. 33 Bakeo niodaky rozy voho niakatsy hagnagny amin'gny lala magnagny Basana. Niboaky i Oga nagnohitsy an-drozy mpanjakan'i Basana ,ie voho gny tafiny mba hialy amin-drozy agny Edrehely . 34 Bakeo Yaveh nisafa tamin'i Mosesy hoee: "Ka matahotsy gnazy,fotony nameako fandresea eo aminy,gny tafiny iaby, voho gny taniny iha. Ataovo ze nataonao tanin'i Sihona mpanjakan'i Amorita ,zay mipetraky agny Hesbona " 35 Ka nivonoen-drozy ie ,reo gnanany johary ,voho gny tafiny iaby ,zisiky mahafaty gn'olo iaby .Bakeo la nalan-drozy gny taniny.