1 Ary gny olon'Israely,gny vondro manontolo,la nandeha agn'efitsy gny Zina tamin'gny volana voalohany;nijano tao kadesy rozy. Tagny Miriana no maty voho nalevy. 2 Tsy nisy rano ho an'gny vondrona,noho niaraky nivory hagnohitsy an'i Mosesy voho Arona rozy. 3 Nitaray tamin'i Mosesy gn'olo. Hoy rozy hoee: Soa mare laha maty manahaky gny Israelita namanay maty teo agntrehan'i Yaveh rahahay! 4 Nagnino gny fivondronan'i Yaveh no nandesinao mba ho maty aty amin'ty efitsy ity,la rahay voho biby harenay? 5 Nagnino iha no nampiakatsy anay niboaby bak'any Egypta nanday anay amin'ity toera mandigny ity? Ingo tsy misy voa,aviavy,voaloboky,na gnampongaben-dagnitsy eto,sady tsy rano hino. 6 Sady nienga teo agnatrehan'gny fivondrona i Mosesy voho Arona. Nilitsy teo amin'gny filira amin'gny tsagno lay fihaonan-drozy voho nihohoky sady niseho tamin-drozy tao gny famirapiratsin'gny voninahits'i Yaveh. 7 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh voho nanao hoee: 8 " Alao gny tehy voho avorio gny fivondrona,iha,voho Arona rahalahinao. Mivolagna amin'gny vatolampy eo amason-drozy,sady magninamba hiboiboiky rano zany. Hamokatsy rano ho gnandrozy bakao amin'gny vatolampy iha,sady tsy maintsy ameanao gny fivondrona voho reo biby fihare mba hinomy zany." 9 Nirambesin'i Mosesy bakeo agnatrehan'i Yaveh gny tehy,araky gny nagninan'i Yaveh gnazy mba hatao. 10 La namory gny olo teo agnatrehan'gny vatolampy i Mosesy voho Arona. Hoy i Mosesy tamin-drozy: "Amizao minjigna,nareo mpitoko. Tsy maintsy hampiboaky rano bak'amin'ty vatolampy ty ho gnanaoreo va rahay? 11 La nananga gny tagnany i Mosesy voho nanango gnindroa gny vatolampy tamin'gny tehy,ka rano be ro niboaky. Nino gny fivondrona,voho reo biby fihary. 12 La hoy Yaveh tamin'i Mosesy voho Arona: " Fotony tsy natoky na nagnome voninahitsy Ahy ho masy teo amason'gnolon'Israely nareo,la tsy handay gny fiangona agny amin'gny tany ze fa nameako an-drozy nareo." 13 Ty toera ty la kehinareo hoe ranon'i Meriba fotony gny olon'Israely la nisamaly tamin'i Yaveh teo,sady naneho gny vatany tamin-drozy ho masy ie. 14 Nagniraky mpanday hafatsy bakao kadesy ho agny amin'gny mpanjakan'i Edoma i Mosesy: Zao gny safagnin'Israely rahalahinao: Haiko gny aly sarotsy zay fa nahazo anay. 15 Hainao fa nijotso tagny Egypta reo razanay sady nipetraky tao Egypta naharitsy ela. Nanday anay tamin'gny fahasiahany voho reo razanay avao koa reo Egyptiana. 16 Lafa nikaiky mare an'i Yaveh rahay,la nahaja feo ie ka nandefa anjely voho nanday anay niboaky bakao Egypta. Ingo,aty Kadesy rahay,tana raiky eto amin'gny faritsy gny taninao. 17 Mangataky aminao aho mba hagnenganao anay handalo eo amin'gny tabinao. Tsy handalo amin'gny baibo na tanim-boaloboky,na hino gny rano amin'reo lava-dranonao rahay. Handeha egny amin'gny lalamben'gny mpanjaka rahay. Tsy hivio hagnavana na hagnavia rahay traky hiavianay egny amin'gny sisin-taninao." 18 F a gny mpanjakan'i Edoma namaly gnazy hoee: " Tsy mahazo mandalo eto nareo. Laha mandalo nareo,la ho avy miaraky amin'gny mesa hanafiky anareo zaho." 19 Sady gny olon' Israely nanao taminy hoe: " Mamakivaky gny lalam-be rahay. Laha mino gny ronono rahay na gny biby fiharinay,la honeranay zany. Engao avao rahay mba handeha antomboky,fa tsy anao raha hafa." 20 Fa namaly gny mpanjakan'i Edoma hoe: " Tsy mahazo mandalo nareo. " Ka avy namango an'Israely gny mpanjakan'i Edoma niaraky tamin'gny tagna maherin'reo miaramila maro. 21 Nanda gny hagnenga gny Israely hiampita teo amin'gny sisitanin-drozy gny mpanjakan'i Edoma. Noho zay,la nandeha tamin'gny tanin'i Edoma gny Israely. 22 Ka nenga tao Kadesy gny olo. Gny olon'Israely,gny fivondrona manontolo,nandeha an-tendrombohitsy Hora. 23 Nivola tamin'i Mosesy voho Arona tao an-tendrobohitsy Hora i Yaveh,eo amin'gny sisitanin'i Edoma. Hoy ie: 24 Tsy maintsy hampisondrea amin'gny olony i Arona,fa tsy hilitsy amin'gny tany ze fa nameako gny olon'Israely ie. Zany la fa samy nitoko nagnohitsy gny safako tao amin'gny ranon'i Meriba nareo. 25 Alao i Arona voho Eleazara gnanany lahy,sady andeso miakatsy agny an-tendrombohitsy Hora rozy. 26 Alao amin'i Arona reo salotsy fisorona ka ampanaovy an'i Eleazara gnanay. Tsy maintsy ho maty Arona noho hampisondrea amin'gny olony agny." 27 Nanao ze nagninan'i Yaveh i Mosesy. Niakatsy tagny an-tendrombohitsy Hora teo amason'gny fivondrona iaby rozy. 28 Nalan'i Mosesy gny salony fisoronan'i Arona Sady nampanaoviny an'i Eleazara anakin-drozy. Maty teo an-tampon-tendrombohitra i Arona. sady nijotso i Mosesy voho Eleazara. 29 Lafa jeriny vandrona iaby fa maty i Arona,la nihojy an'i Arona agnatiny gny telopolo andro gny firenena manontolo.