1 La nisafa tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Ie: 2 Mivolagna amin'gnolon'Israely voho safagno rozy hoe:lafa nareo handeha agny amin'gny tany zay hipetrahanareo,la zay hamean'i Yaveh gnanareo, la hanoma fagnomeza amin'gny bolo ho an'i Yaveh nareo na fagnomeza horoa na soro mba hagnatanteraha voady na fagnomeza bakam-po na fagnomeza amin'gny fagnambaranareo hamokatsy hagnitsy enke ho an'i Yaveh, baka amin'gny aomby na aondry. 4 Hagnome soro horoa ho an'i Yaveh nareo voho ampahafolon'gny aloa amin'gny lafariny soa lisa voaharoharo amin'gny menaky ampahefatsy gny hina ho fagnomeza hohany. 5 Mba hagnomea divay ampahefatsy gny hina ho fagnomeza hinomy ho gnan'ny gnanak'aondry iabiaby avao koa nareo, miampy fagnomeza horoa,na ho an'gny soro. 6 Laha nareo magnomea aondry lahy,la hagnoma lafariny soa lisa roa ampahafolon'ny aloa voaharo amin'gny menaky ampahatelon'gny hina nareo ho fagnomeza hohany. 7 Gny amin'gny fagnomeza hinomy ,engao hagnome divay ampahatelon'gny hina nareo. Hamokatsy hagnitsy magnitsy ho an'i Yaveh . 8 Laha nareo magnoma fagnomeza horoa na ho soro hagnatanteraha voady,na ho fagnomeza iaraha amin'i Yaveh, 9 la engao hagnome lafariny soa lisa ampahatelon'gny efaha mifangaro amin'gny menaky antsasaky gny hina miarak'amin'gnaomby ho fanomeza ho hany. 10 Engao nareo hagnome divay antsasaky gny hina ho fagnomeza hinomy,manahaky gny fanomeza vita amin'gny bolo,mba hagnome fofo magnitsy ho an'i Yaveh. 11 Engao ho vita ho gnan' gny gnaomby kiraikiraiky zay fomba zay,ho gnan'ny gny aondry lahy kiraikiraky,voho ho gnan'ny anak'aondry lahy kiraikiraky na koa aosy tanora. 12 gny soro iabiaby ze omagninareo voho amenareo la engao ho vita manahaky gny voatsipiky eto.13 La engao hanao reo raha reo amin'io fomba io gny tera-tany Israelita,lafa misy olo manday soro vita amin'gny bolo, mba hamokatsy fofo magnitsy zay tian'i Yaveh. 14 Laha misy valiny mipetraky miaraky aminareo, na koa ze mety mipetraky aminareo iaby zisiky gny taranaky olonareo, la enga hanao fanomeza vita amin'ny gny bolo ie. 15 Enga ho lily mitovy ho an'gny fiaraha-monina voho an'gny vahiny ze mipetraky miaraky aminareo, lily maharitsy zisiky amin'gny taranaky gny olonareo. Manahaky anareo, ro enga hipetrahan'ireo mpandeha avao koa eo aminareo. Engao hanao manahaky fataonareo eo alohan'i Yaveh ie. 16 Enga ho lily miaraky amin'ny lalagna mitovy ro ampihary aminareo voho gny vahiny ze mipetraky miaraky aminareo "" 17 Mbo nisafa tamin'i Mosesy ndraiky i Yaveh. Hoy ie: 18 " Mivolagna amin'gny olon'Israely voho safagno rozy hoee: Laha avy eo amin'gny tany ze halako anareo nareo, 19 laha mihina gny hany bak'amin'gny tany nareo,la engao hagnome fagnomeza voho hanoro zany Amiko nareo. 20 Bak'amin'gny voalohan-kobanareo ro tsy maintsy agnateranareo bokoboko mba hasondrotsy zany ho fagnomeza agnabo bak'amin'gny fikororoha. Engao hanondrotsy zany agnabo amin'zany fomba zany nareo. 21 Engao hagnome fagnomeza asondrotsy ho Ahy nareo zisiky amin'gny taranaky gny olonareo bak'amin'gny voalohan-kobanareo. 22 Mety hanao fahadisoa tsy nahy nareo,laha tsy magneky reo lily ze fa nivolagniko tamin'i Mosesy reo nareo _ 23 gny raha iaby ze fa nagnanarako anareo tamin'i Mosesy zisiky amin'gn'andro zay nanombohako nagnomeza lily voho mitohy zisiky amin'reo taranaky gny olonareo. 24 Amin'gny fahota tsy nahy amin'gny tsy fahafantara gny fiaraha-monina,la hagnome vatotsy aombilahy raiky gny fiaraha-monina iaby ho fagnomeza horoa mba hamoaky fofo magnitsy ho an'i Yaveh. Miaraky amin'zay la ho vita gny fagnomeza ho hany voho fagnomeza hinomy manahaky nagniraha tamin'reo lily,voho aosy lahy raiky ho fagnomeza noho ny ota. 25 Engao hanao fagnavota ho an'gny fiaraha-monina gny olon' Israely iaby gny mpisoro. Ho enga gny heloky rozy fotony fahadisoa gny fahota. Fa nanday gny sorony rozy,le fagnomeza vita tamin'gny bolo ho Ahy. Fa nanday gny fagnomeza noho gny otany teo amiko rozy ho an'gny fahadisoan-drozy. 26 La ho enga heloky iaby gny fiaraha-monin'gny olon' Israely,voho reo vahiny mipetraky miarak'amin-drozy avao koa,fotony nahavita heloky tsy nahy iaby gny olo iaby. 27 Laha manao fahadisoa tsy nahy gny olo raiky,la engao hagnome aosy vavy heritao ho fagnomeza noho gny ota ie. 28 Engao hanao fagnavota eo agnatrehan'i Yaveh gny mpisoro ho an'gny olo ze nana fahadisoa tsy nahy. Henga gny heloky zay olo zay lafa vita gny fagnovota. Engao hana lily mitovy nareo ho an'ze manao raha tsy nahy,mitovy lily ho an'ze za-tany eo amin'gny olopn' Israely voho an'gny vahiny ze mipetraky eo amin'drozy 30 Fa gny olo ze manao raha tsy amin'gny fo,na zana-tany ie na vahiny,la misafa raty Ahy. Aleo ho lany eo amin'gny olony zay. 31 Fotony fa tsy nidary gny safako ie voho nandika gny lilko,la lany tanteraky zay olozay. Ho aminny anie gny fahotany." 32 Laha mbo0 tagny an-tany agnefitsy gny olon'Israely,la nahajery johary nagnjary hazo tamin'gny andro fitsofarano rozy. 33 Reo ze nahajery gnazy la nanday gnazy tany amin'i Mosesy,Arona,voho gny fiarha-monina iaby. 34 Nitanan-drozy am-ponja ie fotony mbo tsy voaresaky ze tokony natao taminy. 35 La nisafa tamin'i Mosesy i Yaveh hoee: "Engao ho vonoe vatany lay johary. Engao gny fiaraha-monina iaby hitoraky vato gnazy agny amonton'gny toby". 36 Ka nanday gnazy amonton'gny toby gny fiaraha-monina iaby voho nitoraky vato gnazy ho maty arak'ze fa nagninan'i Yaveh an'i Mosesy. 37 Mbo nisafa tamin'i Mosesy ndraiky i Yaveh. Hoy ie: 38 "Misafagna amin'gny taranak'Israely voho nagnina an-drozy mba hanao somitr'aviavy ho an'gny vatan-drozy hiraviravy bakeoamin'gny sisin'gny salotsy ndrozy,mba hampiraviravy an-dreo isaky gny sisiny amin'gny tany manga. Engao hanao zany rozy mandritra gny taranaky gny olony. 39 Ho fampahatsiarova ho anareo manoka reo liliko iaby reo,mba hanantanteraky an-drozy ka tsy hagnetea manoka gny fonareo voho gny fijerinareo ka hivarotanareo gny vatanareo amin-drozy. 40 Atao ze mba hahatiarovanareo voho hanenkenareo gny lilko iaby,ary mba ho masy nareo,natoka ho Ahy,Ndranagnaharinareo. 41 Zaho no Yaveh Ndranangnaharinareo,zay nanday anareo niboaky gny tany Egypta,mba ho lasa Ndranagnaharinareo. Zaho no Yaveh Ndranagnaharinareo."