1 Tamizay haliky zay la nitagny mare gny fiangona iaby. 2 Nitsiko gnan'i Mosesy voho Arona gny vahoakin'i Israely iaby.Hoy gny fiangona iaby tamin-drozy:"Naleonay maty tagny amin'ny tany Egypta rahay,na amin'ny tany liomonto toy! 3 Nagnino ro manday gnanay amin'ny toy tany toy mba ho matin'ny gny meso Yaveh? Hanjary ho voamafy amin'izay gny valinay voho gnanakay.Tsy soa ho gnanay va gny mimpoly Egypta agny. 4 Nifampivola rozy hoe:"Ndao tsika hifily mpitariky hafa,ka ndao tsika himpoly Egypta agny." 5 La nihohoky tamin'ny tarehiny tagnatrehan'ny fivorian'ny fiangonan'ny vahoakin'Israely iaby Mosesy voho Arona. 6 Nandriatry gny salotsin-drozy Josoa anak'i Nona voho Kaleba anak'i Jefone,azy gnilany tamin'ireo nalefa mba hagnety gny tany iny. 7 Nivola tamin'ny fiangonan'ny vahoakin'israely iaby rozy.Hoy rozy:"Gny tany ze nandehananay voho nihenteanay la soa vatany. 8 Laha magneky gnantsika Yaveh,la handay gnantsika amizay tany zay agny voho hagnome gnazy ho gnantsika Ie.La tany vokatsy rorono voho tantely. 9 Fe ka mialy amin'i Yaveh,voho ka matahotsy gn'olo ao.Handrava gnazy moramora manahaky gny hany tsika.Hala amin-drozy gny fiarova gnan-drozy,fotony miaro gnatsika Yaveh.Ka matahotsy gnan-drozy.' 10 Fa nagnohatsy hitoraky vato gnan-drozy gny fiangona iaby.La niseho tamin'ny tragno lay fihaogna tamin'ny vahoakin'israely iaby gny voninahits'i Yaveh. 11 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy :"Zisiky ombia ro hagnanovan'ny vahoaky toy Gnahy tsy misy dikany.Zisiky ombia ro tsy hatokian-drozy Gnahy,ndra la fa nanao famantara gny heriko iaby tamin-drozy Zaho? 12 Hamely gnan-drozy amin'ny arety mandrava Zaho,tsy hampandova gnan-drozy,voho hananga firenena bevata voho fatratry mandilatsy gnan-drozy amin'ny fokonao avao Zaho." 13 Hoy Mosesy tamin'i Yaveh:"Laha manao gnan'izay Iha,la hahaja gny mikasiky gnan'izay gny Egyptina,fotony fa nandomba toy vahoaky toy tamin-drozy tami-gny herinao Iha. 14 Hivola gnan'izay aminy gn'olo amy tany toy rozy.Fa jan-drozy fa Iha ,Yaveh,ro misondry amin'ny vahoaky toy,fotony fa hita nifagnatriky Iha,Nitsanga tamin'ny vahoakinay gny rahonao.Nagnaloha gnan-drozy tamin'ny raho Iha tamin'ny gn'andro voho tamin'ny bolo tamin'ny gny haly. 15 Henanizao laha mamono gnan'ny vahoaky toy manahaky gn'olo raiky Iha,la hivola firenena reo ze fa nahanja gny lazanao ka hanao hoe:" 16 Fotony tsy nahavita nanday gnan'ny vahoaky toy tagny amin'ny tany ze nifantanao hamea gnan-drozy Yaveh,la nivinonony tagny an-diomonto rozy. 17 Henanizao,misoloho Agnaminao zaho ampisao gny herinao bevata.Fa nivola Iha hoe:" 18 Tsy malaky meloky Yaveh voho tsy mivaliky fagnekea.Mamela gny hadisoa voho gny fahota Ie.Tsy mba magnan-to gny diso Ie fa mamaly gny fahotan'ny razambe amin'ny havorohotan-drozy,la amin'ny havorohota fahatelo voho fahaefatsy. 19 Mamela,misoloho Agnaminao zaho,gny fahotan'ny toy vahoaky toy nohon'ny habevatan'ny gny fandeferanao,manahaky gny fa namelanao zisiky farany gnan'itoy vahoaky toy namototsy tamin'ny fotoa naha tagny Egypta gnan-drozy zisiky henanizao." 20 Hoy Yaveh:"Fa namela gnan-drozy amin'ny fagnantanteraha gny fangatahano Zaho, 21 kanefa to tokoa,laha mvo velo koa Zaho, ka ho atriky gny voninahitro gny tany iaby, 22 gn'olo iaby ze nahita gny voninahitro reo voho gny famantara ny gny hery ze nataoko tagny Egypta voho tagny an-diomonto reo la mbo nitsapa fagnahy Gnahy impolo rozy voho tsy ninjanjy gny safako. 23 Ka mivola Zaho fa tsy hahita gny tany ze nifantako tamin'ny razan-drozy tokoa rozy.Tsy hisy ndra raiky amin-drozy ze nanao Gnahy tsy misy dikany ro hahita gnazy, 24 akoatsin'i Kaleba manompoko,fotony soa fagnahy ie.Fa nagnaraky Gnahy vatany ie;la handay gnazy amin'ny tamin'ny tany ze nandehanany nihinentiny Zaho.Nangalaky gnazy ho hanagnany gny havorohotany. 25 (Ka Amalekita voho Kananita reo la nifitaky tagny am-bavasaha)Mimpolia ka mandehana anyan-diomonto amin'ny lala magnany amin'ny riaky Mena hamaray." 26 Nivola tamin'i Mosesy voho Arona i Yaveh.Hoy Ie:"Zisiky ombia ro handeferako gnan'ny fiangona raty toy ze magnaraty Gnahy toy? Fa jako gny toreotoreon'ny vahoakin'ny Israely Agnamiko. 28 Volagno amin-drozy hoe:" laha mbo velo koa Zaho,hoy Yaveh,manahaky gny novolagnanireo tan-tsofiko teo,ro hagnanovako gnan'izao aminareo: 29 Hiampatsampatsy an-diomonto atoy gny fatinareo,la nareo iaby ze nitaray Agnamiko,nareo ze voaisaky tamin'ny fagnisaha gn'olo,gny fitambaran'ny gnisan'ny gn'olo ropolo tao miakatsy. 30 Tsy hilitsy agny amin'ny tany ze nampagnatenako hifitaranareo tokoa nareo,akoatsin'i Kaleba anikin'i Jefone voho Josoa anakin'i Nona. 31 Nefa gny anakareo ze volagninareo fa ho voamafy,la handesiko militsy amin'ny tany zao rozy.Hivelo amin'ny gny tany ze halanareo rozy! 32 Ka gny agnaminareo,la hiampatsampatsy an-diomonto atoy gny fatinareo. 33 Ho mpiarakandro an-diomonto atoy agnatin'ny telopolo tao gnanakareo reo. Tsy maintsy hitratra gny valin'ny gn'asareo zisiky hahafaty gnanareo an-diomonto atoy rozy. 34 Manahaky gny isan'ny gn'andro nisafoanareo gny tany efapolo andro,la tsy maintsy hitratra gny valiny gny fahotanareo agnatin'ny efapolo tao manahak'izay koa nareo tao raiky ho gnan'ny gn'andro raiky,la ho hainareo hoe manao akory rafiko zao. 35 Zaho,Yaveh,ro fa nivola.Hataoko gnan'ny fiangona raty ze mivory hanohitsy Gnahy toy tokoa zay .Hofongorako vatany rozy,la ho maty eto." 36 Ka gny johary ze nirahin'i Mosesy mba hisafo gny tany 37 la matin'ny gn'arety mandrava tagnatrehan'i Yaveh teo iaby.Reo la azy johary ze nimpily ka nanao tatitsy raty mikasiky gny tany.Zay ro nampitaray gny fiangona iaby agnamin'i Mosesy. 38 Amin'ireo johary ze nandeha mba hisafo gny tany,la i Josoa anak'i Nona voho Kleba anak'i Jefone avao ro sisa velo. 39 Lafa nitatitsy reo safa reo tamin'ny vahoakin'Israely iaby Mosesy,la nalahelo mare rozy. 40 Nifoha maraindraim-be rozy ka nagnagny an-bohitsy agny ka nano hoe :"Ingo,ndreto rahay,ka ndeha ho agny amin'ny toera ze nampagnatenan'i Yaveh fe fa nanota zahay." 41 Fe hoy Mosesy:"Nangino nareo ro mandika gny lilin'i Yaveh henanizao?Tsy handrary gny lianareo. 42 Ka mandeha,fotony tsy miaro gnanareo hisaka gny fahavalonareo handresy gnanareo Yaveh. 43 Agny amin'ireo Amalekita voho reo kananita ,ka ho matin'ny gny meso nareo fotony fa nania tamin'ny fagnaraha gnan'i Yaveh nareo.Ka tsy hagnaro nareo Ie." 44 Nefa nahasakisaky niakatsy tagny amin'ny tany abo rozy,ndra zay aza,la tsy niala tan-toby tao i Mosesy na gny fiaran'ny fanekaen'i Yaveh. 45 La nijojo gny Amalekita,voho reo Kananita ze nifitaky tamin'ny tany abo io koa.Nanafiky gny Israelita voho nadresy gnandrozy tagny an-dala magnagny Horma iaby rozy.