1 La nivola tamin'i Mosesy i Yaveh.Hoy Ie hoe:" 2 Mandefasa johary maromaro mba hagnenty gny tany Kanana,ze hameako gny vahoakin'Israely.Mandefasa johary raiky isaky gny fokon'ny razamben-drozy iaby.Reo johary kiraikiraiky reo la tsy maintsy miparitaky amin-drozy eo. 3 Nandefa gnan-drozy tagny an-diomonton'i Parana i Mosesy,mba hahafan-drozy magnaraky gny lilin'i Yaveh.Rozy iaby la samby niparitaky tamin'ny vahoakin'Israely iaby. 4 Reto ro agnaran-drozy:bakamin'ny fokon'i Robena la i Samoa anakilahin'i Zakora; 5 bakamin'ny fokon'i Simeona la i Safata,anakilahin'i Hory; 6 bakamin'ny fokon'i Joda la i Kaleba anakilahin'i Jefone; 7 bakamin'ny fokon'i Isakara la i Jigala anakilahin'i Josefa; 8 bakamin'ny fokon'i Efraima la i Hosea anakilahin'i Nona; 9 bakamin'ny fokon'i Bejamina lai Palty anakilahin'i Rafo; 10 bakamin'i Zebolona la i Gadiela anakilahin'i Sody; 11 bakamin'ny fokon'i Josefa (ze midika hoe bakamin'ny fokon'i Manase) la i Gady anakilahin'i Sosy; 12 bakamin'ny fokon'i Dana la i Amiela anakilahin'i Gemaly; 13 bakamin'ny fokon'i Asera la i Setora anakilahin'i Mikaela; 14 bakamin'ny fokon'i Naftaly la i Naby anakilahin'i Vofsy; 15 bakamin'ny fokon'i Gada la i Geoela anakilahin'i Maky. 16 Reo ro agnarany reo johary ze nalefan'i Mosesy mba hagnety gny tany.Nikaihy tamin'ny agnara hoe Josoa i Hosea anakilahin'i Nona. 17 Nalefan'i Mosesy mba hagnety gny tany Kanana rozy.Hoy ie tamin-drozy hoe:"Milira baka Negeva ao ka miakara agny amin'ny tany abo. 18 Henteo gny tany mba hahitantsika azy hoe manao akory.Diniho soa gn'olo mifitaky ao,asa fatratry sa malely, voho lako va tsy ampy. 19 Henteo gny tany ifitaran-drozy.Soa va zao sa raty?Tana ino ro ao? Manahaky gny toby va rozy sa mivala? 20 Henteo gny tany,laha soa hambolea va sa tsy mety,voho laha misy hazo mitiry ao na tsy misy.Mifatrara ka magnadesa santionany ami-gny vokatsy ny tany zao."Ka tamizay fotoa zay la fotoa fivokaran'ny voaloboky. 21 Ka la niakatsy johary reo ka nagnety gny tany baka an-diomonton'i Sinay ka zisiky Rehoba,agnilan'i Lebo Hamata. 22 Niakatsy baka Negeva agny rozy ka niavy tagny Hebrona.Ahimana,Sesay,voho Talmay,reo fokon'i Anaka la toa. Ka Hebrona la fa tafatsanga fito tao talohan'i Zoana gny Egypta. 23 Lafa niavy tao amin'ny vavasahan'i Eskola rozy,la nanapaky tahom-boaloboky.Nilanjan-drozy roelahy tami-gny tehy zay.Nanday ampongaben-dagnitsy voho aviavy avao koa rozy. 24 Zay toera zay la nikaihy hoe vavasahan'i Eskola,nohon'ny gny tahom-boaloboky ze nitapahin'ny vahoakin'i Israely tao. 25 Afaky efapolo andro,la nimpoly baka am-pagnetea gny tany agny rozy. 26 Nimpoly tamin'i Mosesy,Arona,voho gny fivorian'ny vahoakin'Israely tagny an-diomonton'i Parana,tagny Kadesy rozy.Nanday valin-teny tami-drozy voho tamin'ny fivondrogna iaby,ka nagnatoro tami-drozy gny vokatsy tamin'ny tany zao tao. 27 Hoy rozy tamin'i Mosesy hoe:"Niavy tamin'ny tany ze nagnirahanao gnanay rahay.Vatany vokatsy ronono voho tantely tokoa tany zao.Ndreto gny santionananny gny vokatsy bakao. 28 Ndra zay aza,gn'olo mifitaky amin'ny tany zao ao la fatratry.Gny tana ao la mivala voho bevelara.Nahita gny havorohotan'i Anaka tao avao koa rahay. 29 Gny Amalekita mifitaky agny Negeva.Gny Hetita,Jebosita,voho gny Amorita la mamboatsy gny tragnony amin'ny gny tany abo.Gny Kananita la mifitaky amoron-driaky egny voho magnaraky gny Ony Jordana." 30 Ka kaleba nampiegny gny vahoaky ze tagnatrehan'i Mosesy ka nanao hoe:"Aoky rahay hiakatsy ka hangalaky gny tany ho gnantsika ,fotony la ho vitantsika gny handresy gnazy." 31 Fa johary hafa ze nisondry tamin-drozy reo la nanao hoe:'Tsy vitantsika gny hanafiky gnan'ny vahoaky reo fotony fatratry mandilatsy gnantsika rozy." 32 Ka la nagnely tatitsy mahakamo gny vahoakin'Israely mikasiky gny tany ze fa nihentean-drozy rozy.Hoy rozy hoe:"Gny tany ze nihenteanay la tany mitely gn'olony.Gn'olo iaby ze hitanay la bevata abo avao. 33 Nahita olo bevata tao zahay,gny havorohotan'i Anaka,olo ze bakamin'olo bevata.Laha gny fahitanay azy manoka la manahaky gny valal tsika agnilan-drozy eo,ka la manahak'izay koa rahay laha hentean-drozy.