Toko faha 12

1 Bakeo Miriama voho Arona niresaky nanohitsy gnan'i Mosesy noho gny ampela Kosita zay nalany. 2 Hoy rozy hoe:"Mosesy avao va ro nivolagnan'i Yaveh?Moa tsy niresaky tamintsika koa va Ie?"Ka la jan'i Yaveh gny raha nivolagnindrozy. 3 Ka la vatany miambany gny johary Mosesy,be fiambania mandilatsy gn'olo iaby an-tany eto. 4 Teo noho eo Yaveh la niresaky tamin'i Mosesy,Arona,voho Miriama hoe:"Miboaha,nareo telo,ho agny ami-gny tragno lay fihaogna."Noho zay la niboaky rozy telo. 5 Bakeo Yaveh nijotso tegny ami-gny raho.Nitsanga teo ami-gny filira ao ami-gny layt Ie ka nikaiky gnan'i Arona voho Miriama.Samby niroso rozy roe. 6 Hoy Yaveh hoe:"Henanizao janjigno gny safako.Lafa misondry agnaminareo gny mpaminaniko,la hagnambara gny vatako aminy ami-gny fahita Zaho ka hiresaky agnaminy agnatin'ny gny nofy. 7 Tsy manahak'izay Mosesy mpanompoko.Matoky ie ao ami-gny tragnoko iaby. 8 Miresakymivanta amin'i Mosesy Zaho,fa tsy amin'ny fahita na ankamantantsy.Hitany gny tarehiko.Koa nagnino nareo ro tsy mavaka gny hiresaky hanohitsy gny mpanompoko,manohitsy gnn'i Mosesy?" 9 Nirehitsy tamin-drozy gny fihelofan'i Yaveh,ka bakeo Ie nenga gnandrozy. 10 Niala teo ami-gny lay gny raho,ka Miriama nanjary boka tampoky-foty manahaky gny havandra ie.Lafa nitoliky tagny amin'i Miriama i Arona,la hitany fa nisy haboka ie. 11 Hoy Arona tamin'i Mosesy hoe:"Tompoko,ka tanjahy agnaminay toy fahota toy,Niresaky hasagnagna rahay,ka nanota. 12 Ka enga hanahaky gn'aja vo teraky maty ze ritsy gnilany gny nofony laha vo teraky bakan-kibon-dreniny ao ." 13 Noho zay la nikaiky gnan'i Yaveh i Mosesy.Hoy ie hoe:"Misoloho lahy mba sitragno ie,Andrianagnahary,misoloho ." 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe:"Laha nandora tami-gny tarehiny gny babany,la ho afa-baraka agnatin'ny fito andro ie.Hilio ambaliky gny toby agnatin'ny fito andro ie." 15 Ka la nihiliany tambaliky gny toby tagnatin'ny fito andro ie.Tsy nandeha gny vahoaky zisiky nimpoliany tan-toby tao. 16 Tafaran'izay,la niavy tao Hezerota gny vahoaky ka nivori tagny an-diomonton'i Parana.