1 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh.Hoy Ie:" 2 Magnanova trompetra volafotsy roe.Tefe amy tagna ro hagnanovanao gny volafotsy.Tsy maintsy mampiasa gny trompetra iha hikoiha gny fiagnona hamalo gny tobin-drozy. 3 Reo mpisoro la tsy maintsy hitsoky gny trompetra mba hikaiha gny fiangona iaby hiharo agnatrehanao eo amin'ny filira magnagny amin'ny trano lay fihaogna. 4 Laha trompetra raiky avao ro tsofin'ny reo mpisoro,la hivory agnaminao gny mpitariky,reo lohan'ny fokon'Israely. 5 Lafa mitsoky famantara mare nareo,la tsy hanomboky gny lian-drozy gny toby agny antignana. 6 Lafa mitsoky gny fanaira mare fagnidroany nareo,la hanomboky gny lian-drozy gny toby agny atimo.Tsy maintsy mitsoka fanaira mare ho gnan'ny gny lian-drozy. 7 Lafa mivory miaraky gny fiangona,la tsofo gny trompetra fe tsy mare didiky. 8 Reo anakilahin'i Arona,reo mpisoro,ro tsy maintsy mitsoky reo trompetra.Zay la ho lalagna mandrakariva ho gnanareo zisiky amin'ny havorohotanan'ny vahoakinao. 9 Lafa mandeha mialy agny amin'ny taninareo hanohitsy gny mpialy ze mampijaly gnareo nareo,la tsy maintsy hampagneno fanaira amin'reo trompetra.Zaho,Yaveh Andrianagnaharinareo,ro hahatiaro gnanareo ka handomba gnanareo amin'reo fahavalonareo. 10 Voho,amy reo fotoan'ny fankalaza,la reo fisinisinia mahazatsy voho amy reo fanombohan'ny vola,la tsy maintsy hitsoky trompetra reo nareo ho fankalaza gny fagnatitsy oroanareo voho reo soro hafa ho gnan'ny fagnati-pilingoanareo.Hatao zay ho fahatiarovanareo Gnahy,lay Andrianagnaharinareo.Zaho ro Yaveh Andrianagnaharinareo." 11 Tamin'ny gny tao faharoe,tamin'ny gny vola faharoe,tamin'ny gn'andro faha ropolon'ny gny vola,la niakatra bakamin'ny gny tabernakelin'ny lalagnan'ny fanekea gny raho. 12 Nanohy gny liany niala tagny an-diomonton'i Sinay gny vahoakin'Israely.Nijano teo amin'ny tany liomonton'i Parana gny raho. 13 Nanao gny lian-drozy volohany,magnaraky gny lilin'i Yaveh ze nameany tamin'ny alalan'i Mosesy rozy. 14 Gny toby ambanin'ny gny fanevan'ny havorohotan'i Joda ro niboaky volohany,nampiboaky reo fialiany iaby.Nasona anakilahin'i Aminadaba nitariky gny tafik'i Joda. 15 Netanela anakilahin'i Zoara nitariky gny tafiky gny fokon'ny havorohotan'Isakara. 16 Eliaba anakilahin'i Helona nitariky gny tafiky gny fokon'ny havorohotan'i Zebolona. 17 Reo havorohotan'i Gersona voho Merary,ze niandraikitsy gny tabernakely,la nampijotso gny tabernakely ka nienga tamy gny lian-drozy. 18 Bakeo,gny tafiky ambanin'ny gny fanevan'ny tobin'i Robena la nienga.Elizora anakilahin'i Sedeora nitariky gny tafikin'i Robena. 19 Selomiela anakilahin'i Zorisaday nitariky gny tafiky gny fokon'ny havorohotan'i Simeona. 20 Eliasafa anakilahin'i Doela nitariky gny tafiky gny fokon'ny havorohotan'i Gada. 21 Nienga Kehatita reo.Nanday gny fitaova masy tao amin'ny fitoera masy.Gny sasany la nananga gny tabernakely talohan'ny niavian'ny Kehatita teo amin'ny toby manaraky. 22 Reo tafiky ambanin'ny fanevan'ny havorohotan'i Efraima reo ro nienga magnaraky.Elisama anakilahin'i Amihoda nitariky gny tafik'i Efraima. 3 Gamaliela anakilahin'i Pedazora nitariky gny tafiky gny fokon'ny havorohotan'i Manase. 24 Abidana anakilahin'i Gideony nitariky gny tafiky gny fokon'ny havorohotan'i Bejamina. 25 Reo tafiky ze nivory tambanin'y fanevan'ny havorohotan'i Dana ro nienga farany.Ahiezera anakilahin'i Amisaday nitariky gny tafik'i Dana. 26 Pagiela anakilahin'i Okrana nitariky gny tafiky gny fokon'ny havorohotan'i Asera. 27 Ahira anakilahain'i Enana nitariky gny tafiky gny fokon'ny havorohotan'i Naftaly. 28 Tamy zay fomba zay ro niengan'ireo tafiky gny vahoakin'Israely tami-gny liany. 29 Nivola tamin'i Hobaba anakilahin'i Regoela Midianita i Mosesy.Regoela ro baban'ny valin'i Mosesy.Niresaky tamin'i Hobaba i Mosesy ka nivola hoe:"Hnandeha amin'ny gny toera ze nifaritan'i Yaveh rahay.Hoy Yaveh:"Hameako gnanareo zay."Andao hisondry agnaminay la hagnanovanay soa nareo.Yaveh fa nampagnatena gny hanao soa gnan'Israely." 30 Fa hoy Hobaba tamin'i Mosesy:"Tsy handeha hisondry agnamiano zaho.Handeha ho agny an-taniko voho gn'oloko zaho." 31 Ka la namaly Mosesy hoe:"Ndao lahy ka magnenga gnanay iha.Iha mahay gny hivorianay an-diomonto agny.Tokony hiamby gnanay iha. 32 Laha handeha hisondry agnaminay iha,la hataonay agnaminao gny soa ze nataon'i Yaveh tagnaminay.' 33 Nandeha niala gny vohitsin'i Yaveh tagnatin'ny telo andro rozy.Gny fiaran'ny fanekean'i Yaveh nandeha talohan-drozy teo tagnatin'ny telo andro mba hila toera hitofan-drozy. 34 Gny rahon'i Yaveh la tagnambon-drozy teo tamin'ny gn'andro laha nandeha rozy. 35 Lafa mienga gny fiara,la mivola Mosesy hoe:"Mtsangana,ry Yaveh.Aparitaho gny fahavalonao.Ampilaiso hiala agnaminao ze malay gnanao." 36 Lafa minjano gny fiara,la mivola MOsesy hoe:"Mimpolia,ry Yaveh,amin'Israely angn'aliny lako."