1 Ka Yaveh nivola tamin'i Mosesy tagny an-diomonton'i Sinay,tamin'ny gny vola volohany tamin'ny gny tao faharoe tafarany gny niboahan-drozygny tany Egypta.Hoy Ie hoe:" 2 Aoky gny vahoakin'Israely hitandry gny pasiky amin'ny fotoa tsy miovaova ami-gny tao. 3 Amin'ny harivan'ny gn'andro faha efatrambin'ny folo amin'ny vola toy,ro tsy maintsy hitandremanao gny pasiky amin'ny fotoa tsy miovaova amin'ny gny tao.Hitandry gnazy iha,araho gny lily voho gny fitsipiky iaby,ka ankatovo gny lily iaby ze mifagnaraky amizay." 4 Ka,nivola tamin'ny vahoakin'Israely i Mosesy fa tokony hitandry gny fisinisiniany gny pasiky rozy. 5 La nitsndry gny pasiky tamin'ny vola lolohany rozy,tamin'ny gn'andro efatrambin'ny folon'ny gny vola,tamin'ny hariva,tagny an-diomonton'i Sinay.Nagnaraky gny raha iaby ze nandidian'i Yaveh hataon'i Mosesy gny vahoakin'Israely. 6 Ka nisy gn'olo sasany naloto tamin'ny gny fatin'olo raiky.Tsy afaky nitandry gny pasiky tamizay andro zay rozy.La nandeha tangnatrehan'i Mosesy voho Arona rozy tamin'izay andro zay. 7 Hoy olo reo tamin'i Mosesy:"Maloto nohon'ny gny fatin'olo rahay.Nagnino ro tsy enganao hagnatitsy soro ho gnan'i Yaveh amin'ny fotoa tsy miovaova amin'ny gny tao misondry amin'ny vahoakin'Israely rahay?" 8 Hoy Mosesy tamin-drozy:"Lingaso tseky ,hinjajy ze raha hovolagnin'i Yaveh mikasiky gnanareo zaho. 9 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh.Hoy ie hoe:" 10 Mivolagna amin'ny vahoakin'ny Israely .Volagno hoe:"Laha misy olo maloto aminareo na gny havorohotareo nohony gny fatin'olo,na amin'ny gny lia lavitsy,la tsy afaky mintandry gny pasiky ho gnan'i Yaveh rozy." 11 Aoky hitandry gny pasiky amin'ny harivan'ny gnandro fahefatry ambin'ny folo amin'ny gny vola faharoa rozy.Mofo tsy misy lalivay voho tsaka mafaitsy ro tsy maintsy hihinanay gnazy. 12 Tsy tokony hagnega gnan'izay ho loakandro rozy,na hanapaky gny taolany.Aoky hagnaraky gny lily voho gny fitsipiky iaby amin'ny pasiky rozy. 13 Fa gn'olo ze malio voho tsy nandeha lavitsy, fe tsy mitandry gny pasiky,zay olo zay la hofongora tsy ho eo amin'ny olony fotony tsy nagnatitsy fagnatitsy ze taken'i Yaveh amin'ny fotoa tsy miovaova amin'ny gny toa ie.Zay olo zay la zitratra gny hadisoany. 14 Laha misy vahiny mipetraky agnaminao eo ka mitandry gny pasiky ho voninahits'i Yaveh,aoky ie hitandry zay voho hagnaraky lily iaby reo,voho hagnaraky gny lalagnan'ny gny pasiky,ka magnaraky gny lalagnan'izay.Aoky hana lalagna mitovy ho gnan'ny gny vahiny voho ze fa nateraky amin'izay tany zay iha. 15 Tamin'ny gn'andro nametraha gny tabernakely,gny raho nagnaro gny tabernakely,gny lain'ny gny fagnekea.Tamin'ny hariva gny raho la tagnambon'ny gny tabernakely.Hiseho manahaky gny bolo zisiky maray zay. 16 Nitohy nanahaky gnan'izay avao zay.Nagnaro gny tabernakely gny raho voho niseho ho manahaky gny bolo amin'ny gny haliky. 17 Ndra ombia ombia gny raho ro nampiakary bakamin'ny gny lay,la nienga tamy gny liany gny bahoakin'Israely.Ndra taia taia ro nijanognan'ny gny raho,la nivory teo gny vahoakin'Israely. 18 Magnaraky gny lilin'i Yaveh,gny vahoakin'Israely la nandeha,voho tamin'ny gny liliny,ro nivorian-drozy.Laha ninjano tagnambon'ny tabernakely teo gny raho,la nijano tagny amin'ny tobiny rozy. 19 Lafa nipetraky andro lako tagnambon'ny tabernakely teo gny raho,la nagnaraky gny toro-lalan'i Yaveh rozy ka tsy nandeha. 20 Ndraindraiky gny raho la mipetraky andro maromaro agnambon'ny tabernakely eo.Tamizay raha zay,la nagnaraky gny lilin'i Yaveh rozy-nivory voho nanohy gny liany ndraiky tamin'ny liliny. 21 Ndraikidraiky gny raho la minjano nivory namototsy amin'ny hariva ka la zisiky maray.Laha niakatsy maray gny raho,la nandeha rozy.Laha nitohy andro amagn'aly zay,ka lafa niakatsy avao gny raho vo nanohy gny liany rozy. 22 Ndra roe andro,ndra vola raiky,ndra tao raiky ro ijanognan'ny gny raho agnambon'ny tabernakely eo,laha mbo mijano eo koa zay,la minjano amin'ny gny tobiny voho tsy mandeha gny vahoakin'Israely.Fa isaky nakary gny raho,la nandeha tamy gny liany rozy. 23 Nivory magnaraky gny lilin'i Yaveh rozy.Ngnaraky gny lilin'i Yaveh zay namea bakamin'i Mosesy rozy.