Toko faha 9

1 Mijaka ny marina ao amin'i Kristy iaho. Tsy mivandy iaho ary ny eritreritro no vavolombelogna miarake aminahe ao amin'ny fagnahy masina, 2 fa hônahy die misy alahelo lehibe ary fahorena tsy mijanogna ato am-poko. 3 Fa afaka nagniry aho fa iaho tegnako die ho vôtsitsike ka hisitake amin'ny Kristy nohon'ireo rahalahiko, areo ijay raike firajagnana aminahe araka ny nofo. 4 Ijy ireo dia Isiraelita. Ijy ireo die managna fananganana, ny voninahitra, ireo fankatoavana, ny fagnomejan'ny lalàna, ny fiderana an'Andriamanitra, ary ireo fampagnatenana. 5 Ny anajy ireo die ireo rajagna ijay nahatonga an'ni Kristy ho tonga nofo, Ijy ijay Andriamanintra ambonin'ny abiaby. Ho deraina mandrakijay anie Ijy. Amena. 6 Fa tsy fôgna ijay nampanatenain'Andriamanitra. Fa tsy ijay rehetra avy agny Isiraely no tena an'Isiraely. 7 Na ireo taranak'i Abrahama abiaby no tena janagny. Fa: "Amin'ny alalan'Isaka no hentsôna ireo taranakao" 8 Ijany hoe, ireo janakin,ny nofo die tsy janak'Andriamanitra. Fa ireo janakin'ny fampanatenana no resine ho taranaka. 9 Fa hôtran,ny jao ny tenin'ny fampagnatenana: "Amin'ijany fotôgna ijany die ho avy aho, ary hamena jajalelahy Saraha." 10 Tsy ijany mandy, fa aviteo koa i Rebeka hanagna anake amin'ny lelahy raike, Isaka iabantsena_ 11 fa mbola tsy teraka akory ireo jaja ary mbola tsy nagnano raha tsara na ratsy, mba ho tahakan'ny tanjogn'Andriamanitra araka ny fisafidianana, tsy noho ireo asa, fa noho Ijy ijay mangaika 12 nijakaina tamin'draviavy hoe: "Ny jokiny die hagnampy ny jandriny. 13 "Ijany die tahak'ijay vôsoratra hoe: "Jakoba tieko fa Esao halako." 14 Ino ary no ho hijakaintsena? Misy tsy fahamarinana ve miaraka amin'Andriamaintra? 15 Tsy hisy mihitsy anie ijany. Fa hoy ijy tamin'i Mosesy hoe: "Hamindra fo amin'ijay tieko hamindrana fo aho. 16 "Noho ijany ary, die tsy noho ijy magniry ijany, na noho ijy ijay mihajakajake, fa noho Andriamanitra, ijay nampiseho ny famidram-po. 17 Fa ny soratra Masina nagnambara tamin'i Farao hoe: "Fa noho ijany antony ijany no nanandratako anao, mba hanehôko aminao ny heriko, ary mba hagnambarana ny heriko eran-tany. 18 "Noho ijany, Andriamanitra die mamindra fo amin'ny je-tiène, ary je-tiène no ho hamafisiny fo. 19 Aviteo hijaka aminahe anareo hoe: "Nahôna no mbola mahita tsigny hiany Ijy?" Fa ija no mahatohitra ny sitram-pone?" 20 Mifanohitra amijane, ralelahy, ija moa anao no mamaly manohitra an'Andriamanitra? Moa ijay efa niomankomagnina ho mpagnomagna ijany hoe: "Nahôna no namboarinao hôtran'an'ijao iaho?" 21 Moa ny mpanefy vilagny tsy managna zo amin'ny tanimanga ka ny vongagna raike mandy no hamboarana fitobohana amin'ny andro vôtokagna, ary fitobohana raika hafa amin'ny andro andavanandro? 22 Ahôna laha Andriamanitra, ijay te-hampiseho ny fahavignirany sy hampahalala ny fahefany, no nahadigny tamim-paharetana ireo fitobohan'ny fahavignirana nomagnina ho amin'ny fahasimbana? 23 Ahôna laha namboariny ijany ba hampahalalany ny haren'ny voninahiny eo amin'ireo fitoeran'ny famindram-po, ijay efa nomagniny meloha ho amin'ny voninahitra? 24 Ahôna laha ba namboariny hôntsena kao ijany, ijay nangihany ihiany koa, tsy ho eo amin'ny samy jiosy ihiany, fa ho eo amin'ny ireo Jentilisa ihiany koa? 25 Araky jay nijakainy tao amin'ny Hosea ihiany koa hoe: "Hangihako hoe oloko ijay tsy oloko, ary hoe sakejany ijay tsy sakeja. 26 Aviteo die agny amin'ny jay nilajana tamin'ijy reo hoe: 'Tsy oloko anareo,' agny no hentsôna anajy reo hoe : "janak'Andriamanitra velogna.'" 27 Isaia nangaike mahare ny amin'ny Isiraely hoe: "Laha tahaka ny fasika egny amin'ny ranomasina ny asan'ny janak'Isiraely, die ho vôvonjy ijay sisa ambiny, 28 fa ny Tompo hitondra ny teniny eto an-tany,feno ary tsy ho ela." 29 Araka ny nijakain'Isaia meloha hoe: "Laha ny Tompo tompon'ny maro no tsy nagnavela taranaka ho antsena, die ho tahaka an'i Sodoma antsena, ary hanjary tahaka an'i Gomora." 30 Ino ary ny hijakaintsena? Fa ireo jentilisa, ijay tsy mandremby ny fahamarinana, ijay fahamarinana lahatamin'ny finôna. 31 Fa Isiraely, ijay nandremby ny lalàn'ny fahamarinana, die tsy avy tamin'ny ijany. 32 Nahôna moa? satria ijy ireo tsy nandremby ijany tamin'ny finôna, fa tamin'ny asa. Tafantohignan'ny vaton'ny fagnafitohignana ijy ireo, 33 arak'ijay efa vôsoratra hoe: "Jereo, ao Ziona agnabilako ny vaton'ny fagnafitohignana sy vatolampin'ny fandikan-dalàna. Ijay mino an'ny ijany die tsy ho megnatra."