Toko faha 8

1 Noho ijany die tsy misy fagnamelohana koa amin'ijao hoa an'ireo jay ao amin'ny Kristy Jesôsy. 2 Fa ny fitsipikan'ny Fagnahin'ny fiaignana ao amin'ny Jesôsy Kristy no nagnafake anahy tamin'ny fitsipikan'ny fahatona sy ny fahafatesana 3 Fa ijay tsy afaka nataon'ny lalàna nohon'ny fahalemin'ijany tamin'ny nofo, die nataon'Andriamanitra. Nagnirake ny Janagne lahy tokana Ijy tamin'ny endriky ny nofo feno fahotana mba ho fagnititre ho an'ny ota, ary nagnameloka ny ota tao amin'ny nofo ijy. 4 Namboariny ijany mba ho tanterake amin-tsena ny raha tadiavin'ny lalàna, atsena ijay mandeha tsy araka ny nofo, fa araka ny fagnahy. 5 Ireo ijay miaigna araka ny nofo mifantoke amin'ireo raha ny nofo, fa ireo jay velogna araka ny fagnahy die mifantoke amin'ireo raha ny fagnahy. 6 Satria ny fisaignana miorigna amin'ny nofo die fahafatesana, fa ny fisaignana miorigna amin'ny Fagnahy koja die fiaignana sy fiadagnana. 7 Ny fisaignana miorigna amin'ny nofo die fandrafena eo akatrehan'Andriamanitra, fa tsy mifagnarake amin'ny lalàn'Andriamanitra ijany, no sady tsy haine akory ny magnano ijany. 8 Ireo ijay ao amin'ny nofo die afake ny ho ankasitrahan'Andriamanitra. 9 Nefa, anareo die tsy ao amin'ny nofo fa ao amin'ny Fagnahy, laha marina fa miaigna ao aminareo ny Fagnahin'Andriamanitra. Fa laha misy olo tsy managna ny Fagnahin'i Kristy, die tsy Ajy ijy. 10 Laha ao aminareo Kristy, die maty nohon'ny fahotana ny vatagna, fa ny fagnahy die velogna nohon'ny fahamirignana. 11 Laha ny Fagnahin'Ilay nanagnana an'i jesôsy tamin'ny maty no velogna ao aminareo, die Ijy ijay nanangana an'i Kristy tamin'ny maty no hagnome fiaignana mandy koa ho an'ny tegnanareo ijay mety maty amin'ny alalan'ny Fagnahy, ijay velogna ao aminareo. 12 Noho ijany, ry rahalahy, die mpitrosa antsena, fa tsy ao main'ny nofo mba hiaigna arake ny nofo. 13 Fa laha miaigna arake ny nofo anareo, die ho fate, fa laha amin'ny fagnahy ijay amonoanareo ny asan'ny tegna, dia ho velogna anareo. 14 Fa hôtran'ny ireo abiaby vôtarike ny Fagnahin'Andriamanitra, ijy ireo no janak'Andriamanitra. 15 Fa tsy nandray ny fagnahin'ny fagnandevojana koa anareo ka hangoaigna. Fa koja, nandray ny Fagnahin'ny fananganan-janake anareo, ijay hangaingaike antsena hoe: ''Aba, Ray ô!'' 16 Ny Fagnahy mihintsy no vavolombelogna amin'ny fagnahintsena fa janak'Andriamanitre antsena 17 . Laha janaka antsena, die mandova mandy koa, mandova an'Andriamanitra. Ary mpiray lova ao amin'ny Kristy antsena, laha mijaly tegnane miarake Aminajy tokotre antsena die amem-boninahitre miarake Aminaje koa. 18 Fa heveriko fa ireo fijalina amin'ijao fotôgna ijao die tsy magneva ampitovina amin'ilay voninahitra ijay ho havôke amin-tsena. 19 Fa ny vôhary manontolo ijay magnategna mafy die mandigny ny fampisehoana ireo janak'Andriaminatra. 20 Fa ny vôhary die namboarina ho raha-tsimanambatrake, tsy nohon'ny sitrapone rerike, fa noho Ilay nambôtre ijany. Ijany die ao amin'ilay toky namena 21 fa ireo vôhary mihintsy no halaina amin'ny fagnandevojan'ny fahalòvana, ary hitondra agny amin'ny fahafahana ny amin'ny voninahitry ny janak'Andriamanitra ijany. 22 Fa fantantsena fa ny vôhary abiaby die miara-misento sy miara-miasa ao agnatin'ny fanaitaignana na amin'ijao aja. 23 Tsy ijany mandy,fa na ny tegnantsena aja , ijay managna ny vôloham-bokatre ny fagnahy_ na ny tegnantsena aja die misento ao agnatintsena, mandigny ny fananganana antsena ho janake, die ny fagnavotana ny tegnantsena. 24 Fa tamin'ijany toky ijany no namonjena antsena. Fa ijay atokisantsena fa hitranga die mbola tsy hita, fa ija no mandigny am-pahatokisana ijay efa hitane? 25 Fa laha matoky amin'ijay mbola tsy hitantsena antsena, die mandigny ijany am-paharetena 26 Hotran'ijany koa, ny Fagnahy dia magnampe ao amin'ny fahalementsena. Fa antsena tsy mahafantatre iajy vavake tokone hamboarintsena, fa ny Fagnahy mihintsy no mifona ho antsena amin'ny fisentoana tsy hay jakaina. 27 Ijy ijay mandinike ny fo no mahafatatre ny hevitry ny Fagnahy, satria Ijy no mibaboke ho an'ny mpino arake ny sitrapon'Andriamanitra 28 Fantantsena fa ho an'ireo ijay tia an'Andriamanitra, die miaraka ampesaine ho amin'ny tsara aby ny raha abiaby, ([Fanamarihana:Laha tokone hoe ''Miarake ampesaine ho amin'ny tsara aby ny raha abiaby,'' die ny dikan-teny saragne taloha magnano hoe:''Ny raha aby dia miarake miasa ho amin'ny tsara.'']) ho an'ireo jay vôhaike arake ny fandaharane. 29 Satria ireo ijay fantane meloha, die notondroine meloha mandy koa mba hitovy endrika amin'ny janagne, mba ho talagnolo eo ampovôn'ireo rahalahy rahabe ijy. 30 Ireo ijay notondroina meloha, die nangihine mandy koa. Ireo ijay nangihine, die nohamarignine mandy koa. Ireo ijay nohamarignine, die namene voninahitre mandy koa. 31 Ino ary ny tokony hijakaintsena momba ireo raha ireo? Laha momba antsena Andriamanitra, ija moa ny mahangoaigna antsena? 32 Ijy ijay tsy niaro ny Janagne lahy tokany fa nanolotre Ajy ho antsena aby, ahôna no tsy hagnomejany antsena maimaimpôgna miarake Aminy ny raha-manontolo mandy koa? 33 Ija no hitondra fiampangana hamaly ireo olom-bôfidin'Andriamanitra? Andriamanitra no ilay raike jay magnamarina ijany. 34 Ija ilay raike hagnameloke? Kristy no ilay iray maty ho antsena, ary magnôtre ijany, natsangane mandy koa Ijy. Manapake miarake amin'Andriamanitra eo amin'ny fipetraham-boninahitre Ijy, ary Ijy no ilay mibaboke ho antsena. 35 Ija no hagnasarake antsena amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahorena, sa fijalena, sa fagnenjehana, sa mosare, sa filongalongana, sa loja, sa sabatre? 36 Araka ny vôsoratre hoe: ''Noho anao die vôvono andro lava ahay. Noresina hotran'ny ondry ho vonoina ahay.'' 37 Ao agnatin'ijany raha abiaby ijany die magnôtre noho ny mpandresy ahay amin'ny alalan'Ilay iray tia anay. 38 Fa resy lahatre iaho fa na ny fahafatesana, na ny fiaignana, na ireo anjely, na ireo fanjakana, na ireo raha amin'ijao, na ireo raha ho avy, na ireo hery, 39 na ny agnambo, na ny laligna, na javabôary hafa, die tsy hagnasarake antsena amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ijay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsena