Toko faha 7

1 Sa tsy fantatrareo, ry rahalahy( satria mivoria amin'olo mahay ny momban'ny lalàna aho), fa ny lalàna die mibeko ny olo raike raha mbola velogna koa ijy? 2 Fa ny viavy ijay manambady die vôfatotre ny lalàna amin'ny vadiny laha mbola velogna ijy, fa laha maty ilay vadiny, die afaka amin'ny lalàna fanambadiena ijy. 3 Noho ijany, laha mbola velogna ny vadiny, raha ohatra miray amina lelahy hafa ijy, die ho angihina hoe mpijangajanga ijy. Fa laha maty ilay vadiny, die afaka amin'ny lalàna ijy, ka tsy mpijangajanga ijy raha ohatra ka miray amina lelahy hafa. 4 Noho ijany, ry rahalahiko, die natao maty tamin'ny lalána ihiany koa anareo tamin'ny alalan'ny tegnan'i Kristy. natao ijany ba hikambagnanareo amin'ny hafa, ijany hoe, amin'Ijy ijay natsangagna tamin'ny maty, mba ahafahantsena mamokatra voa ho an'Andriamanitra. 5 Fa tamintsena tao ao amin'ny nofo, ireo filàn'ny fahotana ijay nohetsehin'ny lalàna, die niasa tao amin'ireo ratsantsena ba hamokatra voa ho an'ny fahafatesana. 6 Fa ankehitriny die nafahana tamin'ny lalàna antsena. Maty tamin'ilay namehy antsena antsena. Ijany die ba hafahantsena manompo amin'ny havaojam-pagnahy, fa tsy amin'ny fahanteran'ny soratra. 7 Ino ary ny hijakaintsena? Ny lalàna mihitsy ve no fahotana? Tsy hisy mihitsy anie ijany. Kanefa, tsy ho nahafantatra ny fahotana mihitsy aho, laha tsy tamin'ny alalan'ny lalàna ijany. Fa tsy ho nahafantatra ny fitsiriritana aho raha tsy nijaka ny lalàna hoe: "Aja mitsiriritra." 8 Fa nangala vahagna tamin'ny didy ny fahotana ka naha avy ny fitsiriritana rehetra ato aminahe. Fa laha tsy misy ny lalàna, die maty ny ota 9 Taloha aho die velogna tsy nisy lalàna, fa laha avy ny didy, die velogna indray ny ota, ka maty aho. 10 Ny didy jay tokony hitondra fiegnana no nivadika ho fahafatesana hônahe. 11 Fa ny fahotana die nangalavahagna tamin'ny alalan'ny didy ka namitaka anahe. Tamin'ny alalan'ny didy no namonône anahe. 12 Noho ijany ny lalàna die masina, ary ny didy die masina, marina, ary tsara. 13 Koa moa ve nivadika fahafatesana hônahy ijay tsara? Tsy hisy mihitsy anie ijany. Fa ny ota, mba ahafany hiseho ho fahotana amin'ny alalan'ny jay tsara, die nitondra fahafatesana taminahe. Ijany die mba ho amin'ny lalan'ny didy, ny fahotana die mety ho tonga tena fahotana tokôtra. 14 Fa fantatsena fa aram-pagnahy ny lalàna, fa iaho avy amin'ny nofo. Efa namidy ho ao ambanin'ny fagnandevojan'ny ota aho. 15 Fa ny raha ataoko, die tsy tena ajoko tsara. Satria ijay tieko atao, die tsy ataoko, ary je-halako, die ataoko. 16 Fa laha magnano je- tsy tieko aho, die miray hevitra amin'ny lalàna fa tsara ny lalàna. 17 Fa ankehitriny die tsy iaho koa no magnano ijany, fa ny fahotana ijay velogna ato agnatiko. 18 Fa fantatro fa ato aminahe, ijay ato amin'ny nofoko, die tsy misy raha tsara miaigna. Fa ny fagnirian'ny tsara die ato aminahe, saingy tsy afa-magnano ijany aho. 19 Fa ny tsara je-tieko die tsy ataoko, fa ny ratsy je-tsy tieko, no ataoko. 20 Ary raha magnano je-tsy tieko atao aho, die tsy iaho koa no miasa ijane, fa koja ny fahotana ijay miaigna ato aminahe. 21 Ary, iaho die nahita, fa ny fitsipika ato aminahe fa te hanao ijay tsara aho, saingy ny ratsy no atao aminahe ijao. 22 Fa mifalifaly ao amin'ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny fagnahy maha olo. 23 Kenefa mahita fitsipikaraike hafa ao amin'ny momban'ny tegnako. Ijany die miadyamin'ijany fitsipika vaovao ao ansai-ko ijany. Mitajogna anahy ho babon'ny fitsipiky ny fahotana ijay ao amin'ny momba ny tegnako ijany. 24 Olo-mahantra aho! ija no hagnafaka anahe amin'itoy tegnan'ny fahafatesana itoy? 25 Fa isôrana Andriamanitra amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy Tompotsena! Noho ijane, iaho die manompo ny lalàn'Andriamanitra amin'ny saiko. Na die ijany aja, die manompo ny fitsipiky ny fahotana amin'ny nofo aho.