1 Ino ary no ho lajaintsena? Tokony hanohy amin'ny fahotana ve antsena ba hitohijan'ny fahasoavana? 2 Tsy hisy mihitsy anie ijane. Antsena je-maty ny amin'ny ota, amin'ny fomba akory moa no bola hiegnantsena amijany hiany? 3 Tsy fantatrareo ve fa ireo rehetra namboarina batisa tao amin'ny Kristy Jesôsy die natao batisa tao amin.ny fahafatesany? 4 Koa, vôlevigna, niaraka taminaje tamin'ny alalan'ny batisa ho amin'ny fahafatesana antsena. Nitranga ijany ba ho toy ny nananganana an'i Kristy tamin'ny mate tamin'ny voninahitry ny Ray, no andihanantsena amin'ny fiegnam-baovao ihiany koa. 5 Fa laha mikambagna Aminaje amin'ny endriky ny fahafatesany antsena, die hikambagna amin'ny fitsanganany hiany koa. 6 Fantatsena ijany, fa ny vantantsena taloha die nifantsihina niaraka taminaje, ba hamotehana ny tegnan'ny ota. Nitranga ijany ba tsy ho andevojin'ny ota koa antsena. 7 Ijy ijay mate die nijakaina fa marina sady afaka tamin'ny fahotana. 8 Fa laha maty niaraka tamin'ny Kristy antsena, die mino fa hiaraka velogna aminajy hiany koa. 9 Antsena die nahalala fa nitsangagna tanin'ny maty Kristy, ary die tsy maty itsony Ijy. Tsy manjaka aminaje koa ny fahafatesana. 10 Fa laha momban'ny fahafatesana die maty noho ny amin'ny fahotana Ijy, maty indray mandeha ho an'ny rehetra Ijy. Kanefa, ny fiegnana ijay hiegnany die iegnany ho an'Andremanitre. 11 Die tahaka anijay, tsy mentsy mihevitra ny tegnanareo ho efa maty amin'ny fahotana ihiany koa anareo, fa velogna ho an'Andremanitre ho ao amin'ny Kristy Jesôsy. 12 Noho ijany aja avela hanjaka amin'ny tegnanareo mety maty ny ota ba hanarahanareo filàn-dratsy. 13 Aja atolotra ho an'ny fahotana ny ratsam-batagnareo, ho fitôvana ampesaina amin'ny tsy fahamarinana. Fa atolory hôn'Andremanitra ny tegnanareo, toy ny nitsangagna tamin'ny maty ijay velogna ankehitriny. Ary atolory hôn'Andremanitra ny ratsam-batagnareo ba ho fitôvana ampesaina amin'ny fahamarinana. 14 Aja avela hanjaka aminareo ny ota. Satria tsy ambanin'ny lalàna anareo fa ambanin'ny fahasoavana 15 Ka ino ary? Tokony hagnota ve antsena satria tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Tsy hisy mihitsy anié ijany. 16 Tsy fantatrareo ve fa ilay ray ijay nanoloranareo ny tegnanareo ho mpanompo die ilay ray ijay hankatoavinareo, ilay hany tsy mentsy hankatoavinareo? Marina ijay na mpanompon'ny fahotana ijay mitarika agny amin'ny fahafatesana anareo, na mpanompon'ny fankatoavana ijay mitarika ho agny amin'ny fahamarinana. 17 Fa isôrana Andremanitre! Satria efa mpanompon'ny fahotana anareo, kanaefa nankato tao am-po nareo ny fomba fampenarana ijay namena anareo. 18 Nafahina tamin'ny ota anareo, ary natao mpanompon'ny fahamarinana. 19 Mijaka tahaka ny olo aho noho ny fahalemen'ny fonareo. Satria vantany vôha nanolotra ny ratsam-batagnareo ho andevon'ny fahalotôna sy ny ratsy anareo, die tahaka anijany koa ijao, atolory ho andevon'ny fahamarinana ho amin'ny fahamasinana ny ratsam-batagnareo. 20 Fa tamin'areo bola andevon'ny ota, die afaka tamin'ny fahamarinana. 21 Amijao, ino ary ny vokatra ajonareo tamin'ireo javatra ijay mahamegnatre anareo ankehitriny? Satria ny vokatrireo raha ireo die ny fahafatesana. 22 Fa ankehitriny raha efa nafahina tamin'ny ota anreo ary tonga mpanompon'Andremanitre, die mijinja ny fahamasinana. Ny vokatre die ny fiegnana mandrakijay. 23 Fa ny tambin'ny ota die ny fahafatesana, fa ny fagnomejan'Andremanitra koja die ny fiegnana mandrakijay ao amin'ny Jesôsy Kristy Tompotsena.