Toko faha 5

1 Satria nohamarinina tamina finôna antsena, die managna fedagnana miaraka amin'Andremanitre amin'ny alalan'ny Tompotsika Jesôsy Kristy. 2 Amin'ny alalany mandy koa no anagnatsena lalagna amin'ny finôna mandeha agny amin'ijay fahasoavana ijay ijorôntsena ijany. Mifalifaly amin'ny fahatokena amen'Andremanitre anay amin'ny ho avy ijahay, fahatokena ijay ho jaraintsena ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra. 3 Tsy amin'ijay mandy, fa antsena mandy koa die mifaly ao amin'ny fahorentsena. Fantatsena fa ny fahorena die mamokatra faharetana. 4 Ny faharetana miteraka fankatoavana, ary ny fankatoavana miteraka fahatokiana ho amin'ny hoavy. 5 Ijany toky ijany die tsy mandiso fagnantenana, satria ny fitiavan'Andriamanitra die narotsaka tao am-potsena tamin'ny alalan'ny Fagnahy masina. ijay namena antsena. 6 Fa laha bola nalemy antsena, die maty ara-potôgna ho an'ny ratsy fagnahy Kristy. 7 Fa sarotra ho an'ny olo raike ny ho faty ho an'ny olo marina. Fa, angamba misy oloraike sahy ho faty hoan'nolo tsara. 8 Fa Andriamanitra maneho ny fitiavany manokagna ho antsena, satria laha bola magnota antsena, die maty ho antsena Kristy. 9 Mihôtra noho ijany aja, ankehitriny. Rala nohamarinina tamin'ny ràne antsena, die ho vôvonjin'ny jany amin'ny fahavigniran'Andriamanitra. 10 Fa laha, bola fahavalo antsena, die nihavana tamin'Andriamanitra tamin"ny alalan'ny fahafatesan'ny janagne, ary nihôtra noho ijany, laha avy nampihavanina, die ho vôvonjy amin'ny alalan'ny aigny antsena. 11 Ary tsy jay mandy, fa antsena mandy koa die mifaly ao amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Tompotsena Jesôsy Kristy, ijay najahôntsena ijany fihavanana ijany ankehitriny. 12 Noho ijany ary, hôtran' ny nidiran'ny ota tamin'ny olo raike tamijao totolo ijao, die hôtran'ny jay koa no nidiran'ny fahafatesana tamin'ny alalan'ny ota. Ary ny fahafatesana die niely tamin'ny olo manotolo, satria samy nagnota aby ny olo manotolo. 13 Nandram-pisen'ny lalàna, die teto aminijao totolo ijao ny ota, fa tsy misy fagnisan-keloka laha tsy misy lalàna. 14 Nefa na ijany aja, ny fahafatesana die nanjaka nanomboka tamin'ny Adama ka hatramin'i Mosesy, na die teo amin'ireo jay tsy nagnota hôtran'ny tsy fankatoavan'i Adama aja, ijay tandindon'ilay ho avy. 15 Nefa na ijany aja, ny fagnomejana die tsy hôtran'ny fahidisôna. Fa laha tamin'ny alalan'ny fahadisôn'ny raike no nahafy ny maro, die mihôtra lavitra ny nataon'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fagnomejana avy amin'ny fahasoavan'Ilay olo raike, Jesôsy, Kristy namena be hoan'ny maro 16 Fa ny fagnomejana die tsy hôtran'ny vokatra lahatamin'ilay iray jay nagnota. Fa amin'ny lafony raike, avy ny fitsarana ho fagnamelohananohon'ny fahadisôn'ny olo raike. Fa amin'ny lafiny raika hafa, ny fagnomejana mefara amin'ny fagnamarinana die avy tafaran'ny fahadisôna maro. 17 Fa laha, tamin'ny alalan'ny fahadisôn'ny raike, no hanjakan'ny fahafatesana amin'ny raike, die mihôtra lavitre noho ijany ny fanjakan'ireo ijay mandray ny haben'ny fahasoavana sy ny fagnomejan'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny fiegnan'ny raike, die Jesôsy Kristy. 18 Noho ijany are, satria tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny raike no nahatonga ny olo ho amin'ny fagnamelohana, die amin'ny alalan'ny asan'ny fahamarinan'ny raika maindy koa no hatongavan'ny fahamarinana ny fiegnana ho an'ny olo manotolo. 19 Fa satria avy amin'ny tsy fankatoavan'olo raike no nahatonga ny maro ho mpanota, die amin'ny alalan'ny fankatoavan,ny raike mandy koa no maha tonga ny maro ho marina. 20 Fa avy tamijany ny lalàna, mba ho lehibe ny fahadisôna. Nefa laha nihalehibe ny fahotana, die vôha meka nihalehibe ny fahasoavana. 21 Nitranga ijany mba, hôtran'ny nanjakan'ny fahotana tamin'ny fahafatesana, die hôtran'ny ijany koa ny hanjakan'ny fahasoavana amin'ny alalan'ny fahamarinana ho amin'ny fiegnana mandrakijay amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy Tompotsena.