Toko faha 4

1 Ino ary no ho jakaintsena fa hitan'i Abrahama, raitsena tagny aloha arake ny nofo? 2 Fa laha nihamarignina tamin'ny asa Abrahama,die nanagna ny antone manokagna hireharehane ijy, fany tsy eo anatrehan'Andriamanitra. 3 Fa ino ny jakain'ny Soratre Masina? ''Abrahama die nino an'Andriamanitra, die nisaina ho fahamarinana ijany.'' 4 Ary ho an'jay miasa, ny karamane die tsy isaina ho fahasoavana, fa ho toy ijay trosa. 5 Fa ho an'ijay tsy miasa koja nefa mino an'Ilay iray ijay magnamarina ny mpanohitre an'Andriamanitra, die isaina ho fahamarinana ny finoane. 6 Davida mandy koa die manognona tso-drano amin'olo ijay isain'Andriamanitra ho marina nefa tsy miasa. 7 Hoy ijy hoe: ''Sambatre ireo ijay vôvela ny helogne,ary koa ireo voasarogna ny fahotane. 8 Sambatre ijay tsy hisain'ny Tompo heloke.'' 9 Amin'ireo vôfora mandy ve no hanognonana ijany tso-drano ijany, sa amin'ireo tsy vôfora koa? Fa hoy atsena hoe: ''Ny finôna die nisain'i Abrahama ho fahamarinana.'' 10 Koa ahôna ary no nagnisana ijany?Tamin'i Abrahama efa vôfora, sa tamin'ijy tsy mbola vôfara? Tsy tamin'ijy mbola tsy vôfora. 11 Abrahama die nandray ny famantaran'ny famoràna. Ijay die marika ny fahamarinan'ny finôna ijay efa nanagnane raha mbola tsy vôfora ijy. Ny valin'ijany famantarana ijany die lasa iaban'ijay mino aby ijy, na die mbola tsy vôfora aja ijy ireo. Midika ijany fa ny fahamarinana die ho isaina ho ajy reo. 12 Nidika koa ijany fa Abrahama die lasa iaban'ny vôfora tsy ho an'ireo vôfora irere mandy fa ho an'ireo ijay magnarake ny dien'ny finoan'i Abrahama iabantsena ihiany koa talohan'ny tsy mbola naha-vôfora anaje. 13 Fa ny fampagnatenana tamin'ny Abrahama sy ireo taranagny fa ho mpandova ijao tontolo ijao ijy die tsy avy amin'ny alalan'ny lalàna fa avy amin'ny alalan'ny fahamarignan'ny finôna. 14 Fa laha ireo ijay miaigna amin'ny lalàna no mpandova, die ho fôgna ny finôna, ary tsinotsinona ny fampagnantenana. 15 Satria ny didy die mitondra amin'ny havignirana, fa agny amin'ijay tsy misy lalàna, die tsy misy fandikan-dalàna. 16 Noho ijany antony ijany die mibôke amin'ny finôna ijany, mba hipetrahan'ny fampagnatenana amin'ny fahasoavana ary ho ajo toky ami'ireo taranak'i Abrahama dahôlo _ tsy ho an'ireo ijay ambanin'ny lalàna mandy, fa ho an'ireo ijay mijara ny finoan'i Abrahama mandy koa. Iabantsena aby ijy, 17 arake ny vôsoratre hoe: ''Namboariko ho Iaban'ny firenana maro ianao. ''Teo amin'ny fagnatrehan'Ialy nitokiany Abrahama, die, Andriamanitra ijany, ijay magnome fiaignana ireo mate ary mangaike ireo raha tsy fisy mba hisy. 18 Ndre die teo aja ireo raha-nitranga ivelagne die natoky tanterake an'Andriamanitra i Abrahama amin'ny ho avy. Ka lasa iaban'ny firenena rahabe ijy, arake ijay efa vojaka hoe: '' Ho hôtran'ijany ny taranakao. 19 '' tsy marefo tamin'ny finôna ijy. Fantan'i Abrahama fa tsy afake ny hanagn'anake ijy (satria efa tagny amin'ny jato-taogna tagny ijy). Nagneky mandy koa ijy fa ny trokan'i Saraha die tsy afake hitoerananake koa. 20 Fany nohon'ny nampagnatenain'Andriamanitra, die tsy nilasalasa tamin'ny tsy finôna i Abrahama. Fa koja, niha-mahery tamin'ny finôna ijy ary nidera an'Andriamanitra. 21 Resy lahatre tokôtre ijy fa ijay nampagnantenain'Andriamainitra, Die afake tanterahine avy koa. 22 Noho ijany die nisaina ho ajy ho fahamarinagna ijany. 23 Ary die tsy nosoratana ho tombotsoane rerike mandy ijany, fa nisaina ho anaje ijany. 24 Nosoratana ho antsena mandy koa ijany, ho an'jay hagnisana ijany, atsena jay mino Ajy ijay nanangagna an'i Jesôsy Tompontsena tamin'ny mate. 25 Ijy Ilay iray nomena noho ireo fahotantsena ary die natsangagna mba hagnamarina atsena.