Toko faha 3

1 Ka ino ary ijany ny tombotsoa anagnan'ny Jiosy? Ary ino no tombotsoan'ny famoràna? 2 Tsara ijany amin'ny fomba abiaby. Vôlohany indrindra, ireo Jiosy die nametrahana ny fagnambarana avy amin'Andriamanitra. 3 Fa aôna laha tsy manam-pinoana ireo Jiosy saragne? Ny tsy finôn-dreo ve no hahatonga ny fahatokian'Andriamanitra tsy ho tanterake? 4 Tsy hisy mihitsy anie ijany. Fa koja, abilay ho hita fa marina Andriamanitra, na die mpivandy aja ny olo kiraidraike. Araka ny vôsoratra hoe: "Habôke amin'ny jakanareo fa olo-marina anareo, ary abôke laha avy amin'ny fitsarana anareo." 5 Fa laha toa ny tsy fahamarignantsena no magnatoro ny fahamarignan'Adriamanitra, ino no ajontsena hatoro? Afaka mijaka ve antsena fa tsy marina Andriamanitra amin'ny fagnaboahane ny havignirany amintsena, sa tsy ijany? (Mampiasa lahan-tenin'olombelogna aho.) 6 Tsy hisy mihitsy anie ijany! Satria amin'ny fomba akory ary no hitsaran'Andriamanitra an'ijao tontolo ijao? 7 Fa laha toa ny fahamarignan'Andriamanitra ka magnome fiderana betsake hôn'Ajy amin'ny alalan'ny vandiko, die nagnino ary iaho no mbola tsaraina ho mpanota? 8 Fa nagnino no tsy mijaka, araka ny tatitra diso ijay jakaina fa jakaintsena, ary koa araka ny amafisin'ny saragne fa nijakaintsena hoe: "Abilay ahay hagnano ratsy, mba hevian'ny soa" Rarine ny fitsarana amboarina amin-dreo. 9 Die ino ary? Magnome rariny ny tegnantsena ve antsena? Tsy ijany mihitsy. Fa antsena die efa nagnameloka ny Jiosy sy ny Grika, ijy abiaby, ho mpanota. 10 Ijany die araky ny vôsoratra hoe: "Tsy misy olo-marina, na die raika aja. 11 Tsy misy ndre raika aja mahalala. Tsy misy nadre raika aja mirembe an'Andriamanitra. 12 Lasa nisitaka avokoa ijy abiaby. Lasa tsy misy ilànan'ajy ijy abiaby. Tsy misy mba magnano ny tsara, na die raika mandy aja. 13 Ny tendan-dreo die kibory mivoha. Ny lelan-dreo die mivande. Ny poijinan'ireo bibilava die ao ambanin'ny molotran-dreo. 14 Ny vavan-dreo die feno ojogna sy andolom-po. 15 Ny tongotran-dreo die havanana amin'ny fandatsahan-drà. 16 Ny fanimbàna sy ny fahasahiragnana die egny amin'ny lalagnan-dreo. 17 Iregny olo iregny die tsy nahafantatra ny lalagnan'ny fedagnana. 18 Tsy mba misy havakana an'Andriamanitra eo alohan'ny mason-dreo." 19 Amin'ijao fotôgna die fantantsena fa n'ino n'ino jakain'ny lalàna, die miantefa amin'ireo ijay ambany lalàna. Ijany die mba hahatonga ny vavan'ny kiraidraike hangigna, ary mba handray valiny avy amin'Andriamanitra ijao tontolo ijao. 20 Ijany die satria tsy hisy vatagna hamarignina amin'ny asan'ny lalàna eo amasone. Fa amin'ny alalan'ny lalàna no hevian'ny fahafantarana ny fahotana. 21 Fa amin'ijao fotôgna die nampahafantarina mandy koa ny fahamarign'Andriamanitra tsy amin'ny lalàna. Nohamarignin'ny lalàna sy ireo mpaminany, 22 fa ijany, no fahamarignan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finôna an'i Jesôsy Kristy hoan'ijay abiaby mino. Satria tsy misy fagnavahana. 23 Fa nagnota ny olo abiaby ka tsy managna ny voninahitr'Andriamanitra, 24 ary areo die hamarignina maimaimpôgna amin'ny fahasoavane amin'ny alalan'ny fagnavotana ijay ao amin'ny Kristy Jesôsy. 25 Fa Andriamanitra nagnome an'i Kristy Jesôsy ho rakitra amin'ny alalan'ny finôna ny ràny. Natolotrane ho porofon'ny fahamarignany Kristy, nohon'ny tsy fijahana ny ota tagne aloha 26 amin'ny fahadignasana. Niseho ijany abiaby ijany ho fanehoana ny fahamarignane amin'ijao fotôgna ankehitriny ijao. Ijany die mba hahafahany magnaporofo fa marina ny tegnane, ary mba hanehôna fa Ijy die magnamarina ny abiaby nohon'ny finôna an'i Jesôsy. 27 Aja ary ijany ny fihebohebôna? Vôfafa ijany. Fa ino no antone? Amin'ny asa ve? Tsiare, fa nohon'ny finôna. 28 Manapa-kevitra ijany antsena fa ny olo raike die hamarignina araka ny finôna tsy misy ireo asan'ny lalàna. 29 Sa Andriamanitry ny Jiosy rery mandy ve Andriamanitra? Moa ve tsy Andriamanitr'ireo Jentilisa koa Ijy? Ieke,an'ny Jentilisa koa. 30 Laha, raika mandy Andriamanitra, die hohamarigniny amin'ny finôna ireo vôfora, ary ireo tsy vôfora koja amin'ny alan'ny finôna. 31 Foagnantsena amin'ny alalan'ny finôna ary ve ijany ny lalàna? Tsy hisy mihitsy anie ijany! Fa koja, mankatò ny lalàna antsena.