1 Noho ijany die tsy managna fialan-tsiny anao, ry olo, anao ijay mitsara, fa ijay itsaranao ny hafa no angnamelohana ny tegnanao. Fa anao ijay mitsara dia magnano an'ireo mandy koa. 2 Nefa fantantsena fa ny fitsaran'Andriamanitra die arake ny marina laha mianjady amin' ireo ijay magnano raha hôtran'ireo ijany. 3 Fa hevero ijao, ry olo, anao ijay mitsara ireo ijay magnano raha hôtran'ireo na die magnano hôtran'iregny koa aja anao.Hilefa ny fitsaran'Andriamanitra ve anao? 4 Sa hamevagninao ny haren'ny hatsaram-pagnahine, ny fandiferane, ary ny faharetane? Tsy fantatrao ve ny hatsaram-pagnahine die natao hitarika anao amin'ny fibebahana? 5 Fa ijany die ho amin'ny halehiben'ny hamafy sy tsy fibebahan'ny fonareo no agnagonanareo havignirana ho an'ny tegnanareo amin'ny andro fahavignirana, ijany die, ny andron'ny fanehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra. 6 Hamaly ny olo abiaby amin'ny fagnaranana hôtr'ireo namboariny Ijy; 7 Hagnome araka ny faharetane, ny asa tsara mandremby dera, voninahitra, ny tsy fahafatesana, fiaignana mandrakijay Ijy 8 Fa ho an'ireo ijay mandrembe ho an'ny tegnany, ijay tsy magneky ny marina fa magneke ny tsy fahamarignana, die ho avy ny havignirana sy ny fahasiahana. 9 Andriamanitra die hitondra fahorena sy fisotriana amin'ny fagnahin'ny olo abiaby ijay nagnano ratsy, amin'ny Jiosy aloha, ary amin'ny Grika mandy koa 10 Fa dera, laja, ary fiadagnana no ho avy amin' ireo ijay magnano ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, ary amin'ny Grika mandy koa. 11 Fa tsy misy fiangarana miaraka amin'Andriamanitra. 12 Fa ijay rehetra magnota tsy managna ny lalàna die ho vere tsy managna lalàna mandy koa, ary ijay abiaby nagnota niarake tamin'ny fagnajana ny lalàna die ho tsaraina araka ny lalàna. 13 14 Fa tsy ireo mpaharegne ny lalàna no marina eo ankatrehan'Andriamanitra, fa ireo ijay mampihatra ny lalàna no nohamarignina. Fa ireo Jentilisa, ijay tsy managna ny lalàna, laha magnano ny raha momban'ny lalàna araky ny vôjanahary, die areo no lalàna ho an'ny tegnany, na die tsy managna ny lalàna aja areo 15 Amin'ijany no agnaboahan-dreo fa ny asa angatahan'ny lalàna die vôsoratra ao am-pon-dreo.Ny fieritreretan-dreo mandy koa dia vavolombelogna ho an-dreo, ary ny fisaignan-dreo manokagna die magnameloka na miaro an-dreo amin'ny tegnan-dreo 16 ary koa amin'Andriamanitra. Ijany die hibôke amin'ny andro ijay hitsaran'Andriamanitra ireo tsiambaratelon'ny olo abiaby, araka ny filajantsarako, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy. 17 Fa laha ôhatran'ny ka Jiosy no angehanao ny tegnanao ary miankina amin'ny lalàna sy mirehareha ao amin'Andriamanitra, 18 ary mahalala ny sitrapony sy mamantatra ijay raha tsara loholoho satria nampianarina tamin'ny lalàna anao; 19 ary laha ôhatran'ny ka resy lahatra anao fa ny tegnanao die mpitarika ny jamba, fahajavana ho an-dreo ijay ao amin'ny menjigna, 20 mpagnitsy ny môla, mpampianatra ny jajakely, ary anangnanao ao amin'ny lalàna ny endriky ny fahalalana sy ny marina, dia ahôna ijany no fiantraikan'ijany amin'ny fomba hiaignanao ny fiaignanao? 21 Ary anao, ijay mampianatre ireo saragne, tsy mampianatre ny tegnanao ve anao? Anao ijay mitory manohitre ny halatre, mangalatre ve anao? 22 Anao ijay mijaka fa tsy tokony hijanganjanga, mijangajanga ve anao? Anao ijay mankahala ny sampy, mandroba ireo tempoly ve anao? 23 Anao ijay faly mirehareha ao amin'ny lalàna, magnala baraka an'Andriamanitra ve anao amin'io fandikanao ny lalàna io? 24 Fa ny agnaran'Andriamanitra die efa afa-baraka teo amin'ireo Jentilisa noho anareo, "arake ijay efa vôsoratre. 25 Fa mahajo tombony amin'ny famorana tokôtre anareo laha ôhatre ka magneke ny lalàna, fa laha mandika ny lalàna anareo, dia lasa tsy vôfora na die efa vôfora aja anareo. 26 Arak'ijany, raha olo tsy vôfora no mitandrigna ijay takian'ny lalàna, tsy hatao ho isan'ny vôfora ve ijy na die tsy vôfora aja? 27 Ary tsy ho helohin'ilay raike ijay tsy mifora ara-boajagnahare ve anareo laha ôhatra ka mitandrigna ny lalàna ijy? Ijany die satria managna ny lalàna vôsoratre sy ny famoràna anareo, nefa mbola mandika ny lalàna! 28 Fa ijy die tsy Jiosy amin'ny endrika ivelagne fotsiny; na amin'ny famoràna ijay miseho amin'ny endrika ivelan'ny nofo fotsiny. 29 Fa ijy die jiosy ao anaty, ary ny famorana ijay an'ny fo, ao amin'ny Fagnahy, fa tsy ao amin'ny soratre. Ny fiderana ny olona hôtran'ijany die tsy avy amin'ny olo fa avy amin'Andriamanitra.