1 Ry rahalahy, ny irin'ny foko sy ny angatahiko amin'Andriamanitra ho ajy ireo, die ny famonjena ajy reo. 2 Fa mijoro vavolombelogna momba ajy reo iaho fa mafana ho an'Andriamanitra ijy reo, ny tsy araka ny fahalalana. 3 Fa tsy mahafantatre ny fahamarinan'Andriamanitra regny, ary mandrembe hagnabela ny fahamarinan'ijy reo manokagna. Tsy nagneke ny fahamarinan'Andriamanitra ijy regny. 4 Fa Kristy no fahatanterahan'ny lalàna ho fahamarignana hoan'ny raimanotolo jay mino. 5 Fa Mosesy manoratre momban'ny fahamarignana ijay hatramin'ny lalàna hoe: ''Ny olo ijay magnano ny fahamarignan'ny lalàna die hivelogna amin'ny fahamarignana ijany.'' 6 Fa ny fahamarignana ijay avy amin'ny finôna die magnambara hoe: ''Aja mijaka ijao ao am-po hoe: ''Ija no hiakatre agny an-dagnitre?' (ijany die, manjotso an'i Kristy); 7 ary aja mijaka hoe: 'Ija no hijotso agny amin'ny laligna?''' (ijany die, magnakatre an'i Kristy amin'ny maty). 8 Fa ino no ambaran'ijany? ''Eo akekinao ny jaka, ao am-bavanao ary ao am-ponao.'' Ijany no tenin'ny finôna, ijay ambaranay. 9 Fa laha amin'ny vavanao no agnekenao an' Jesôsy ho tompo, ary mino amin'ny fonao fa natsangan'Andriamanitra tamin'y maty Ijy, die ho vonjena anao. 10 Fa amin'ny fo no inôn'olo ny fahamarignana, die amin'ny vava no agnekeny ny famonjena. 11 Fa hoy ny Soratra Masina hoe:''Tsy megnatre je rehetre mino ajy.'' 12 tsy misy mahasamihafa eo amin'ny Jiosy sy Grika. Fa Tompo raike mandy no Tompo aby dahôlo, ary harem-pahasoavana ho amin'ijay rehetra mangaike Ajy. 13 Fa je rehetre mangaike ny agnaran'ny Tompo no ho vonjena . 14 Ino ary no afahan'dreo mangaike Ajy ijay tsy ninône? Ino no afahan'dreo mino Ajy ijay tsy regnin-dreo? Ahôna no afahan-dreo maharegny raha tsy misy mpitory? 15 Ary ahôna no afahan-dreo mitory , laha tsy nisy nagnirake? _ Araka ny vôsoratre hoe: ''Erô ny hatsaran'ny tongotre andreo magnambara ireo java-tsoan'ny filajantsara!'' 16 Kanefa tsy ijy aby no niheno ny filajantsara. Fa hoy Isaia hoe: ''Tompo, ija no nino ny hafatray?'' 17 Noho ijany ny finôna die avy amin'ny fihenona, die ny fihenona avy amin'ny jakan'i Kristy 18 Fa hoy iaho hoe: ''Moa ve tsy nisy naheno an-dreo?'' Eka, marina tegnane. ''Ny feon-dreo die efa nivôke magneragnan-tany, ary ny jakan-dreo hatragne amin'ny itaperan'ijao tontolo ijao.'' 19 Ambadik'ijay, hoy iaho hoe: ''Fangaha ve tsy nahafantatre ny Israely?'' Tamin'ny vôlohane Mosesy nijaka hoe: ''Hataoko saropiaro amin'ijay tsy firenena akory ianareo. Amin'ny firenena ijay tsy misy fahalalana, hataoko ho avy amin'ny fahavignirana ianareo.'' 20 Die tena nahasaky tokotre Isaia laha nijaka ijy hoe: ''Hitan-dreo ijay tsy nadrembe anahy iaho. Niboke tamin-dreo ijay tsy nagnotany anahy iaho.'' 21 Fa hoy ijy tamin'Israely hoe: ''Tontolon'ny no nangalako ny tagnako tamin'olo tsy magneke sy maditre.''