Toko faha 11

1 Ary nijaka iaho, naren'Andriamaintra ve ny olone?. Sagnatria anie ijane. Fa iaho mandy koa die Isiraelita, taranak'i Abrahama, avy amin'ny fokon'i Benjamina. 2 Andriamanitra die tsy nagnary ny olone, ijay efa fantany teo aloha. Fantatrareo ve ijay vôlajan'ny soratra masina momban'i Elia, die ilay fitaraignane tamin'Andriamanitra namely an'i Isiraely? hoe: 3 Tompo, ijy ireo die namono ireo mpaminaninao, namotike ny alitaranao. Iaho rerike sisa tavela, ary tehamono ny aiko ijy ireo." 4 Fa ino no valiteny nambaran'Andriamanitra anajy? "Nanokagna fito arivo lahy ho an'ny tegnako Iaho ijay tsy nendohalike teo amin'ny Bala" 5 Die hôtran'ny ijane, amin'ijao ankehitriny jao mandy koa dia misy sisa mandy nohon'ny fisafidianana amin'ny fahasoavana. 6 Fa laha avy amin'ny fahasoavana ijany, die tsy avy amin'ny asa koa. Fa laha ijany die tsy fahasoavana koa ny fahasoavana. ([Fagnamarihana: Ny antota-taratasy saragne taloha die mamaky hoe: " kanefa laha avy amin'ireo asa ijany, die tsy fahasoavana koa; fa raha ijay die tsy asa koa ny asa."]) 7 Ino ary? Ny raha jay nirombejin'Isiraely, die tsy ajony, fa ny vôfidy no nahajo ijany, ary namafisine ireo ambiny. 8 Ijany die araka ny efa vôsoratra hoe: "Andriamanitra die nagnome andreo ny fagnahin'ny fiveraverana, maso mba tsy hahitandreo, ary sofigna mba tsy handrignesandreo, hatramin'ny niany." 9 Ary hoy i Davida hoe: " Ôka ny latabatrane ho harato sy fandrika, ho vato mamingagna sy valifaty ho andreo. 10 Ôka ny masondreo hohamejignina mba tsy hahita, ary ôka hondrike mandrakijay ny lamosignan-dreo." 11 Die hoy aho hoe: "Moa ve tafantohigna ireo mba ho lavo?" Sagnatria anie ijany. Fa koja, avy amin'ny fahalavôn'ijy ireo, no nieven'ny famonjena teo amin'ire jentilisa, mba hampialogna andreo. 12 Ary laha ny fahavalondreo no harenan'ny ijao totolo ijao, ary laha ny fahaverenjandreo no harenan'ny ireo jentilisa, die magnano akory ny halehiben'ny fahatanterahan'ijy ireo? 13 Fa amijao die miresaka aminareo Jentilisa iaho, ary laha mbola apôsitôlin'ireo jentilisa iaho, die mankasitraka ny fanompôko. 14 Angamba hampialogna ireo ijay lahatamin'ny nofoko manokagna iaho. Angamba hamonjy ny saragny amin'ijy reo antsena. 15 Fa laha midika fampihavanana an'ijao totolo ijao ny tsy fandavana andreo, die ino no handresana andreo ijane fa fiegnana avy amin'ny fahafatesana? 16 Laha vôkagna ny vokatra vôlohany, die ny saragny amin'ny kobam-bary koa. Laha vôtokagna ny vahanè die hôtran'ny jay koa ireo rantsagne. 17 Fa laha nitapahina ny rantsagne saragne, ary laha anao, sampagna olivadia, no natambatra teo amin'ijy ireo, ary laha nifampijara tamin'ijy ireo, ny faka-mamokatry ny hajo oliva anao, 18 aja mirehareha amin'ireo sampagna. Fa laha mirehareha anao, die tsy anao ny mitondra ny vahany fa ny vahany no mitondra anao. 19 Die hijaka anao hoe: "Nitapahina hienga ireo rantsagna mba hahafahako mifandray aminajy." 20 Marina ijane. Nohon'ny tsy finôndreo die nitapahina hienga ijy ireo, fa anareo die mijoro tsara nohon'ny finônareo. Aja magnano ny tegnanareo hômbony fa matahora. 21 Fa laha ny tena sampagna aja tsy navelan'Andriamanitra, die tsy havelany ihiany koa anao. 22 Ary, jahao, ny fahatsoram-po sy ny fahasarota-pon'Andriamanitra. Etsy andagniny, ny fahasarota-po die avy tamin'ireo Jiosy ijay lavo. Fa etsy agnilany koja, ny hatsaram-pagnahin'Andriamanitra die avy aminareo, laha mahadigny ao amin'ny hatsaram-pagnahiny anareo. Fa laha tsy jay die hitapahina koa anareo. 23 Ary na iregny aja, laha tsy manohy amin'ny tsy finôny ijy ireo, die hatambatra. Fa Andriamanitra die afaka mamerigna manambatra ajy ireo indraike. 24 Fa laha nitapahina tamin'ny hajo oliva-dia anareo, ka nahaogna tamina hajo oliva tsara, die hôtran'ny aja ny fihôran'ny hamarojan'ireo Jiosy, ijay sampagna vôjagnahary, natambatra tamina hajo olivan'ijy ireo manokagna? 25 Fa tsy tieko tsy hahafantatra anareo, ry rahalahy, ny amijay java-miafigna ijay, mba tsy haha-hendry anareo amin'ny eritreritrareo manokagna. Ijany java-miafigna ijany die efa nahamafy loha ny saragne amin'Isiraely, mandram-peven'ny fahafenôn'ireo Jentilisa. 26 Noho ijany die hivonjena aby ny Isiraely manotolo, araka ny vôsoratra hoe: "Hivôka avy agny Ziona ny mpagnafake. Hangala ny haratsem-pagnahy amin'ny Jakoba Ijy, 27 ary ijany no hifagnekem-pihavanako amin'ijy reo, laha hampiala ny fahotan'dreo Iaho." 28 Amin'ny lafiny raike mahakasika ny filajantsara, die fahavalon'ijy ireo nohon'ny aminareo. Amin'ny lafiny raika hafa araka ny safidin'Andriamaintra, die malala ijy ireo noho ireo rajagna. 29 Fa ireo fagnomejana sy antson'Andriamaintra die tsy miova. 30 Fa anareo die tsy magneke an'Andriamanitra taloha, kanefa amijao anareo die nandray ny famindram-po nohon'ny tsy fankatoavan'ijy ireo. 31 Hôtran'ny ijany mandy koa, ankehitriny ireo Jiosy die tsy nagneke. Ny vokane die tamin'ny alalan'ny famindram-po ijay nabôkanareo no mety handresan'ijy reo ny famindram-po mandy koa amijao. 32 Fa Andriamaintra efa nagnidy ny tsy fankatoavana manotolo, mba ahafahany mampiseho famindram-po amin'ny abiaby. 33 Endrey, ny halalignan'ny ireo harenan'ny fahendrena sy fahalalan'Andriamanitra! Tsy takatry ny saigna ireo fitsarany, ary ireo lalagne die tsy refesina! 34 "Fa ija no nahalala ny fihevitry ny Tompo na ija no tonga ho mpanolo-tsaigna Anaje? 35 Na ija no nagnome raha an'Andriamanitra aloha, ka tsy mentsy hagnoneran'Andriamaintra anajy indraike?" 36 Fa avy aminaje sy amin'ny alalany ary Anaje ny raha manotolo. Hônaje mandrakariva ny voninahitre. Amena.