1 Mangataka anareo aho noho ijany, ry rahalahy, noho ireo famindram-pon'Andriamanitra, mba hanolotre ny vatagnareo ho sorogna velogna, masina ekenan'Andriamanitra. Ijany no fanompoanareo araka ny tokony ho ijy. 2 Aja manahake an'ijao tontolo ijao, fa miovà amin'ny fanavaojan'ny saigna. Atôvy ijao mba ho fantatrareo ijany tsara, ajo ekena, ary ny sitrapo lafatr'Andriamanitra. 3 Fa ambarako, nohon'ny fahasoavana ijay nomena an'ahy ny tsy tokony hanagnan,ny abiaby ijay eo aminareo eritreritra hagnambony ny tegnany mihôtra ijay tokony ho eritreretiny, Fa koja, tokony hieritreritra am-pahandrena areo, hôtrin'ny nanomejan'Andriamanitra fatram-pinoana ny tsirairay avy. 4 Fa managna ratsagna maro amin'ny vatantsena antsena, kanefa tsy mitovy aby ny asan'ireo ratsagna ireo. 5 Mitovy amin'ijany, antsena ijay raha be dia vatagna iray mandy ao amin'ny Kristy, ary rantsagna manokagna amin'ny tsirairaike. 6 Managna fanomenjam-pahasoavana samy hafa antsena araka ny fahasoavana ijay nomena antsena. Laha faminaniana no fanomejam-pahasoavanan'ny raike, die ôka atao araka ny haben'ny finôny . 7 Laha fanompoana no fanomejam-pahasoavan'ny iray, die ôka ijy hanompo. Laha nisy raike nahajo fanomejem-pahasoavana hampianatre, ôka ijy hampianatre. 8 Laha fampaherejana no fanomejam-pahasoavanan'ny raike, ôka ijy hampahery. Laha magnome no fanomejam-pahasoavan'ny raike, ôka ijy hagnano ijany amim-pahalalan-tagnana. Laha hitarika no fanomejam-pahasoavan'ny raike, ôka ijany ho vita ampitandremana. Raha hampiseho fangoraham-po no fanomejam-pahasoavan'ny raike, ôka ijany ho vita am-piravoravoana. 9 Öka ny fitiavana tsy hisy fihatsaram-belalatsihy. Ankahalao ny ratsy, tajony mahare ijay tsara, 10 Laha ny momba ny fitiavan'ny mpirahalahy, mifankatiava aminareo tsirairaike aby. Laha ny momba ny fanomejam-boninahitra, mifagnajà. 11 Laha ny momba ny fikirijana, aja misalasala. Laha ny momba ny Fagnahy, ôka hafana fo. Momba ny Tompo, tompoy ijy. 12 Mifalia ao amin'ny fahatokiana ijay hanagnanao momba ny ho avy. Mahareta amin'ireo olagnao. Mivavaha fehijay. 13 Mifampijara amin'ijay ilain'ny mpino. Mitadiava fomba maro hampiantragnoanao olo. 14 Misôra ireo ijay magnejika anao; misaora ary aja manojona. 15 Miaraha-mifaly amin'ireo ijay mifaly; miaraha-mitagny amin'ireo ijay mitagny. 16 Mitovia fisaignana amin'ny tsirairaike. Aja misaigna amin'ny fomba mirehareha, fa ikeo ireo olo ambany. Aja mihevitra ny tegnanao ho hendry. 17 Aja mamaly ratsy ny ratsy. Manôva raha tsara eo imason'ny olo abiaby. 18 Laha mety arak'ijay ajonao atao, mihavagna amin'ny olo aby. 19 Aja mamaly ratsy ny tegnanareo, ry malala fa omeo lalagna ny havigniran'Andriamanitra. Fa efa vôsoratra hoe: "Ahy ny vali-faty; Ijaho no hamaly; hoy ny tompo. 20 Fa raha mosaregna ny fahavaloanao omeo hanigna ijy. Laha te hisotro rano ijy omeo ijy hinomine. Fa laha manao ijany ianao, dia hagnangona vain'afo eo amin'ny lohany. 21 Aja mety ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny tsara ny ratsy.