1 Ôka ny fagnahy manontolo hagneke ireo manam-pahefana ambone, fa tsy misy fahefana laha tsy avy amin'Andriamanitra. Ary ireo manam-pahefana misy die efa vôtondron'Andriamanitra. 2 Noho ijany ijay manohitra ijany fahefana ijany die manohitra ny didin'Andriamanitra; ary ireo je-manohitra ijany die hahajo fitsarana amin'ny tegnan'ijy ireo. 3 Satria ireo mpanapaka die tsy fampitahorana hônireo asa tsara, fa hônireo asa ratsy. Magniry ny tsy hangoaigna ny raike amin'ny fahefana ve anareo? Manôva ny tsara, die ho deraina amin'ny ijany ianao. 4 Fa ijy die mpanompon'Andriamanitra hônareo amin'ny tsara. Fa laha magnano ratsy anareo, die matahora, satria tsy mitondra ny sabatra tsy amin'ny antony ijy. Fa ijy die mpanompon'Andriamanitra, mpamaly ny fahavignirana amin'ny ilay magnano ratsy. 5 Noho ijany die tokony hagneke anareo, tsy nohon'ny havignirany mandy, fa nohon'ny fieritreretana mandy koa. 6 Noho ijany die mandoa hetra mandy koa anareo. Fa mpanompon'Andriamanitra ireo manam-pahefana, ijay miendrekitra ijany raha ijany tsy ankijanogna. 7 Aloavy amin'ny tsirairay ijay tokony hônajy ireo: mandoava hetra amin'ny ijay tokony handoavana ijany; mandoava fadin-tseragnana amin'ny ijay tokony handoavana anajy; matahora amin'ny ijay tokony hatahorana; magnajà an'ijay sahaja ijany. 8 Aja managna trosa na amin'ija na amin'ija, hafa-tsy ny fifankatiavana mandy. Fa je-tia ny magnodidigna anajy die nahatanteraka ny lalàna: 9 Rahabe ireo didy: "Aja mangala-badin'olo, aja mamono olo, aja mangalatra, aja mitsiriritre," ary laha misy didy hafa ankôtr'ireo koa, die vôfehy amin'ny toy fehezanteny toy ijany: " Tiavo ny akamanao hôtran'ny tegnanao." 10 Ny fitiavana die tsy mandratra ny magnodidigna; noho ijany, ny fitiavana no fahatanterahan'ny lalàna. 11 Noho ijane, fantatrareo ny fotôgna, fa efa fotôgna hifohajanareo amin'ny torimaso sahady ijao. Fa ankehitriny efa magnakeky noho ijay ninôntsena tamin'ny vôlohany ny fagnavotana antsena. 12 Mandroso ny aligna, ary magnarivo ny andro. Noho ijany andao hariena ireo asan'ny mejigna, ary andao antsena hisikigna ny fedien'ny fahajavana. 13 Andao hijotra amin'ny lalagna mahitsy, hôtran'ny amin'ny andro, fa tsy hôtran'ny amin'ireo firavoravôna tsy ampahamendrehana na koa ny hamamôna; ary andao tsy hienga amin'ny fahavetavetana na amin'ny filàna tsy vôfehy, ary tsy ho amin'ny fifanoherana na felognana. 14 Fa misikina an'i Jesôsy Kristy Tompo, ary aja magnome hirika ho an'ny nofo, mba hagnomejana fahafaham-po ny filàny.