Toko faha14

1 Reso aby na ijay malemy amin'ny finoana, aja mitsara momba ny tohan-kevitra. 2 Ny olo raike die managna finôna hihinagna na ino na ino, fa ny raike hafa ijay malemy dia tsy mihinagna afa tsy legioma. 3 Öka ijay mihinagna ny raha abiaby tsy hagnamavo ijay tsy mihinagna ny abiaby; ary ijay tsy mihinagna ny abiaby koja tsy hitsara ijay hafa mihinagna ny abiaby. Fa Andriamanitra efa nagneky an'aje. 4 Ija moa anao, anao ijay mitsara ny mpanompon'olon-kafa? Eo anatrehan'ny tompony ijy no mijoro na lavo. Fa hatsangagna ijy, satria ny Tompo dia afaka manangana an' ajy. 5 Ny olo raike die mihevitra fa misy andro tsara nohon'ny andro aby, Ny hafa koja die mihevitra fa mitovy ny andro abiaby. Avilao ny tsirairaike ho resy lahatra araka ny saigny aby. 6 Ijay mandinike ny andro, die mandinike ijany ho an'ny Tompo; ary ijay mihinagna, die mihinagna ho an'ny Tompo, fa misaotra an'Andriamanitra ijy. Ijay tsy mihinagna, die mifady hanina ho an'ny Tompo, ijy mandy koa die misaotra an'Andriamanitra. 7 Fa tsy misy miaigna ho an'ny tegnany antsena, ary tsy misy maty ho an'ny tegnany. 8 Fa raha miaigna antsena dia miaigna ho an'ny Tompo, ary laha maty antsena, die maty ho an'ny Tompo. Araka ijany na velogna antsena na maty, die an'ny Tompo. 9 Fa ho amin'ijany antony ijany no nahafatesan'ny Kristy ary nahavelomany koa, mba hahaavy an' Aje ho sady Tompon'ny maty no tompon'ny velogna. 10 Fa anao, nahôna anao no mitsara ny rahalahinao? Ary anao, nahôna anao no malaigna ny rahalahinao? Fa antsena abiaby die mbola hijoro ho tsaraina eo ankatrehan'ny seja fiitsaranan'Andriamanitra. 11 Fa efa vôsoratra hoe:"Laha mbola velogna koa Aho."hoy nyTompo" die hiforitre eo ankatrehako ny lohalika abiaby, ary ny lela abiaby die hidera an'Andriamanitra." 12 Noho ijany ary, antsena tsirairay aby die hagnano tatitre ny tegnany eo amin'Andriamanitra. 13 Ka ôka antsena tsy hifampitsara koa, fa koja hanapaka an' ijao, mba tsy hisy hametrake vato mahatafintohigna na fandrike ho an'ny rahalahiny. 14 Mahafantatre iaho ary resy lahatre ao amin'ny Tompo Jesôsy, fa tsy misy madio amin'ny tegnany. Fa ho an'ijay mandray na ino na ino ho tsy madio fehijay, die tsy madio ijany ho an'aje. 15 Satria laha malahelo nohon'ny amin'ny hanina ny rahalahinao, die tsy mandeha am-pitiavana koa anao. Aja simbaina nohon'ny haninareo ireo ijay namoejan'ny Kristy ny aigny. 16 Koa aja mamela ijay heverinareo ho tsara ho aratsiana. 17 Fa ny fanjakan'Andriamanitra die tsy momba ny hanina sy rano fisotro, fa momba ny fahamarinana, fiadanana, ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina. 18 Fa ijay manompo an'i Kristy araka ijany die ankasitrahan'Andriamanitra sy eken'ny olo. 19 Noho ijany, ôka antsena hanohy ireo rahan'ny fiadagnana sy ireo raha ijay manefe ny tsirirairaike aby. 20 Aja simbaina nohon'y amin'ny hanina ny asan'Andriamanitra. Madio tokôtre ny raha abiaby fa ratsy ho an'ny olo ijay mihinagna an'aje ary mahaavy an'aje ho tafitohigna. 21 Tsara ny tsy mihinan-kena, na misotro divay, na ny raha abiaby ijay mety hanafintohigna ny rahalahinao. 22 Ny finôna anagnao, tehirijo ao aminao sy Andriamanitra. Sambatra ijay tsy magnameloke ny tegnany amin'ijay ekeny. 23 Ijay misalasala die meloke laha mihinagna, satria tsy tamin'ny finôna ijany. Ary na ino na ino tsy avy amin'ny finôna die fahotana.