Toko faha 15

1 Ary antsena ijay matanjake die tokony handefitra ny fahalemen'ny malemy, ary tsy tokony hambôtre ijay mahafinaritre ny tegnantsena. 2 Aoka ny kiraidraike avy amintsena hambôtre ijay mahafaly ny mpiara-monigna aminy fa ijany no tsara, mba hanandratana an'aje. 3 Fa na Kristy tsy nambôtre ijay nahafinaritre ny tegnany. Fa koja, ijany die araka ny efa vôsoratra hoe: "Ny famingavingan'ireo jay mamingavinga anao die nidaboke tamin'ahe. 4 Fa na ino na ino vôsoratra teo aloha die vôsoratre ho fampenarana antsena, mba amin'ny alaln'ny faharetana sy amin'ny alalan'ny fampaherejan'ny Soratra Masina no hanagnantsena toky. 5 Ary ny Andriamanitry ny fahadignasana sy fampaherejana anie hagnome fisaignana mitovy hôn'ny kiraidraike avy araka an'i Kristy Jesôsy. 6 Ijy anie anao ijany mba ho amin'ny fisaignana raike sy amin'ny vava raike mandy no hideranareo an'Andriamanitre sy Aban'i Jesôsy Kristy Tompontsena . Noho ijany mifandresa, hôtran'ny nadresan'i 7 Kristy anareo mandy koa aja, ho fiderana an'Andriamanitra. 8 Fa jakaiko fa Kristy die efa tonga mpanompon'ny vôfora hôn'ny fahamarignan'AdriamanitrA, mba hahafahana magnamarina ireo fampagnantenana ijay nomena ireo iaba, 9 ary hôn'ireo Jentilisa mba hagnomejam-boninahitre an'Andriamanitra nohon'ny famindram-pone. Ijany die araka ny efa vôsoratra hoe: "Noho ijany die nagnome fiderana Anao eo amin'ireo Jentilisa Aho ary hihira fiderana ny agnaranao." 10 Bona vôlaja hatragny hoe: "Mifalifalia, miaraka amin'ny fokon'olo, ry Jentilisa." 11 Ary koa hoe: "Derao ny Tompo, ry Jentilisa abiaby; abelao ny olo abiaby hidera an'Ajy." 12 Hoy indray, Isaia hoe: "Hisy vahan'ny Jese, ary ilay raike ijay hitsangagna handidy eo amin'ny Jentilisa. Hanagna fahatokisana amin'aje ireo Jentilisa." 13 Ary ny Andriamanitray ny fahatokisana anie hameno anareo amin'ny fifalena sy fedagnana abiaby amin'ny finôna, mba ho feno fahatokiana anareo, avy amin'ny herin'ny Fanahy Masina. 14 Ny tegnako ijao mandy koa die resy lahatre ny mahakasika anreo, ry rahalahy. Resy lahatra aho fa anareo mandy koa die feno fahatsarana, feno ny fahalalana abiaby. Resy lahatra aho fa anareo mandy koa die afaka mifagnanatre. 15 Fa manoratra am-pasahena aminareo aho mahakasike ireo raha saragne mba hampitadidiena anareo inadraike, nohon'ny fagnomejam-pahasoavana ijay nomen'Andriamanitra hon'ahe. 16 Ijany fagnomejam-pahasoavana ijany die ny tokony mba hanompôko an'Kristy Jesôsy nalefa tagny Jentilisa, mba hanolotra hôtran'ny sorogna ny filajantsaran'Andiamanitra. Tokony hamboariko ijany mba ho ajo ekena ny fagnatitr'ireo Jentilisa, vôtokagn'ny Fanahy Masina. 17 Noho ijany ny hafaleko die ao amin'iKristy Jesôsy sy ireo rah'Andriamanitra. 18 Fa tsy ho saky hivoria na ino na ino afa-tsy ireo raha vitan'i Kristy tamin'ny alalako hôn'ny fagniken'ireo Jentilisa aho. Ireo rah ireo die vita tamin'ny jaka sy asa, 19 tamin'ireo herin'ny famantarana sy fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina. Ijany die mba avy agny Jerosslema, sy lavidavitra hôtran'i Ilyrikioma, no ahafahako magnatanteraka ny filajantsaran'i Kristy. 20 Amin'ijany, ny fagnireko die ny hagnambara ny filajantsara, fa tsy agny amin'ijay ahafantarana an'i Kristy amin'ny agnarana, mba tsy hagnorenako eo amin'ijay efa nagnorenako ny hafa. 21 Ijany die araka ny vôsoratra hoe: "Tamin'ireo ijay tsy nijakana an'Aje no hahita an'Aje,ary ireo ijay tsy naharegny no hahajo." 22 Noho ijany mandy koa die vôsakagna matetika tsy ho agny aminareo aho. 23 Fa amin'ijao fotôgna, tsy managna toerana amin'ireo faritra ireo koa aho, ary taogna maro no efa nagnireko mahare ho agny aminareo. 24 Noho ijany na ovena na ovena andihanako agny Espana, die magnantena aho ny hahita anareo abiaby mandalo, ary haterinareo agny amin'ny andihanako, laha avy nankafy ny fiarahanareo vetivety Aho. 25 Fa amin'ijao fotôgna ho agny Jerosalema aho hanompo ireo mpino. 26 Fa fifalen'i Makedonia sy Akaia ny hambôtre fandresana anjara hôn'ireo misotry isan'ireo mpino ijay agny Jerosalema. 27 Ieke, fifalena hôn-dreo ijany,ary, mpitosa amin'aje marina areo. Fa laha ny Jentilisa no nijara tamin'ny raha masignan-dreo, die tokony hanompo an'ajy ireo mandy koa areo amin'ireo raha ara-pitôvana. 28 Noho ijany, laha notantirahiko ijao asa ijao ary nagnamafy fa vôrain-dreo ny vokatre ijay navory, die ho agny Espaina aho ary hamangy anareo amin'ny lalako. 29 Fantatro fa laha mandeha agny aminareo aho die hiditre amin'ny fahafenôn'ny fitahian'i Kristy. 30 Amin'ijao fotôgna mandrisika anareo aho, ry rahalahy, amin'i Jesôsy Kristy Tompontsena, sy amin'ny fitiavan'ny fagnahy, mba hiaraka hiady amin'ahe anareo amin'ny vavaka amboarinareo amin'Andriamanitra hon'ahe. 31 Mivavaha mba ho avotra amin'ireo ijay tsy magneke agny Jodia aho, ary mba heken'ireo mpino ny fanompôko ho an'i Jerosalema. 32 Mivavaha mba heveko aminareo amin-kafalena amin'ny sitrapon'Andriamanitra, ary mba hahafahako, mahita ny fijanognana, miaraka aminareo. 33 Andiamanitry ny fedagnana anie homba anareo abiaby. Amena.