Toko faha 16

1 Apetrako aminareo i Foiby anankavintsena, ijay mpanompon'ny fengonana agny Kenkrea, 2 mba handresanareo an'ajy ao amin'ny Tompo. Atôvy ijany amin'ny fomba maha mpino, die magnatreha an'ajy amin'ijay raha mety irombejany ny fagnampianareo. Fa ijy rery mandy koa die nanjary mpagnampy ny maro, ary ny tegnako mandy koa. 3 Manôva veloma an'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amin'ahe ao amin'ny Kristy Jesôsy, 4 ijay nahafoy ny ain-dreo hôn'ahe. Misôtra an-dreo iaho, ary tsy iaho mande, fa ireo fengonana abiabin'ny Jentilisa mandy koa. 5 Manôva veloma ny fengonana ijay ao amin'ny tragnon-dreo. Manôva veloma agny amin'i Epaineto malalako, ijay vôloham-bokatr'i Asia hôn'i Kristy. 6 Manôva veloma an'i Maria, ijay niasa mafy hônareo. 7 Manôva veloma an'i Androniko sy Jonia, havako akeke, ary niara-nigadra tamin'ahe. Malaja eo afovôn'ireo apôstôly areo, sady tao amin'ny Kristy talohako mandy koa. 8 Manôva veloma an'i Ampliato, malalako ao amin'ny Tompo. 9 Manôva veloma an'i Orbano, mpiara-miasa amintsena ao amin'i Kristy, sy Staky, malalako. 10 Agnontanio Apela, ilay ankasitrahana ao amin'i Kristy. Agnontanio aby ijay ao andragnon'i Aristobolo. 11 Manôva veloma an'i Herodiona, havako. Manôva veloma an'ireo ijay ao andragnon'i Narkisa, ijay ao amin'ny Tompo. 12 Manôva veloma an'i Tryfena sy Tryfosa, ijay miasa mahare ao amin'ny Tompo. Agnontanio Perysa malala, ijay niasa mahare tao amin'ny Tompo. 13 Manôva veloma an'i Rofosy, ijay vôfidy tao amin'ny Tompo, ary iendrine sy iendriko. 14 Manôva veloma an'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, ary ireo rahalahy ijay miaraka amin-dreo. 15 Manôva veloma an'i Filologia sy Jolia, Nerea sy ny anakavine, sy Olimpa, ary ireo mpino abiaby miaraka an-dreo. 16 Mifanôva veloma amin'ny fifagnorohana masina. Ireo fengonan'i Kristy abiaby die magnano veloma anareo. 17 Amin'ijao fotôgna madrisika anareo aho, ry rahalahy, mba hieritreritra ny mahakasika ireo ijay mahatonga ny fijarajarana sy ny fanafintohignana. Areo die mihôtra lavitra ny fampenarana ijay vôrainareo. Mengà lavitra an-dreo. 18 Fa tsy mpanompon'i Kristy Tompontsena ny olo hotran'iregny, fa ny trokane manokagna mandy. Amin'ny teny malefaka sy tsara lahatra no amitahan-dreo ny fon'ny tsy manan-tsigny. 19 Fa ny ohatrareo amin'ny fagnajana die avy agny amin'ny olo abiaby. Noho ijany, mifaly iaho,ny aminareo, fa tieko mba ho kante amin'ijay tsara anareo, ary tsy hanantsigny amin'ijay ratsy. 20 Andriamanitry ny fedagnana hamotipotika an'i Satana eo ambanin'ny tongotrareo afaka fotôgna vitsivitsy. Hôminareo anie ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsena. 21 Timoty, mpiara-miasa amin'ahe, die magnano veloma anareo, sy Losio, Jasona ary Sosipatro, havako. 22 Iaho, Tertio, ijay nanoratra itoy epistily itoy, die magnano veloma anareo ao amin'ny Tompo. 23 Gaio, ilay mpampetragno an'ahy sy ny fengonana abiaby, die magnano veloma anareo. Erasto, mpitam-bola ao amin'ny tanàna, die magnano veloma anareo, miaraka amin'i Koarto ilay rahalahy. 24 [Fagnamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra die magnala itoy andininy itoy. (jahay ny Romana 16: 20). and 24: "Hôminareo abiaby anie ny fahasoavan'ny Jesôsy Kristy Tompontsena. Amena."] 25 Ary ny voninahitra die hôn'aje ijay mahavita mampitraka anareo araka ny filajantsarako sy ny filajana an'i Jesôsy Kristy, araky ny fijakana ny raha-mivony ijay nitanana ho tsembaratelo ela be tagny aloha tagne, 26 kanefa nijakaina amin'ijao fôtogna, ary tamin'ny alalan'ny bokin'ny faminanena no nampahalalana tamin'ny firenena abiaby, araka ny didin'Andriamanitra mandrakijay, ho fagnajana ny finôna. 27 Hôn'ilay Andriamanitra tokan'ny fahendrena, anie ny voninahitra mandrakijay, amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy. Amena