Toko faha 12

1 Ity dia fanambarana ny tenin'i Yaveh mahakasika an'Israely—fanambaran'i Yaveh, izay nanandratra ireo habakabaka sy nametraka ny fototry ny tany, izay mamolavola ny fanahin'olombelona ao anatin'ny olona hoe: 2 "Indro, eo an-dalam-panaovana an'i Jerosalema anaty kapoaka Aho hahatonga ireo vahoaka rehetra manodidina azy hivembena. Dia ho tahaka izany ihany koa ny an'i Joda mandritry ny fahirano an'i Jerosalema. 3 Amin'izany andro izany, hataoko ho vato mavesatra ho an'ny olon-drehetra i Jerosalema. Izay manandrana ny hanainga izany vato izany dia handratra mafy ny tenany, ka hitambatra hanohitra izany tanàna izany ireo firenen'ny tany rehetra. 4 Amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh—hamely ny soavaly tsirairay amin'ny horohoro Aho ary ny mpitaingina azy amin'ny fahaverezan-tsaina. Hijery am-pankasitrahana ny taranak'i Joda Aho ary hamely ny soavalin'ireo tafika amin'ny fahajambana. 5 Avy eo ireo mpitarik'i Joda hiteny anakampo hoe: 'Ireo mponin'i Jerosalema no tanjatsika noho i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'izy ireo.' 6 Amin'izany andro izany dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo ary tahaka ny fanilo eny amin'ny amboara ireo mpitarika ny Joda , fa izy ireo no handevona ireo firenena rehetra manodidina eo ankavanany sy eo ankaviany. Hitoetra eo amin'ny toerany indray i Jerosalema." 7 Hamonjy ireo lain'i Joda i Yaveh, mba tsy ho lehibe noho ny sisa tavela amin'i Joda ny voninahitry ny taranak'i Davida sy ny voninahitr'ireo izay monina ao Jerosalema. 8 Amin'izany andro izany dia ho mpiaro ireo mponin'i Jerosalema i Yaveh, ary amin'izany andro izany ireo izay ketraka amin'izy ireo dia ho tahaka an'i Davida, ary ny taranak'i Davida dia ho tahaka an'Andriamanitra, tahaka ny anjelin'i Yaveh eo anoloan'izy ireo. 9 "Amin'izany andro izany dia hanomboka handringana ireo firenena rehetra izay tonga hanohitra an'i Jerosalema Aho. 10 Nefa handraraka ny fanahin'ny fangoraham-po sy fitarainana amin'ny taranak'i Davida sy ireo mponin'i Jerosalema Aho, mba hitodihan'izy ireo Amiko, ilay Iray izay nolefonin'izy ireo. Hisaona nohon'ny Amiko, tahaka ny olona misaona nohon'ny amin'ny zanany lahy tokana izy ireo; hisaona ho Azy tahaka ireo izay misaona nohon'ny fahafatesan'ny voalohan-janaka izy ireo. 11 Amin'izany andro izany ny fisaonana ao Jerosalema dia ho tahaka ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin'ny lemak'i Megido. 12 Hisaona ny tany, ny fianakaviambe tsirairay hitokana amin'ireo fianakaviambe hafa. Ny fianakaviamben'ny taranak'i Davida hitokana ary ireo vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. Ny fianakaviamben'ny taranak'i Natana hitokana ary ireo vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. 13 Ny fianakaviamben'ny taranak'i Levy hitokana ary ireo vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. Ny fianakaviamben'ireo Simeita hitokana ary ny vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. 14 Ny fianakaviambe tsirairay amin'ireo fianakaviambe tafajanona—ny fianakaviana tsirairay dia samy hitsitokatokana ary ny vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy."